Marc RAVALOMANANA : "tsy misy atahorana ny fitandroana ny ainay" + Antso an-taribia manoloana ny Mpanao Gazety Malagasy

1. rijadolly ( 20/01/2012 15:38)
Tsindrio eto ny fanotanian'ireo Mpanao gazety sy ny valiny izay nambaran'ny Marc Ravalomanana






Nambaran'ny Filoha RAVALOMANANA Marc manoloana ny mpanao gazety Malagasy androany fa tena ho avy ny tenany. "Efa niresaka tamin'ny tale jeneralin'ny Air Link ny mpikarakara ny fiverenanay ary nanome antoka ny zotra fa tsy misy ny NOTAM" hoy ny Filoha. Raha ny momba ny aty an-tanindrazana indray dia nambarany fa efa nifampiresaka tamin'ireo tomponandraikitra rehetra ny delegasiona an'ny Ankolafy tarihiny ary nanome toky fa milamina avokoa ny fandraisana. "Betsaka ny zavatra tsy maintsy omanina amin'ny dingana iray lehibe toy izao" hoy ny Filoha RAVALOMANANA "saingy tsy voatery filaza avokoa izy ireny". Araka ny nambaran'ny Filoha RAVALOMANANA dia tsy misy tokony hampisalasala ny Malagasy intsony ny momba ny fiverenany satria efa nalamina avokoa ny pitsopitsony rehetra momba izany. Ny adidy tamin'ny Firenena Afrikana Tatsimo ihany koa dia efa tontosa raha ny filazan'ny Filoham-pirenena ary efa nifampiresahany tamin'ny SADC sy ny Filohan'ny Firenena nampiantrano azy ireo izao fanapahan-keviny izao. Tao am-pamaranana moa dia nametraka ny mandram-pihaona tamin'ny mpanao gazety sy nyn vahoaka Malagasy rehetra ny Filoha RAVALOMANANA sady nampiany hoe "rahampitso aho izany mifankahita aminareo".
[/quote]
novalian'i rijadolly ny 20/01/2012 15:40
2. rijadolly ( 20/01/2012 15:40)
Nalaina tao amin'ny Gasy Tia Tanindrazana

http://collectif-gtt.org/content/20012012-filoha-ravalomanana-tsy-misy-atahorana-ny-fitandroana-ny-ainay-spot-vid-o
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3528