14/01/2012 VAOVAO MA-TV

1. rijadolly ( 15/01/2012 00:01)
Nandritra ny lanonana fiarahabana ny filohan'ny fahefana avo ny tetezamita mivady, androany, dia nanambara ny filoha Andry Rajoelina fa ho afahana ireo mpanao gazety izay nihoa-pefy, araka ny fangatahana nataon'ny solotenan'izy ireo.
répondu par rijadolly le 15/01/2012 00:09
2. rijadolly ( 15/01/2012 00:01)
Nilaza ny filoha Andry Rajoelina fa olana ikambanana ny olana misy eo amin'ny sehatra ara-toe-karena, ary hiaraha-manatratra ny tanjona, dia ny fanarenana ny toe-karena eto amintsika.
3. rijadolly ( 15/01/2012 00:02)
Nilaza ny filoha Andry Rajoelina fa olana ikambanana ny olana misy eo amin'ny sehatra ara-toe-karena, ary hiaraha-manatratra ny tanjona, dia ny fanarenana ny toe-karena eto amintsika.
4. rijadolly ( 15/01/2012 00:03)
Samy nanana ny heviny mikasika ny lahateny nataon'i filohan'ny fahefana avon'ny tetezamita sy ny solo-tenan'ny fianakaviamben'ny mpandraharaha ireo izay tonga nanome voninahitra sy nanotrona ny lanonana omaly hariva teny Iavoloha
5. rijadolly ( 15/01/2012 00:03)
Isany niarahaba ny filohan'ny fahefana avon'ny teteamita mivady ny mpanao zava-kanto. Ho azy ireo dia ny fanamafisana ny ady atao amin'ny famokarana sy ny fivarotana vokatra vita hosoka, izay mamono antoka azy ireo tanteraka, no nilan'izy ireo fiaraha-miasa amin'ny fanjakana.
6. rijadolly ( 15/01/2012 00:04)
Naneho hevitra manoloana ny raharaham-pirenena amin'izao fotoana izao ny vondrona politika UDR-C izay tarihin'andriamatoa Lahiniriko Jean. Nilaza izy ireo fa vonona handray anjara amin'ny fifidianana rehetra izay hotanterahana amin'ity taona ity.
7. rijadolly ( 15/01/2012 00:05)
Ny fifidianana irery ihany, hoy ny KMF-CNOE, no hahafahana miverina amin'ny ara-dalàna, mba hivoahan'ny firenena amin'ny krizy. Ary hampihenana ny hosoka amin'ny fifidianana dia teboka maromaro no takian'ny KMF-CNOE fa tokony apetraka sy tanterahana.
8. rijadolly ( 15/01/2012 00:06)
Kaominina 54 manerana ny nosy no mirotsaka amin'ny ady amin'ny herisetra. Anisan'izany ny kaominina Ambalavao, ao amin'ny distrikan'Atsimondrano, izay nanomboka ny fanentanana ny mponina ny alakamisy teo.
9. rijadolly ( 15/01/2012 00:06)
Tafiditra ao anatin'ny fankalazana ny herinandron'ny fahadiovana sy ny fahasalamana dia nisy ny fivoriana nokarakarain'ny kaominina Antananarivo renivohitra androany tao amin'ny kianja mitafon'ny Mahamasina.
10. rijadolly ( 15/01/2012 00:07)
Omaly no notanterahana ny lanonana fanolorana ny loka ho an'ireo 26 izay nandresy tamin'ny lalao Airtel Football Mania nokarakaraina nandritra iny volana desambra iny. Mbola mitohy ny lalao mandram-pizarana ny loka goavana.
11. rijadolly ( 15/01/2012 00:08)
Mbola tafiditra amin'ny fotoanan'ny fety sy fifampirariana soa noho ny taom-baovao isika amin'izao fotoana izao. Tamin'ity herinandro ity dia tsy vitsy ireo orinasa sy fikambanana no nanatanteka lanonana fifampiarahabana tratry ny taona.
12. rijadolly ( 15/01/2012 00:09)
Maro dia maro amin'izao fotoana izao ireo karazana voankazo amidy eny an-dàlana rehetra eny. Tsy vitan'ny mandravaka ny maso izy ireny fa manampy ara-pahasalamana ihany koa, raha voalanjalanja ny fihinanana azy.
13. rijadolly ( 15/01/2012 00:09)
SAmin'ny fomba hafa kely no nitondran'i Rakotojaona Jean Louis ny karazana sangan'asany izay ampirantiana etsy amin'ny AFT Andavamamba. Ireny antsoina hoe maquette ireny mantsy no vokariny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0782