tatitra momba ny fambolena zanakazo izay nataon ny namana serasera dago hatrizay !

1. ravatorano ( 21/01/2012 06:45)
Miarahaba ny namana rehetra amin'ny fahatratrarana izao taona vaovao 2012 izao enga anie Andriamanitra manakarem-pahasoavana handrotsaka izany amitsika tsirairay avy.
Nisy fotoana nandehanako teny Andranovelona ary niakarana sy nitsidihana ireo zanakazo namboletsika tenyniarahana tamin i Mr Dédé ao amin'ny Association Milasoa.Adino tany ambany moa ny fakatsary ka tsy afaka nitondra sary ho antsika rehetra.
Ireo zanakazo aloha dia tena naniry tokoa indrindra fa ny ravitsara fa ny tsisy raviny na koa tahony kely sisa satria haitsika rehetra fa lafo vidy ny ravitsara ka nisy nanala sy nanongotra avokoa izany ary dia namidy tamin ny kilao ! Ireo tompon tanana moa dia tsy afaka nanara maso izany raha tsy efa nisy mihitsy ny resaka nandeha momba ireo ravitsara ireo.Ny zanakazo izay nambolen'ny ordre de medecin teny koa dia tratran izany.Ny zanakazo hafa izay nambolena taloha dia naniry ary efa misy lehibe toy ny kininina izany.
Izay zany ny momba an'iny fa dia ho hita eo ihany izay mety ho tohiny !
novalian'i sipagasy ny 03/02/2012 19:21
2. fahamarinana ( 23/01/2012 18:49)
Oudry !!! Lalina koa zany Zoky Ravato !
3. notron ( 25/01/2012 04:44)
Merci ravato an!
Enao kosa kaloha tena mihetsika mihintsy e!
Betsaka tokoa ny soa azo amin'ny ravitsara fa isika ndraindray no somary manadino
Akoatran'ny raviny tanehana mba ho sotroina mantsy dia azo androana ihany koa izy.

Izay fa rehefa mifankahita indray mihaona e!
4. voahirana ( 25/01/2012 09:39)
Misaotra razoky an!!
mampalahelo zany nisy nitsaingoka zany ny ravitsara zah anefa tena mila ireny mintsy an!! d mividy eny rehetra eny , d aleo isika hamboly indray izany @ ty taona ity annn!!!!
5. bichette ( 26/01/2012 11:41)
eee !!!!!
6. naritsimba ( 02/02/2012 08:01)
bichette>> ela be tsy heno an!
ravato> mba jerijereo e, 'lay zava-maniry, aza avel'hisy haka, aza avela halazo, hahaha
notron> rahoviana moa no hifankahita?
voahirana> ny taona ity miherina, asa izay mba ho entiny, ahiko mbola hiverina ho toy ny t@ taona lasa, ny zavatra raiketiny.
fahamarinana> atao lalindalina kokoa @ manaraka ny lavaka e!
7. sipagasy ( 03/02/2012 19:21)
dia misaotra anao dad'tou nitatitra izany fa dia mampalahelo kosa hoa ilay fisainana mbola misy any amintsika e! ho reharehan'ny taranaka anie ny fananana hazo e! nefa dia nahoana nod ia somparana tahaka izao!!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1181