11 JANOARY 2012 VAOVAO MATV

1. rijadolly ( 12/01/2012 09:14)
Nanomboka androany ny lanonana fifampiarahabana tratry ny taona, tetsy amin'ny lapam-panjakana Iavoloha. Anjaran'ny andrim-panjakana androany.
novalian'i rijadolly ny 12/01/2012 09:28
2. rijadolly ( 12/01/2012 09:14)
Manoloana ny fanambarana izay nataon'ny filohan'ny kongresin'ny tetezamita, Mamy Rakotoarivelo, dia nitondra ny heviny ny mpitandro filaminana.
3. rijadolly ( 12/01/2012 09:17)
Manana ny ambarany manoloana ny kabary tetsy amin'ny lapan'Iavoloha androany, ireo mpanao politika
4. rijadolly ( 12/01/2012 09:17)
Anisan'ny nitondra ny heviny mikasika ny kabary androany ihany koa Victor Manantsoa, mpikambana ao amin'ny governemanta Beriziky.
5. rijadolly ( 12/01/2012 09:18)
Anisan'ny naneho ny heviny ny minisitry ny Fampianarana, Manoro RĂ©gis. Nosoritan'ity mpanao politika ity fa mikaroka hatrany ny fametrahana ny fahatoniana ara-politika ny governemanta.
6. rijadolly ( 12/01/2012 09:19)
Tao anatin'ny kabariny dia niresaka ny lafiny toe-karena sy sosialy eto amin'ny firenena ny filohan'ny fahefana avon'ny tetezamita Andry Rajoelina.
7. rijadolly ( 12/01/2012 09:20)
Nangataka ny fametraham-pialan'ny ministry ny Vola sy ny teti-bola ny sendikan'ny mpampianatra mpikaroka. Naneho ny heviny mikasika izany ny minisitry ny Vola sy ny tetibola, Hery Rajaonarimampianina.
8. rijadolly ( 12/01/2012 09:21)
Nangataka fihaonana tamin'ny filohan'ny delegasionina manokan'ny tananan'Antananarivo andraony maraina, ny avy ao amin'ny ankolafy Zafy Albert.
9. rijadolly ( 12/01/2012 09:23)
Nisavorovoro ny tetsy Tsiazotafo androany tolakandro. Raha ny vaovao voaray teny an-toerana, dia nitrangana famonon'olona tao amin'ny efitrano fandraisam-bahiny iray.
10. rijadolly ( 12/01/2012 09:24)
Nanomboka androany ny fitokonan'ireo mpianatra eny amin'ny anjerimanontolo. Tokony hahatsapa tena ireo tompon'andraikitra sy ray aman-dreny mpampianatra izay fitaratry ny mpianatra, hoy izy ireo.
11. rijadolly ( 12/01/2012 09:25)
Sampana iray ao amin'ny ministeran'ny Fanabeazam-pirenena ny ONAPASCOMA izay mandray an-tanana ny mpianatra niharan-doza eny anivon'ny sekoly.
12. rijadolly ( 12/01/2012 09:25)
Ady tany 9 tapitrisa mahery no nidiran'ny ministeran'ny Mponina an-tsehatra ny taona 2011 teo. Isa izay tsy eken'ny ministeran'ny Mponina hitombo intsony, ka izay no nidinany tao amin'ny kaominina Bongatsara omaly.
13. rijadolly ( 12/01/2012 09:26)
Jerentsika an-tsary tsy an-kiteniteny ireo karazana akanjo nanaovan'ireo vahiny teny amin'ny lapam-panjakana tetsy Iavoloha.
14. rijadolly ( 12/01/2012 09:28)
Laharana faha-215 no hivoaka manomboka rahampitso amin'ny gazety Soa ka hanasana sahady antsika mpanjifa haka ny anjarantsika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9344