VAOVAO MATV 09 JANVIER 2012

1. rijadolly ( 10/01/2012 02:39)
NY LOHATENIM-BAOVAO MATV 10/01/12

1° Nanamarika ny valan-dresaka nataon'ny jeneraly Rakotoarimasy André Lucien, ministry ny foloalin-dahy ny mikasika ny raharaha Bani sy fign, nandritra ny valan-dreaska ho an'ny mpanao gazety nataony io tolakandro io. Noresahiny nandritra ny fotoana ihany koa ny mikasika ny raharaha Cosafam, ny fampiakrana grady, ankoatra ireo laharam-pahamehan'ny foloalindahy. Lova ramanantsoa sy mamy rasoanaivo.

2° Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy androany ny fotom-pivoriana tsy ara-potoana voalohan'ny kongresin'ny tetezamita. Himbahan-toerana mandritra ny fivoriana ny volavolan-dalana momba ny CENI no hodinihina mandritra izany. Ary ny zava-nisy teny amin'ny lapan'ny Tsimbazaza no entina amin'ity fanadihadihana manaraka ity.

3° Tsy maintsy atao ary tsy azo ialana ny fametrahana ny fahatoniana ara-politika ao anatin'izany ny famoahana ny gadra politika hoy ny praiminisitra Omer Beriziky. Kanefa tsy maintsy dinihina lalina ny fanatanterahana izany hoy ny praiminisitra.

4°Voasolo tena ary vory lanona teny amin'ny villa elizabeth avokoa ny mpanao politika malagsy rehetra omaly nandritra ny fifampiharahabana tratry ny taona nokarakrain'ny ray aman-drenoin'ny demokrasia, ny Pr azfy Albert. Nisy ny fanambarana mifandraika amin'ny toedrahrahram-pirenena, ka voalohany amin'izany ny mikasika ny tondro zotra. Lova ramanantsoa sy mamy rasoanaivo.

5° Manoloana ny fanambarana izay navoakan'ny profesora Zafy Albert omaly mikasika ny sori-dalana dia nitondra ny fijeriny andriamatoa Voninahitsy Jean Eugène, mpikambana eo anivon'ny kongresin'ny tetezamita. Fanazavana

6° Nanome ny heviny ny Pr Alain Tehindrazanarivelo, filohan'ny antoko Enina taorian'ny lahatenin'ny Pr Zafy Albert. Hoan'ity panao politika avy ao amin'ny hery afovoany ity tokoa, dia tokony haroso indray ny sosokevitra. Efa nisy tokoa ny boky navoaka mikasika ny vahaolana maharitra amin'izao krizy miverimberina eto amin'ny firenena izao, hoy izy. Lova ramanantsoa sy mamy raosnaivo.

7°Mirona mankay amin'ny faminaniana, dia ny fiakarany eo amin'ny fiftondrana amin'ny taona 2013, ny zava-misy ankehitriny, hoy ny pastora Mailhol. Nampiseho ny fahavononany hiatrika ny raharaham-pirnena tokoa ny pastora, amin'ny alalan'ny antoko GFFM, ary tsy matahotra ny hiatrika ny fifidianana. Lova ramanantsoa sy mùamy rasoanaivo.

8°Nanatanteraka fihaonana tamin'ny mpanao gazety io maraina io ny avy eo anivon'ny ministeran'ny filaminana anatiny ary anisany noresahana tao anatin'izany ny mahakasika ny raharaha Toliara. Mitohy araka ny nambaran'ny ministra misahana ny filaminana anatiny Rakotondrazaka Arsène ny famotorana ary polisy 14 hafa no antsoina atao fanadihadihana.

9°Mitohy ihany koa ny fanadihadihana mikasika ny raharaha baomba izay nitranga tetsy amin'ny banky BFV Antsakaviro ny herinandro lasa teo. Olona 4 ahitana mpiasa eo anivon'io banky io.

10°Raha omaly alina no niditra antanety ny rivo-doza Chanda dia manomboka miha levona izany androany raha ny nambaran'ny mpamantatra ny toetry ny andro.

