INO-VAOVAO? FAMINDRAM-PON’NY FILOHA : Fanenan-tsazy 3 volana ho an’ireo latsaky ny 65 taona

1. rijadolly ( 11/01/2012 15:50)
TAONA VAOVAO 2012
FAMINDRAM-PON’NY FILOHA : Fanenan-tsazy 3 volana ho an’ireo latsaky ny 65 taona



Nandritra ny lanonana fifampiarahabana tratry ny taona, natao teny Iavoloha ny alarobia teo, dia nisy ny fanomezan’ny Filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita, Rajoelina Andry fanalefahan-tsazy ho an’ireo voafonja (grace presidentiel). 11 janvier 2012

Ireo efa voatsara rehetra ka latsaky ny 65 taona amin’izao fotoana izao, dia mahazo fanalefahan-tsazy telo volana. Ireo mihoatra ny 65 taona kosa dia hahazo fahafahana tanteraka.

Ireo rehetra voakasiky ny heloka bevava tahaka ny famonoana olona sy fandri-pahana ain’olona dia tsy hahazo izany. Ireo voafonja efa voatsara noho ny raharaham-pitsarana tsotra ihany, araka izany, no hahazo tombony amin’ity fanenan-tsazy ity, raha ny nambaran’ny Filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita, teny Iavoloha.

Samy nahazo ny tandrify azy

Nandrandrain’ny maro tokoa ity kabarin’ny Filoha ity noho izao fahatrarana ny taona vaovao izao, ka samy niandry fatratra izay tandrify azy ny sokajin’olona rehetra. Raha izay ny amin’ireo olona voafonja, dia nahazo ny anjarany ihany koa ny mpiasam-panjakana sy ny miaramila. Nisondrotra ho 7 isan-jato ny karaman’ireo mpiasam-panjakana ambony indrindra ary hisondrotra hatrany amin’ny 15 isan-jato ny karama ambany indrindra.

Ho an’ny miaramila indray, dia mihatra amin’ity volana ity ny « retenu sur salaire ». Amin’ny maha tonon-taona ny andro, dia tsy nohadinoin’ny Filoha ihany koa ny nitanisa ny asa nisongadina tamin’ireo vita tamin’iny taon-dasa iny. Ny goavana indrindra amin’ireny dia ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa hahazoana soa iombonana, tahaka ny hopitaly manara-penitra sy ny trano fonenan’ny mpianatra manerana ireo faritra rehetra. Hopitaly CsbII 185 tamin’ireo 241 manerana ny Faritra ihany koa izao no efa misokatra.

Tojo R.
http://www.inovaovao.com/spip.php?article7212
novalian'i rijadolly ny 11/01/2012 16:17
2. rijadolly ( 11/01/2012 16:17)
PRAMINISITRA BERIZIKY OMER : « Ny fandraisana andraikitry ny rehetra no hivoahana amin’ ny krizy »


Nandritra ny fiarahabana ny Filohan’ny tetezamita mivady, noho ny taona vaovao, izay natao teny amin’ny lapam-panjakana teny Iavoloha, omaly, no nanambaran’ny Praiminisitra, Beriziky Omer, ny tokony handraisan’ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka andraikitra mba hiavoahana amin’ny krizy. 11 janvier 2012

« Tonga amin’ny kihon-dalana hivohana amin’izany ny Firenena amin’izao fotoana izao, ka tokony hiainga avy amin’ny tsirairay ny finiavana », hoy izy.

Ankoatra ny fiarahabana sy firarian-tsoa ho an’ny Filoha Rajoelina mivady sy ireo Andrimpanjakana rehetra dia noresahan’ny Praiminisitra nandritra ny lahateny nataony ihany koa ny mikasika ny raharaham-pirenena. Nisy ny jeritodika ireo zava-bita sy filazana ireo zavatra tokony hotanterahina amin’ity taona vaovao ity ka anisan’izany ny fanatanterahana ny fifidianana madio sy malalaka ary eken’ny rehetra mba hametrahana ny Fanjakana tan-dalàna.

« Heverina fa amin’ity taona ity no hamaranana ny tetezamita ka hametrahana ny Repoblika vaovao, izay fanamby lehibe hotanterahana amin’ity taona », hoy ny Praiminisitra Beriziky Omer. « Hitahy antsika anie Andrimanitra ka hanome fahasalamana, hery sy tanjaka ahafahantsika mantanteraka izany », hoy ihany izy.

Mandroso amin’ny fanata-nterahana ny tondrozotra isika izao ary efa tafatsangana ny Governemanta sy ny Filan- kevitra Ambonin’ny Tetezamita ary ny Kaongresin’ny Tete-zamita, izay nametrahana fitokisana mba hanatontosa ny adidy izay napetraka taminy. Mbola niantso ireo vondrona politika mbola tsy nanendry solontena ny Praiminisitra mba hanao izany. Mbola maro ny ezaka tokony hatao raha tsy hilaza afa-tsy ny fametrahana ireo rafitra rehetra izay voalazan’ny tondrozotra ka anisan’izany ny fananganana ny Ceni, ny fampijoroana ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy, izay antoky ny fampitoniana ary eo ihany koa ny Fametahana ny Filankevitra Ekonomika sy sosialy ary koltoraly.

Nambaran’ny Praimini-sitra Beriziky ihany koa fa efa tafatsangana eo anivon’ny Governemanta sy ny Andrim-panjakana amin’izao fotoana izao ny komity manokana misahana ny fanaraha-maso ny fampiharana ny tondrozotra. Efa napetraka ihany koa ny teti-andro amin’ny fanatanterahana ireo dingana samihafa rehetra ireo.

Izany rehetra izany anefa dia iarahana amin’ny Filohan’ny fahefana Avon’ny tetezamita, Rajoelina Andry, mba ho tongotra miara-mamindra sy soroka miara-milanja. « Entanina ny Andrimpanjakana rehetra mba hanamafy ny fiaraha-miasa ka tafiditra amin’izany ny fanamafisana ny fifandraisana amin’ny vondrona iraisam-pirenena izay hanampy antsika amin’ny famahana ny krizy », hoy ny Praiminisitra.

Tetsy ankilany ihany koa dia nohamafisin’ny Lehiben’ny Governemantan’ny firaisam-pirenena fa « tsy maintsy hisy ny ezaka atao mba hampizotra an-tsakany sy an-davany ny fiainam-pirenena indrindra eo amin’ny lafiny toekarena, sosialy, fifandraisana amin’ny mpiara-miombon’antoka ». Efa nisy, raha ny fanazavan’ny Praiminisitra ny fihaonana tamin’ireto farany. Mikasika izay indindra dia hanao fanambarana ny Praiminisitra ny 21 Janoary ho avy izao.

Nangonin’i Tiaray Rakoto
http://www.inovaovao.mg/spip.php?article7214
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6916