Ahoana ny hataoko

1. IVero ( 20/01/2012 02:21)
Manahoana!
Somary miasa saina kely ara-pitiavana aho ka mba te hahazo toro hevitra raha mety
Miaraka amin'ny olona aho mifanalavitra fa samy te hanantateraka izany ho mafy kokoa izany @raharaha aza. Hifanantona toerana sy hikasa ny hivady

Tsy miafina taminy ny lasako rehetra. Fantany fa nisy olona talohany fa fiarahana tsy ho vanona mihitsy ny taminay noho ny antony t@ asany ka dia efa napetrany ny azy hoe tsy afaka mis'engage fa miala tsiny. Saingy ny niatombohan'io fiarahana io dia idylle be fa niova niandalana ny fihetsiny ary diso fanantenana tanteraka aho satria notapahany tanteraka izany anefa nanamarika ahy ilay fitiavana nisy taminay .ary tsy maheno momba azy intsony ny tenako hatramin'izay. Fantatr'ito faharoa daholo ireo ary fantany fa taorian'izay tsy tafaraka t@olona intsony aho satria niezaka nanadino azy aza.

Tao anatin'ny fiarahanay izao anefa dia hay efa bevohoka an'ilay iray voalohany fa tsy nahalala nandritra izay raha tsy vao haingana. Tonga dia nampahafantariko azy ny zava-nisy fa tsy tiko ny manafina mba ho fanajako azy raha any aoriana entre anay roa tsy hisy zavatra miafinafina.

Ny réactions any aloha teo no ho eo faly ho ahy izy satria efa nitsiriritra hanan-janaka foana teo amin'ny lasany sy hanoron—tokan-trano ara-dalàna. Anefa izaho natahotra mafy ny navaliny ahy saingy tsy nisy méchancetés mihitsy izy fa niteny aza hoe tsy voatery ho ratsy izany fa ny sainao no tsy mety (amiko olona telo no eo raha misy zaza miaraka amin'ny rainy f'izaho izany lasa izahay mianaka tsy fidiny satria ny rainy tsy heno intsony, tsy re maty tsy re velona any fa miaramila tsinona, ary na velona aza heno vao2 sarotra amiko ny hino fa handray andraikitra satria efa resany hoe tsy mila famille izy rehefa tena tafiaraka ela2 kely vao nivaky an'izay izy dia t sy ela taorian'izay dia tsy reko intsony ny taminy fa voahiraka an'ady).

Ny olako izany izao dia ity faharoa- niteny aloha izy fa tia ahy ary ho eo foana na inona mitranga amiko ary hiaraka amiko foana. Fa ny olany dia ilay zaza satria efa nanana olana tamin'ny RAD ny izy fa nanery ny sipany tany aloha be tany tsy nitazona ny zanany ka nanjary ady be teo @fianakaviany izany taminy nohon'ny fihetsiny. Izao izany tsy nanenina mafy izy na taona maro taty aoriana aza nanao an'izay, ka nnafatra ahy mafy izy tsy hanaonao foana fa sarobidy hoy izy. Ary izany mahatonga azy maniry zaza mafy @zao angamba, izy rahateo koa tia ankizy be mihitsy.
Fa matahotra izy eo @présentation ako @fianakaviany izany tsy te hampalahelo azy ireo satria ny tena zafikeliny tsy notazominy dia izao «faux» no homeny azy ireo tahaka ny mirattraper azy ny fahadisoany taloha. Izay no antony lasa mampisy distance kely ny relation nay @zao satria tsy tehoteren'ny fotoana izy, ary tiany hoe ny fotoana ho avy no mamatotra anay sy ny fitiavana ra ha ilaina mitohy izany. Lasa tsisy resaka izany ilay fanambadiana. Ny fihaonana mbola namafisiny fa tiany haka rivotraany aminy aho fahasalamako izany. Saingy nanjary.nisy froideur kely izy eo @ fréquence sy rapidité anay miresaka an-tariby sns tsapako.
Ny tahotro dia sao miova hevitra tsikelikely izy nefa efa nifanaraka fa hifankatia sy hifanohana @fiainana ary tena azoko lazaina fa misy ny fitiavany fa matahotra ny fiovany tsikelikely aho.

Ahoana ny fiheveranareo ny issue n'ny tantaranay? Moa va tokony hanamboatra saina aho dieny izao sao misafidy ny fianakaviany izy finalement fa te hanome azy ireo «tena vinanto sy zafikely» ho azy ireo fa tsy izahay mianaka?
azafady fa lava ny soratro.
novalian'i 7777777 ny 22/02/2012 05:12
2. 7777777 ( 22/02/2012 05:12)
Ny ten tsara aloha ianao mihintsy no mieritreritra fa zanakao lay entinao,, ny tiako tenenina dia izao lay zanakao aloha eritreretina zay ahavitanao azy.Zanakao io ary ataovy ao antsaina fa tsy zanany io fa anao ary anao rery satria ny Rainy efa lasa;
Marina fa mifankatia nareo; eto an-tany tsy misy zava-bohary zan ka hoe tsy hiova zan mandra-pafatiny,, androany: ny olona manainky rapitso izy mivadika,, androany izy tia fa rahampitso izy mankahala nohon'ny fiovana misy ary tsy misy afaka manda an'zany oe izaho dia tsy hiova zan mihintsy fa zao fona;fehiny ny eny foana no mivadika ho tsia fa ny faharetany lay "eny" no tsy mitovy.
Ny hafatra fotsiny dia hoe mifanka-tia nareo dia tezaho ny sain'lay vadinao fa tsy fianakaviany no hahavita azy mandra-pafatiny ary ampatsiahivo azy foana fa nareo dia efa nifanainky ny hiaraka ary efa fantany ny marina,ary tsy noterenao izy hiaraka aminao,
Izay fa mahereza dia aza adino ny Mivavaka apetraho amin'Andriamanitra foana ny fiainana fa hevitra mitondra fiadanana ho anao izany fa tsy loza akory betsaka ny maniry zaza fa tsy mahazo nef ianao omeny dia isaory Anazy izany.Mirary soa e!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1633