TSY HIEMBOTRA MIHITSY NY ANKOLAFY ZAFY RAHAMPITSO 17/01/2012 EO AMBOHINJATOVO

1. rijadolly ( 16/01/2012 17:36)
16/01/2012 : Ankolafy Zafy : tsy maintsy misokatra Ambohijatovo

TSINDRIO ETO MISY VIDEO
«Tsy mihemotra ny Ankolafy Zafy Albert, eny Ambohijatovo ny fotoana rahampitso». Mahitsy toy izay ny valin-kafatra avy amin’ny Profesora sy ny mpanara-dia azy mikasika ny hetsika hataon’izy ireo rahampitso. Fanaterana fehezam-boninkazo ho fahatsiarovana ny nitokanana ny kianjan’ny demokrasia no hataon’izy ireo ary nanasany ny Malagasy tsy an-kanavaka sy ny tomponandraikitra eto amin’ny Firenena eny na dia ireo tsy nanome alalana azy ireo aza. Efa nambaran’izy ireo rahateo fa tsy ilana fangatahana fazahoan-dalana akory izany fa marikin’ny fifanajana no nanaovan’izy ireo taratasy ho an’ny tomponandraikitry ny tanàna.


Ny endrika fahatsiarovan izay karakarain’ny Ankolafy Zafy Albert rahampitso dia nambaran’izy ireo fa hanehoana amin’izao tontolo izao fa tsy mbola miaina anaty demokrasia ny vahoaka Malagasy. Nambaran’I Lalatiana Ravololomanana moa fa nentina hanjonoana ny mpanara-dia an’I TGV fotsiny no antony nanaovana an’Ambohijatovo ho kianjan’ny demokrasia tamin’ny 17 janoary 2009.

http://collectif-gtt.org/content/16012012-ankolafy-zafy-tsy-maintsy-misokatra-ambohijatovo
novalian'i pulm ny 18/01/2012 12:49
2. golem ( 16/01/2012 19:47)
merci e
3. rijadolly ( 16/01/2012 22:42)
Efa nahazo halalana tamin'ny 1er ministre Jean-Omer Berziky ny ankolafy Zafy na dia nahilikilikin'ny Maire sy ny préfet de polise izay samy niala bala ny fandraisana andraikitra hanome halalana aza. Etsy an-danin'izany nandaha mafy ny filohan' HAT.

Mafana ihany koa ny eo amin'ny Fitsarana mikasika ny raharaha Toliara izay nahafatezan' Rehavana M. izay tsy eken'ny FIFABA satria nisy araka ny filazany manamboninahitra tamin'io andro io tonga tany ihany koa izay tsy nisaraka tamin'izy ireo nefa ny talem-paritra sy ny kaomisera ihany no voatondro, tsy ekeny ny fanaovana sorona ny fitiavan-tseza ny zanany,ka mangataka ny Fitsarana izy ireo hamoaka ny tena marina.

Raharaha fitsarana ihany koa izay mbola mafana, Izay mitohy eo amin'ny raharaha CT Jao Jean. Tsy manaiky ny baiko sy fanerena izay atao'ny Mpitondra ny Mpitsara ny amoahana an'io CT io.

" Aoka izay ny fanaovana ny fitsarana fitaovana hoe izao atao dia izao atao, raha mivoaka Jao Jean dia hisy zavatra hipoaka HAFA koa eo. "
===> Karohan'izy ireo ny antony namonoana ny mpitsara Rehavana M ny 26,27 Janoary izao izay hiarahan'izy ireo amin'ny solotenam-panjakana. eo ambany ny fanarahamaso iraisam-pirenena


Mbola mihamafana ihany koa ny hetsiky ny mpianatra eny Vodivorona noho ny fahataran'ny taom-pianarana izay nanakan-dalana.

TSINDRIO ETO VAOVAO TVPLUS 16/01/12
4. rijadolly ( 16/01/2012 22:51)
Manaikitra ihany koa ny fahatampahan'ny Jiro sy ny Rano izay tena tsy fantatra marina ny antony hatramin'izao.

Mandondona ihany koa ny fiverenan'ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ato ato.


Mpangalatra izay ala-botry mihamitombo na dia efa maro aza ireo mitam-piadiana.


VAHAOLANA MAHARITRA: MIFANDRAISA TANANA, MIFAMELA FA SAMY NANAO NY TSY METY, AZA MANAMAFY FO.
5. andrywui ( 16/01/2012 23:09)
alao i zafy hamory olona eo ko maninn mou !!! ngah izy nanota otran'i dada mo ??? sady izy ve ahazaka olona 200 eo ?? tapaho io akihikeliko io raha miotry ny zato na dimapolo ambizato no eo
6. rijadolly ( 16/01/2012 23:55)
Aleo marina izay fotsiny ny olona tonga eo fa sao lazain'sasany indray hoe nozaraina 5.000Ar.
Raha mihaotra noho izay 200 izay moa no tonga eo dia miheritrereta ianareo...
7. pulm ( 18/01/2012 06:09)
ireny zany tsisy dimapolo ambizato? maninona raha tapahina @zay ny akihikelinao
sa mba manao fampanatenana poakaty tahakandry zalahy iany koa;ny tenenin'ny vava hafa lazain'ny tanana hafa puf.............
8. andrywui ( 18/01/2012 10:55)
pulm !! --- fantatro daholo ny membres undd zany fa olona mpandalo sy te hijery no betsaka teo fa rehefa nikonty ah de 85 no tena membres undd tonga teny ! de tsy adino koa ny mpamaky trano sy mpanao OPS sy ny OPK efa nieloelo teny
9. pulm ( 18/01/2012 12:49)
Ô ry akama! izao iany ange no mahasimba ny firenentsika e! efa hita fa tsy mety dia mbola hifikirana iany, za zao mino fa raha ianao no tonga eo @fitondrana dia midongy toerana eo foana enao, jerevo ny olona any ivelany, rehefa ita fa tsy mety ny ataony dia aleony miala (mba mahatsapa tena fa tsy manao bezizo be fotsinyeo) mba tonga saina @zay ry akama(sanatria anefa ny hiverina @dada)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0453