VAOVAO MATV 10 JANVIER 2012

1. rijadolly ( 11/01/2012 14:48)
Nanapa-kevitra ny sendikan'ny mpampianatra mpikaroka eny amin'ny fampianarana ambony na ny SECES nandritry ny filan-kevi-pirenena notanterahany androany fa haato tanteraka ny asam-pampianarana rehetra eran'ny oniversite enina eto Madagasikara.
novalian'i rijadolly ny 11/01/2012 15:22
2. rijadolly ( 11/01/2012 14:49)
Nihaona tamin'ny mpanao gazety androany ny terak'i Fianarantsoa. Nitaky ny tokony hisian'ny fanadihadiana manokana mikasika ny zava-nitranga tany amin'ny fonjan'ny Tsiafahy ary nahatonga ny tsy fahasalaman'ny lieutenant colonel Charles sy ny colonel Coutiti izy ireo.


3. rijadolly ( 11/01/2012 14:49)
Mbola nanamafy ny hirosoana amin'ny fihetsiketsehana ho fankalazana ny fahatelo taona nitakiana ny demokrasia ny ankolafy Zafy Albert, na mahazo alalana na tsia.


4. rijadolly ( 11/01/2012 14:53)
Ho an'ny filohan'ny MTS, Roland Ratsiraka, dia betsaka ny lesoka ao anatin'ny volavolan-dalana mikasika ny CENI izay dinihan'ny parlemanta, amin'izao fotoana izao.

5. rijadolly ( 11/01/2012 14:55)
Dingana lehibe ao anatin'ny fanatanterahana ny sori-dalana sy ny fifidianana ny fananganana ny CENI hoy Vaovao Benjamin, mpikambana ao amin'ny CST.


6. rijadolly ( 11/01/2012 14:56)
Ny fametrahana ny fahatoniana ara-politika no tokony ho laharam-pahamehana, alohan'ny hidirana amin'ny dingana hafa, hoy i Manoela Ralaimampisainarinony, mpikambana ao amin'ny CT, avy amin'ny ankolafy Ravalomanana.
7. rijadolly ( 11/01/2012 14:58)
Nitondra ny heviny mikasika ny fanarenana ny toe-karena amin'ity taona 2012 ity ny filohan'ny Antenimieran'ny Varotra sy ny Indostria an'Antananarivo.


8. rijadolly ( 11/01/2012 14:59)
Manoloana ny fahavakisan'ny fefiloha ao Antsampandrano, kaominina Ilafy, dia nidina teny an-toerana, nijery ifotony ny zava-misy, ny minisitry ny Fambolena, Ravatomanga Roland, niaraka tamin'ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny.


9. rijadolly ( 11/01/2012 15:00)
Anisan'ny mampitaraina ny mponina any Manakara ny fitrandrahana fasimainty tsy manara-penitra any an-toerana. Nitondra ny ahiahiny ny mponina ao an-toerana.
10. rijadolly ( 11/01/2012 15:01)
Olona iray indray no namoy ny ainy tamin'iny lalam-pirenena fahafito iny. Taxi-brousse Mazda no nifanoroka tamin'ny taxibe Mercedes 307, teo anelanelan'ny PK 18 sy 19, kaominina Bongatsara, androany maraina.

11. rijadolly ( 11/01/2012 15:02)
Tsy mazava ny tatitra mikasika ny nahafatesan'ilay tera-tany frantsay, hita faty tany amin'ny faritra Sofia, hoy ny CT Branco Nantenaina.
12. rijadolly ( 11/01/2012 15:03)
Mikatso tanteraka ny fitantanan-draharaha ao amin'ny kaominin'i Toamasina ankehitriny noho ny disadisa mikasika ny fanalana na tsia ny Pds Rakotovao Mariot. Nilaza ny heviny mikasika ity raharaha ity ny filohan'ny faritra Atsinanana, Alain Mahavimbina.


13. rijadolly ( 11/01/2012 15:06)
Nanomboka ny taona 2009 no nisy ny tetik'asa fanentanana eny anivon'ny sekoly momba ny fampiharana ny zon'olombelona. Nisy tamin'izany fitaovana isan-karazany izay mbola eny am-pelatanan'ny ministera ka miandry ny fotoana izay hanaparitahana azy.
14. rijadolly ( 11/01/2012 15:06)
Nontotosaina nanomboka androany ny ady hevitra lehibe mikasika ny anjara toeran'ny teny frantsay eto Madagasikara tetsy amin'ny Institut Français de Madagascar.


15. rijadolly ( 11/01/2012 15:07)
Natokana ho herinandron'ny fanadiovana ny tananan'Antananarivo renivohitra ity herinandro ity. Ankoatra ny tsena amin'ny ankapobeny dia maha saro-piaro ny kaominina ihany koa ny fahadiovan'ireny toeram-pisakafoanana maro samihafa ireny.
16. rijadolly ( 11/01/2012 15:22)
Isan-taona dia misy ny fanampiana izay tanterahan'ny Savonnerie Tropicale. Tsy mionona amin'izay fanampiana izay io orinasa io, fa misy ihany koa ny fiaraha-miasany amin'ireo sehatra isan-tsokajiny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0753