Cause raciale ??

1. AndriambyII ( 10/01/2012 21:20)
Aza kely vaika fotsiny rehefa nanomboka niresaka izany .Tsy kilalao akory ity fiainana ity ka azo hanaovanao kinanga . Jereo kely ny tabilao Decembre 2012 ! 7 003 638 758 olona mbola hanaovanareo kinanga ihany ???
novalian'i mankafy ny 12/01/2012 03:14
2. maxrazzi ( 11/01/2012 08:10)

Afaka miteny ve ianareo milaza ho tsy misy andriana izany intsony eto madagasikara fa hoe : tsy misy betsileo, sy sakalava sns intsony koa eto, satria ny teny merina no malagasy ofisialy ka tokony ho merina daholo izany. tadidio fa ho an'ny olona mianatra sy manampahaizana ny fisian'ny hoe andriana dia tsy fanohizana ny fitondrana andriana akory fa fitehirizana ny tantara sy fanohizana ny riba manohy ny ain'ny firenena iray. izay tsy mahalala sy tsy mahatakatra izany no andevozin'ny fahambaniantsaina.
3. galasm ( 11/01/2012 13:06)
aleo hivalona any izany resaka fihaviana izany ry maxrazzi an,fomba nentin'ny vozongo nampiady ny samy malagasy izany
4. mankafy ( 12/01/2012 03:14)

galasm:

aleo hivalona any izany resaka fihaviana izany ry maxrazzi an,fomba nentin'ny vozongo nampiady ny samy malagasy izany

azafady kosa aloha!!!!
efa nisy ny merina, sakalava, betsileo, antemoro, ante...izao sy izao talohan'ny nidiran'ny vazaha ary efa nisy ady nifanaovana. Fa raha miteraka olana izany de ny fandrindrana ny fiarahamonina no tokony hotadiavina, tsy misy olana tsy ahitana vahaolana.
fa ny manahirana lany andro manafosafo ny olana amin'ny hoe "iray ihany isika Malagasy" ny maro fa tsy sahy miatrika ny famahana io olana io. Fa mbola hiteraka zavatra tsy ampoizina ioa aoriana ao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0352