11°Naneho ny heviny mikasika ny fitsanganan'ny Sendikan'ny Mpanao Gazety Malagasy ny Ministry ny Serasera Harry Laurent Rahajason. Mahafinaritra rehefa misy fandaminana raha ny voalazany, fa tsy tokony hatao hanakorontana kosa izany rafitra izany. Fanampim-panazavana.

12° Efa ampy izay hoy ireo mpianatra eny amin'ny anjerimanontolo ny fifampidinihana izay natao miaraka tamin'ireo tompon'andraikitra sy ireo mpampianatra mpikaroka ny momba ny famahana olana eny amin'ny oniversite ary hita fa tsy nahomby hatrany izany fifampidinhana izany ka noho izany dia nadray ny tandrify azy ireo mpianatra

13°Hankalaza ny jobily faha-150 taonany ny fiangonana FJKM Ankadivoribe Famonjena, kaominina ambanivohitra Soalandy, atsy ho atsy,koa asa aman'andraikitra maro no kasain'ny fiangonana iray manontolo sy ny zanaka am-pielezana hotanterahana manomboka izao mandram-pahatongavan'ny fotoanan'ny jobily, izay handraisana sy hitokanana indrindra izany asa rehetra izany. Ny andinindin'izany àry.

14° Namarana ny taom-pianarana ny Sehatra teolojika ho an'ny laika ao amin'ny fakiolten'ny teolojia etsy Ambatonakanga. Miisa 200 izy ireo no niatrika fanadinanana. Andanin'izay dia natao veloma tetsy amin'ny FJKM Antanimena Andrefana ny mpitandrina Cooper.
novalian'i rijadolly ny 10/01/2012 11:15
2. rijadolly ( 10/01/2012 10:40)
1° Nanamarika ny valan-dresaka nataon'ny jeneraly Rakotoarimasy André Lucien, ministry ny foloalin-dahy ny mikasika ny raharaha Bani sy fign, nandritra ny valan-dreaska ho an'ny mpanao gazety nataony io tolakandro io. Noresahiny nandritra ny fotoana ihany koa ny mikasika ny raharaha Cosafam, ny fampiakrana grady, ankoatra ireo laharam-pahamehan'ny foloalindahy. Lova ramanantsoa sy mamy rasoanaivo.


3. rijadolly ( 10/01/2012 10:42)
2° Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy androany ny fotom-pivoriana tsy ara-potoana voalohan'ny kongresin'ny tetezamita. Himbahan-toerana mandritra ny fivoriana ny volavolan-dalana momba ny CENI no hodinihina mandritra izany. Ary ny zava-nisy teny amin'ny lapan'ny Tsimbazaza no entina amin'ity fanadihadihana manaraka ity.
4. rijadolly ( 10/01/2012 10:45)
3° Tsy maintsy atao ary tsy azo ialana ny fametrahana ny fahatoniana ara-politika ao anatin'izany ny famoahana ny gadra politika hoy ny praiminisitra Omer Beriziky. Kanefa tsy maintsy dinihina lalina ny fanatanterahana izany hoy ny praiminisitra.
5. rijadolly ( 10/01/2012 10:47)
4°Voasolo tena ary vory lanona teny amin'ny villa elizabeth avokoa ny mpanao politika malagsy rehetra omaly nandritra ny fifampiharahabana tratry ny taona nokarakrain'ny ray aman-drenoin'ny demokrasia, ny Pr azfy Albert. Nisy ny fanambarana mifandraika amin'ny toedrahrahram-pirenena, ka voalohany amin'izany ny mikasika ny tondro zotra. Lova ramanantsoa sy mamy rasoanaivo.


