VAOVAO MATV 27 JANVIER 2012

1. rijadolly ( 28/01/2012 02:39)
Taorian'ny fivoriana tany Pretoria, Afrika Atsimo dia namoaka fanambarana ofisialy ny Troikan'ny SADC. Samy nokianiny na ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana na ny filohan'ny fahefana avon'ny tetezamita Andry Rajoelina.

.............................................................................................................

Tsy misy fanapahan-kevitra tokony horaisina ankahamehana raha ny voalazan'ny filohan'ny tetezamita omaly tany Toamasina.

.............................................................................................................

Tafiditra amin'ny fanatanterahana ny sori-dalana ary ho fanatanterahana ny soso-kevitry ny troikan'ny SADC dia mipetraka amin'izao fotoana izao ny kaomisionina iarahan'ny andrim-panjakana.

.............................................................................................................

Mitaky ny tokony hanatanterahana haingana ny lalàna mifehy ny famotsoran-keloka ny MTS.

.............................................................................................................

Nanome fanazavana mahakasika ny fihaonana natao tany Afrika atsimo ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Pierrot Rajaonarivelo.

.............................................................................................................

Ny sendikan'ny mpitsara eto Madagasikara dia manao izao antso izao.

............................................................................................................

Ho an'ny antoko AME izay tarihan-dRavalisaona Clément dia ny famontsoran-keloka voafantina no heveriny fa tokony ho tanterahana.

............................................................................................................

Mitsipaka ny fanambarana an-gazety natao omaly mikasika ny fitarihana olona eny Ambohijatovo, ireo mpitarika ny Komity Miaro ny Demokrasia.

............................................................................................................

Mihitsoka tanteraka ny toe-draharaham-pirenena amin'izao fotoana izao, hoy ny Force Médiane Mixte, izay tarihan'i Max Fabien Andrianirina.

.............................................................................................................

Mbola manantena ny hahatongavana amin'ny famahana ny olana misy eto amin'ny firenena ny tambazotran'ny vehivavy afrikana minisitra sy parlemantera na REFAMP.

.............................................................................................................

Nanapa-kevitra ny hivoaka tamin'ny fahanginany ireo mpianatra avy ao amin'ny fakiolten'ny siansa androany, noho ny fahatsapan'izy ireo fa ataon'ny fanjakana sy ny Seces ankilabao ny fanohizana ny fampianarana.

.............................................................................................................

Anisan'ny sehatr'asa mahaliana ny tanora tokoa ankehitriny ny tontolon'ny «multimédia». Tsikaritra anefa fa mbola vitsy ny sekoly ambony manome fampiofanana manokana momba izany.

............................................................................................................

Notokanana omaly tao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina ny fitaovana fitiliana na ny scanner vaovao an'i GasyNet.

.............................................................................................................

Rasolofo Johary, teknisiana ao amin'ny Materauto ao Ankorondrano no nahazo ny laharana voalohany nandritra ny fifaninanana World cup service excellence.

.............................................................................................................

Nampahafantarina tamin'ny fomba ofisialy androany ny fisian'ny tranokalan'ny Io-Immo izay mitondra ny traikefany momba ny fampanofana na fivarotana trano na tany.

............................................................................................................

Nosantarina io tolakandro io, teny amin'ny kaominina ambanivohitra Ambohimanambola, ilay tetik'asa « Sobika soa ».

............................................................................................................

Mitohy hatrany ny lalao karakarain'ny Airtel ho an'ireo mpanjifa azy. Ireo izay nandray anjara tamin'ilay lalao Football Mania indray no notoloran'ny Airtel loka androany.

.............................................................................................................

ahaka ny efa fanaony isan-taona dia niroso tamin'ny lamesa lehibe ho fankalazana ny fianakaviana masina ny tao amin'ny Sainte famille Mahamasina.


novalian'i rijadolly ny 28/01/2012 02:40
2. rijadolly ( 28/01/2012 02:40)
Fanompoam-pivavahana lehibe no entin'ny FJKM Soamiavaka Filadelfia Ambanidia manokatra ny fankalazana ny faha-80 taona niorenany.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1369