VAOVAO MATV 16 JANVIER 2012

1. rijadolly ( 16/01/2012 23:25)
Tsy mahagaga ary tsy vao izao no nandrenesana fa hiverina an-tanindrazana ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc, hoy ny filohan'ny fahefana avon'ny tetezamita Andry Rajoelina raha nitondra ny fomba fijeriny ny tenany.


novalian'i rijadolly ny 16/01/2012 23:34
2. rijadolly ( 16/01/2012 23:26)
Notsindrian'ny ankolafy Zafy androany fa tsy mihemotra amin'ny hetsika izay kasainy hatao, eny amin'ny kianjan'ny demokrasia eny Ambohijatovo izy ireo.


3. rijadolly ( 16/01/2012 23:26)
Manoloana ny fikasana hanatanteraka hetsika eny amin'ny kianjan'Ambohijatovo rahampitso, dia nitondra fanazavana ny jeneraly Richard Ravalomanana.


4. rijadolly ( 16/01/2012 23:27)
Niresaka ny fodian'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny toromarika kasain'izy ireo hatao amin'ny fanomanana izany fiverenan'ny filoha teo aloha eto an-tanindrazana izany, ny VOT androany.


5. rijadolly ( 16/01/2012 23:28)
Nanatanteraka fivoriambe ny sendikan'ny mpitsara malagasy androany. Hitohy ny fitakiana ataon'izy ireo ary tsy hisy araka izany ny service minimum.
6. rijadolly ( 16/01/2012 23:29)
Nivoaka tamin'ny fahanginany ny fikambanana Fifaba, ka nanameloka ny fanagadrana amin'ny tsy rariny ireo kaomisera ao Toliary.


7. rijadolly ( 16/01/2012 23:29)
Fitokanana foto-drafitr'asa maro loha no notanterahana tao Ankazobe, androany, ary natrehan'ny filohan'ny fahefana avon'ny tetezamita Andry Nirina Rajoelina izany.


8. rijadolly ( 16/01/2012 23:30)
Nisy androany ny fihaonan'ny tompon'andraikitry ny oniversite tamin'ny mpianatra.


9. rijadolly ( 16/01/2012 23:30)
Mbola mitohy ny fitokonan'ireo mpampianatra mpikaroka mivondrona ao amin'ny SECES. Hatreto raha ny fanamarihan'ny SECES dia mbola tsy nisy fifanatonana teo amin'izy ireo sy ny fitondram-panjakana.
10. rijadolly ( 16/01/2012 23:31)
Mbola tsy fotoana fanaovana fangatahana izao, ary misy ambadika politika ny hetsiky ny Seces, hoy ny CT Randrianasolo Nicolas.
11. rijadolly ( 16/01/2012 23:32)
Tokony handraisana fepetra ireo tompon'andraikitra taorian'ny filetehan'ilay sambo Elyzabeth I, ka namoizana ain'olona maro.


12. rijadolly ( 16/01/2012 23:33)
Tafiditra tanteraka ao anatin'ny vanim-potoana mahavitsy ny mpizahan-tany vahiny isika amin'izao. Raha ho an'ny eto amin'ny faritra Analamanga, dia misy fidinana hatrany amin'ny 50% ny taham-pahatongavan'izy ireny.
13. rijadolly ( 16/01/2012 23:34)
Manoloana ny voina izay nahazo ny fianakaviana 13 ao Ankorondrano Andranomahery izay may trano, dia nijery akaiky ny zava-misy sy nitondra fanampiana ho azy ireo ny ministry ny Mponina sy ny raharaha sosialy.


14. rijadolly ( 16/01/2012 23:34)
Nifamotoana tetsy Antsahamanitra omaly, ireo mpino nanatrika ny fotoan-dehibe izay nokarakarain'ny birao foiben'ny FJKM.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1722