Kaspersky internet security

1. rebiryx ( 19/01/2012 12:26)
Misy Kaspersky Internet Security 2011 sur CD code : NRPAD-28XTB-SX11S-8US2A, izay Nama novidina tao Tanà efa ho 8 volana izao. Natao ny installation tamin'ny ordi dia tsy nety fa mitaky an'izany région izany. Nanontany tany amin'ilay toerana nividianana azy dia notoroany hevitra hanoratra mivanatana tany amin'ny Kaspersky. Namaly ity farany dia narahina izay torohevitra nambarany saingy mbola nandamoka... Farany dia izao manontany anareo izao sao mba mahita vaha-olana fa tena sahirana be ny tena.
novalian'i ded.kitty ny 14/05/2012 01:47
2. sitlo ( 22/01/2012 03:14)
Voalohany aloha dia aza alefa amin'ny internet toy izao mihitsy ny CD code. Angatao amin'ny administrateur-n'ity forum ity hamafany azy. Ny antony mantsy dia sao ampiasain'olon-kafa.

Raha momba ny vahaolana indray dia tsy haiko tsara. Nanao google kely aho dia ity.
http://support.kaspersky.com/faq/?qid=208281133

Somary teknika be ka anontanio raha tsy azo.
3. ded.kitty ( 14/05/2012 01:47)
Copie piratée izany. Mety avy any Chine. Sarotra ny mandroba ny securité ny logiciel Kaspersky. Sady raha mitady fiarovana tokoa ianao, tsy azoko hoe inona no antony hividiananao azy any antsisiny fa tsy avy ao @ orinasa hipoirany. Mihevitra hoe mora kokoa ve? Aoka hazava aminao ny antony mahalafo an'io kokoa. Voalohany indrindra tsy hainao avy aiza io copie piratée io. Faharoa, mety nasian'ny pirate virus miaraka @ installeur, na ao anatin'ny code nampiasainy hamonoana ny securité an ilay logiciel. Raha fafany amin'izay ny disque dur nao, dia ataovy bye bye ny collection Ally Mc Tyana nangoninao am-pitiavana tao @ disque dur, miaraka @ sarin'ny vady aman-janakao. Dia hoatrinona tokoa moa izany no vidin'iny logiciel iny? Tsy aleonao mividy ny tena izy dia amin'izay mba mandry saina na fara faharatsiny afaka mitaraina @ mpanamboatra azy raha sendra ka misy manjo nohon'ilay logiciel?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6816