6. rijadolly ( 10/01/2012 10:48)
5° Manoloana ny fanambarana izay navoakan'ny profesora Zafy Albert omaly mikasika ny sori-dalana dia nitondra ny fijeriny andriamatoa Voninahitsy Jean Eugène, mpikambana eo anivon'ny kongresin'ny tetezamita. Fanazavana
7. rijadolly ( 10/01/2012 10:49)
6° Nanome ny heviny ny Pr Alain Tehindrazanarivelo, filohan'ny antoko Enina taorian'ny lahatenin'ny Pr Zafy Albert. Hoan'ity panao politika avy ao amin'ny hery afovoany ity tokoa, dia tokony haroso indray ny sosokevitra. Efa nisy tokoa ny boky navoaka mikasika ny vahaolana maharitra amin'izao krizy miverimberina eto amin'ny firenena izao, hoy izy. Lova ramanantsoa sy mamy raosnaivo.
8. rijadolly ( 10/01/2012 10:52)
7°Mirona mankay amin'ny faminaniana, dia ny fiakarany eo amin'ny fiftondrana amin'ny taona 2013, ny zava-misy ankehitriny, hoy ny pastora Mailhol. Nampiseho ny fahavononany hiatrika ny raharaham-pirnena tokoa ny pastora, amin'ny alalan'ny antoko GFFM, ary tsy matahotra ny hiatrika ny fifidianana. Lova ramanantsoa sy mùamy rasoanaivo
9. rijadolly ( 10/01/2012 10:53)
8°Nanatanteraka fihaonana tamin'ny mpanao gazety io maraina io ny avy eo anivon'ny ministeran'ny filaminana anatiny ary anisany noresahana tao anatin'izany ny mahakasika ny raharaha Toliara. Mitohy araka ny nambaran'ny ministra misahana ny filaminana anatiny Rakotondrazaka Arsène ny famotorana ary polisy 14 hafa no antsoina atao fanadihadihana.
10. rijadolly ( 10/01/2012 10:54)
9°Mitohy ihany koa ny fanadihadihana mikasika ny raharaha baomba izay nitranga tetsy amin'ny banky BFV Antsakaviro ny herinandro lasa teo. Olona 4 ahitana mpiasa eo anivon'io banky io.
11. rijadolly ( 10/01/2012 10:57)
10°Raha omaly alina no niditra antanety ny rivo-doza Chanda dia manomboka miha levona izany androany raha ny nambaran'ny mpamantatra ny toetry ny andro.
12. rijadolly ( 10/01/2012 10:58)
11°Naneho ny heviny mikasika ny fitsanganan'ny Sendikan'ny Mpanao Gazety Malagasy ny Ministry ny Serasera Harry Laurent Rahajason. Mahafinaritra rehefa misy fandaminana raha ny voalazany, fa tsy tokony hatao hanakorontana kosa izany rafitra izany. Fanampim-panazavana.
13. rijadolly ( 10/01/2012 11:11)
12° Efa ampy izay hoy ireo mpianatra eny amin'ny anjerimanontolo ny fifampidinihana izay natao miaraka tamin'ireo tompon'andraikitra sy ireo mpampianatra mpikaroka ny momba ny famahana olana eny amin'ny oniversite ary hita fa tsy nahomby hatrany izany fifampidinhana izany ka noho izany dia nadray ny tandrify azy ireo mpianatra


14. rijadolly ( 10/01/2012 11:14)
13°Hankalaza ny jobily faha-150 taonany ny fiangonana FJKM Ankadivoribe Famonjena, kaominina ambanivohitra Soalandy, atsy ho atsy,koa asa aman'andraikitra maro no kasain'ny fiangonana iray manontolo sy ny zanaka am-pielezana hotanterahana manomboka izao mandram-pahatongavan'ny fotoanan'ny jobily, izay handraisana sy hitokanana indrindra izany asa rehetra izany. Ny andinindin'izany àry.
15. rijadolly ( 10/01/2012 11:15)
14°Namarana ny taom-pianarana ny Sehatra teolojika ho an'ny laika ao amin'ny fakiolten'ny teolojia etsy Ambatonakanga. Miisa 200 izy ireo no niatrika fanadinanana. Andanin'izay dia natao veloma tetsy amin'ny FJKM Antanimena Andrefana ny mpitandrina Cooper.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1921