Iza no afaka manavotra ny vahoaka Malagasy?

1. LazaDaddy ( 24/01/2012 02:06)
Isika no tompon'andraikitra voalohany amin'ny fiainantsika fa tsy Atoa. Andry Rajoelina, tsy Atoa. Marc Ravalomanana, tsy Atoa. Zafy Albert, tsy Atoa. Ratsiraka Didier Rakotomalala, tsy Atoa. Mailhol, tsy ny FJKM, tsy ny EKAR, tsy ny Loterana, tsy ny Anglikanina, na olon-kafa iza na iza. Tsy afaka manavotra antsika rahateo ireny na inona na inona ataony.

Maniry mafy sy afaka manavotra ny Malagasy tsirairay kosa anefa i Jesoa Kristy raha manaiky Azy isika, ary Izy irery ihany no afaka manao izany. Azo ianteherana ve ny "reconaissance internationale" raha i Kristy no mitsipaka antsika eo anatrehan'Andriamanitra Ray? Afaka misolo vava sy miaro antsika eo anoloan'Andriamanitra Ray ve ny FFKM? Indrisy fa tsia ny valiny.

Ialao ny ratsy sy fahalotoana rehetra ka mibebaha ary manatona ny Tompo, angataho amim-panetre-tena ny Fanahy Masina ankahery anao dia ho tontosa izany. Omeo tantanin'i Jesosy "unilateralement" ny fiainantsika dia ho tsapantsika ny vokany.

Ny tsikera ataon'ny maro dia hoe ahoana ny fanatanterahana izany amin'izao fiainana izao? Mba manitikitika ahy kosa ny hoe "misy ezaka ataontsika tsirairay ve anatanteraka izany sa vao tojo olana kely isika dia manaiky resy?"

Tsipihiko fa misy "sandany" ny fanarahana an'i Kristy. Ny "sandany" dia ny famoizana ireo zavatra mifanohitra amin'ny fampianarany. Tsara sy mahasoa anefa izany ary tsy azo ampitahaina akory amin'ny vola amin-karena izay efa nolanian'ny maro tany amin'ny mpanandro, "mpitaiza", sy ny maro hafa...
novalian'i jesuisla ny 29/01/2012 14:59
2. rijadolly ( 24/01/2012 03:46)
LazaDaddy:

Isika no tompon'andraikitra voalohany amin'ny fiainantsika fa tsy Atoa. Andry Rajoelina, tsy Atoa. Marc Ravalomanana, tsy Atoa. Zafy Albert, tsy Atoa. Ratsiraka Didier Rakotomalala, tsy Atoa. Mailhol, tsy ny FJKM, tsy ny EKAR, tsy ny Loterana, tsy ny Anglikanina, na olon-kafa iza na iza. Tsy afaka manavotra antsika rahateo ireny na inona na inona ataony.


Miray hevitra an'se tanteraka aho, fa kosa tokony ho fantarina hoe iza ny olona izay olana manakana izay hezaky ny tsirairay tsy hiantefa any amin'i Fiarahamonina zay. Matoa tsy mbola tanteraka ny hezaky ny tsirairay hanely fa ny Fitiavana izay vohizin'ny Kristianina maro no vaha olana dia misy izany ny manohitra anaty ihany koa raha tsy miseho ivelany aza.

Ho fantatra ary ve izay olona manao sakana manohitra izay FITIAVANA izay?
Eny, Fantatra, izay mivoaka ny vava no ao am-po. Ireny olona ireny no tokony ho tafihan-tsika Kristianina voalohany, na dia lazaina aza fa maka parti isika, satria ny marina no toriana.
Izaho moa eto Laza dia voasoketa foana hoe mpomba an' Ankolafy Ravalomanana. Ny antony dia ny hevitro izay mitovitovy sy manosika ilay fiverenan'I Marc Ravolomanana. Tsy manome tsiny an'izay mitsara izany aho, fa kosa tsy misy afatsy izay FIFANDRAISAN-TANANA SY FIFAMELANA TSY MISY FITAKA, izay no vahaolana eto amintsika. Izay hevitro izay ve dia hiantefa any amin'ireo manatanteraka izay? Tsia angamba ny valiny. Eo no miseho anefa ilay FITIAVANA izay vohizin'Ny Kritianina avy any amin'i Jesoa Kristy.

Izay politikan-tsika Kristianina izay, FITIAVANA, ny lalana hatafavoaka an' Madagasikara. Hmetra olona ve isika Kristianina ho eo amin'ny Fitondrana anatanteraka an'io? Tsia ny valiny.
3. jesuisla ( 29/01/2012 14:51)
Marina fa izaho no tompon'andraikitra voalohany.

Saingy, ny fitondrana mikorontana no manelingelina ny fidirambolako. Zao, lay olona ao ambadika d tsy mikandra, f zaho no mividy vary ho azy mianakavy kely isan'andro.

4. jesuisla ( 29/01/2012 14:59)
Nisy olona niampita rano, ary tsy tody teny @ farany. Fa satria nahoana? Ny rano ve no homena tsiny? Lay rano mihitsy ve no tena lalina.

Tena lalina zany. Mba lalina koa zany.

D inona no hevitra? Inona no atao? Iza no sahy hamonjy lay olona ao anaty rano ao?

Mila olona sahy, sy vonona ary mahay ny fireneny. Zany hoe, mila olona feno fahendrena.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.533