VAOVAO MATV 13 JANVIER 2012

1. rijadolly ( 14/01/2012 04:51)
Taorian'ny ady hevitra teo amin'ny mpikambana ao amin'ny kongresin'ny tetezamita dia nolanian'izy ireo ny volavolan-dalana laharana 001/2012 mikasika ny CENI.
répondu par rijadolly le 14/01/2012 04:59
2. rijadolly ( 14/01/2012 04:51)
Nolavin'ny prefektoran' ny polisy ny fangatahan'ny ankolafy Zafy Albert hampiasa ny kianjan'Ambohijatovo hanamarihana ny fahatelo taonan'ny kianjan'ny demokrasia.
3. rijadolly ( 14/01/2012 04:52)
Mikasika ny fiverenan'ny filoha teo aloha dia nitondra ny heviny ny mpanolo-tsaina ny filohan'ny fahefana avon'ny tetezamita, Augustin Andriamananoro.
4. rijadolly ( 14/01/2012 04:53)
Nanome ny heviny mikasika ny kabary nifandimbiasana teny Iavoloha ny tale jeneralin'ny House of Madagascar, Tiana Andria
5. rijadolly ( 14/01/2012 04:54)
Nilaza ny ministry ny Fifandraisan-davitra, ny paositra ary ny teknolojia, Ny Hasina Andriamanjato fa manana andraikitra amin'ny fiaraha-miasa amin'ny CENI amin'ny fampiasana ny teknolojia vaovao hanamorana ny fanangonam-bokatra ny ministera izay tarihany.
6. rijadolly ( 14/01/2012 04:54)
Mbola lavitr'ezaka ny fametrahana ny fitoniana eto amin'ny firenena, hoy ny filohan'ny antoko Harena, Lezava Fleury.
7. rijadolly ( 14/01/2012 04:55)
«Tsy nanatanteraka ny andraikiny ny governemanta», hoy ny Seces, raha nitondra fanazavana mikasika ny antom-pisian'ny fitakiany ny filohany.
8. rijadolly ( 14/01/2012 04:56)
Manoloan'ny kabarin'ny filohan'ny tetezamita momba ny mety hisian'ny fampiakarana ny saran'ny vidin-jiron'ny JIRAMA amin'ity taona ity, dia manana ny ambarany ireo mpanjifa.
9. rijadolly ( 14/01/2012 04:57)
Mbola verezin'ireo firenena hafa i Madagasikara raha ny lafiny fifandraisan-davitra no resahana. Nitombo betsaka kosa anefa ny tahan'ny mpampiasa « téléphone » eto amintsika ka ny finday no maro an'isa amin'izany raha ny fanadihadiana natao.
10. rijadolly ( 14/01/2012 04:58)
ireo mpiasa efa tafaverina an-tanindrazana rehefa avy nila ravinahitra tany amin'ny firenen-ka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2247