MILAZA ny Bokin-tsarintany Momba ny Fivavahana Kri...

1. jajajaly ( 19/01/2012 14:00)
MILAZA ny Bokin-tsarintany Momba ny Fivavahana Kristianina Eran-tany (anglisy) fa efa ho 2300 tapitrisa ny Kristianina eran-tany, tamin’ny 2010. Milaza koa anefa izy io fa maherin’ny 41000 ny fivavahana misy azy ireo, ary samy manana ny fampianarany sy ny fitsipika arahiny ireo fivavahana ireo. Be dia be ary ny fivavahana milaza fa Kristianina, ka lasa mikorontan-tsaina sy diso fanantenana ny olona. Misy lasa saina hoe: ‘Tena Kristianina daholo ary ve izay milaza fa Kristianina?’
Fanontaniana napetrak'olona ka mba zaraina!
novalian'i jajajaly ny 20/01/2012 13:52
2. bichette ( 19/01/2012 15:55)
Ny baiboly ihany no mamaly azy :

Matio 7 :21 « Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. »
3. RBNIR ( 20/01/2012 06:26)
bichette:

Ny baiboly ihany no mamaly azy :

Matio 7 :21 « Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. »


Faly miarahaba ny rehetra indray,
Marina dia marina tokoa izany bichette.
Manentana an-tsika tsy hijery ny hafa afatsy ny tenan-tsika irery ihany.
Tena kristianina marina v aho?? Tanterako tokoa v izay nampianarin'i Jesosy Kristy Tompo?? Vitako ve ny sitrapn'ny Rainy??

Raha tsy nahavita, mbola tsy tara fa atolory ho Azy ny Tenanao (atolotra hanao izay Sitraky ny Fon'Andriamanitra rehetra na inona na inona tadiaviny): Izay ilay fiteny malaza averimberin-tsika hoe "fanoloratena".

Aza variana mijery ny hafa fa raha manana fotoana ianao dia diniho ny tenanao (sy ny ankohonananao satria manana adidy amin'ny ankohonana isika ray aman-dreny).

Na izany aza dia aza mijery arina an-tava fa raha hitanao kosa fa misy miaina amin'ny tsy fahamarinana dia torohy AM-PITIAVANA aminy ny marina mba hiovany.

Mahereza daholo, Aza misy mamitaka ny tenanay fa Izay manao ny Sitrapon'Andriamanitra ihany no hovonjen'i Jesosy Kristy Tompo rehefa ho avy indray Izy.

Samia ho tahin'ny Tompo daholo.
4. jajajaly ( 20/01/2012 13:52)
No Comment:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0558