VAOVAO MA-TV 07 JANVIER 2012

1. rijadolly ( 08/01/2012 02:02)
Hifampitaona ao Afrika Atsimo rahampitso ny lohandohan'ny mpisorona sy tompon'andraikitra amin'ny krizy misy eto amintsika.Voaasa hanatrika ny faha-100 taonan'ny ANC izy 4 mirahalahy mpitarika ankolafy.


novalian'i rijadolly ny 08/01/2012 02:12
2. rijadolly ( 08/01/2012 02:03)
Hodinihana amin'ny fotoam-pivoriana tsy ara-potoanan'ny parlemanta manomboka ny herinandro ambony ny fananganana ny CENI. Ilaina hoy Olivier Rakotovazaha ny hisian'ny fitoniana ara-politika mialohany hirosoana amin'izany.


3. rijadolly ( 08/01/2012 02:04)
Manoloana ny fananganana ny CENI dia nilaza andriamatoa Cyril Rasambozafy, fa tokony ny hery politika rehetra no voasolotena ao anatin'ny CENI. Everiny ihany koa fa tsy ampy ny fametrahana ny CENI.


4. rijadolly ( 08/01/2012 02:06)
Nijoro ny sendikan'ny mpanao gazety eto Madagasikara. Nandritra ny fivoriambe izay notanterahana androany tetsy amin'ny sekoly Sainte Famille Mahamasina no nandaniana izany.


5. rijadolly ( 08/01/2012 02:07)
Mbola any amin'ny lakan-dranon'i Mozambika ilay faritra andro ratsy ka mbola hitohy araka izany ny orana saika manerana ny nosy indrindra ny amin'iny ilany afivoany andrefana iny nosy. Ho an'Analamanga dia mbola hitohy ny andro manjombona sy ny orana.
6. rijadolly ( 08/01/2012 02:08)
Raha ny vinavina, dia hihendanja hatrany ny Ariary raha hoharina amin'ireo vola vahiny, mandritra ity taona 2012 ity. Voalaza ao anatin'ny teti-bolam-panjakana 2012 fa 2,2% ny fihenan-danjan'ny Ariary raha oharina amin'ny DTS ary ho 3,2% raha oharina amin'ny Dolara.
7. rijadolly ( 08/01/2012 02:09)
Ho fahatsiarovana ireo niaram-boina tany Soanierana Ivongo ny 28 aogositra 2011 dia nisy ny fotoam-pivavahana izay notontosaina tetsy amin'ny CC ESCA androany maraina.Nomena voninahitra manokana moa ireo namoy ny ainy.


8. rijadolly ( 08/01/2012 02:10)
Taorian'ny voina nahazo ny fianakaviana 20 avy amin'ny fokontany Belanitra Ankadikely Ilafy, dia tonga nizarana fanomezana ho azy ireo androany, ny ankolafy Ravalomanana. Vary, savony ary akanjo fitafy no nozaraina tamin'izany.
9. rijadolly ( 08/01/2012 02:11)
Ny komity mikarakara ny asa sosialy eny amin'ny fokontany Ambohitrakely dia nanolotra fanomezana hoan'ireo mponina sahirana eny an-toerana. Hatao fanao matetika ny hetsika tahaka izao araka ny voalaza.


10. rijadolly ( 08/01/2012 02:12)
Na dia efa ny taona 1995 aza no nijoro ny antoko mpihira «Fahazavana» eo anivon'ny Ekar Saint Laurent Alasora dia tamin'ity 2012 ity vao namoaka ny rakikira nampitondraina ny lohateny «Tompoko sy Andriamanitro».


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1921