VAVAO MA-TV 06 JANOARY 2011
1. rijadolly
(
06/01/2012 02:27)
Nisahotaka ny teny Antsakaviro io tolakandro io. Nisy olon-tsy fantatra nanatitra fonosana nisy baomba vita gasy. Nitaky ny handoavana 20 tapitrisa Ariary ilay tompon'antoka raha tsy izany dia hapoakany ny baomba. Tonga teny an- toerana ireo manampahaizana avy amin'ny tafika malagasy namaha ny olana.
novalian'i rijadolly ny 06/01/2012 02:57
2. rijadolly
(
06/01/2012 02:50)
Aharitra 4 andro be izao ny lanonana hiarahabana ny filohan'ny tetezamita Andry Rajoelina sy ramatoa vadiny noho ny fahatratrarana ny tonon-taona. Io no tapaka tao amin'ny filankevitry ny ministra omaly.
3. rijadolly
(
06/01/2012 02:50)
Amin'ny maha-ray amandrenin'ny eto amin'ny firenena azy, dia hiroso amin'ny fifampirarian-tsoa ny filoha teo aloha, Zafy Albert. Tsy nanavahana an'iza na iza ny fanasana.
4. rijadolly
(
06/01/2012 02:51)
Nanangana antoko politika ny pastora Mailhol. Nampitondraina ny anarana hoe "Gideona Fandresena ny Fahantrana eto Madagasikara " izany. Tsy misy hifandraisana velively amin'ny fivavahana izy ity.
5. rijadolly
(
06/01/2012 02:51)
Niantso amin'ny fahendrena sy ny fitoniana ny jeneraly Ramakavelo, taorian'ireo disadisa nisy tao anivon'ny foloalindahy. Nanome ny heviny ihany koa ity mpikambana ao amin'ny filankevitra ambonin'ny tetezamita ity mikasika ny fivoriana tsy ara-potoanan'ny parlemanta.
6. rijadolly
(
06/01/2012 02:52)
Notolorana mari-boninahitra ny solotenan'ny UNICEF eto Madagasikara Bruno Maes. Handao an'i Madagasikara ny lehilahy ary maro rahateo ny zava-bitany teto amintsika.
7. rijadolly
(
06/01/2012 02:53)
Tsy ahitam-bahaolana hatramin'izao ny fitokonana ataon'ireo mpampianatra mpikaroka eny amin'ny Anjerimanotolo.Araka ny fehin-kevitra taorian'ny fivorian'izy ireo dia mitohy ny fitokonana.
8. rijadolly
(
06/01/2012 02:56)
Misy faritra andro ratsy, ahiana hivadika ho rivo-doza amin'izao fotoana izao ao amin'ny lakandranon'i Mozambique. Araha-maso akaiky ny fivoaran'izany.
Taorian'ny fetin'ny Noely sy ny taom-baovao dia nambaran'ireo tompon'andraikitra ao amin'ny sampana fanadiovana ny renivohitra fa efa eo am-panatanterahana ny asa izy ireo.
Mitana ny laharana faha-2 i Madagasikara eto amin'izao tontolo izao, raha ny aretina pesta no resahana. Nosokafana io maraina io, tetsy amin'ny Institut Pasteur etsy Avaradoha ny atrikasa ho fanamafisana traikefa mikasika ny pesta.
Taorian'ny fetin'ny Noely sy ny taom-baovao dia nambaran'ireo tompon'andraikitra ao amin'ny sampana fanadiovana ny renivohitra fa efa eo am-panatanterahana ny asa izy ireo.
Mitana ny laharana faha-2 i Madagasikara eto amin'izao tontolo izao, raha ny aretina pesta no resahana. Nosokafana io maraina io, tetsy amin'ny Institut Pasteur etsy Avaradoha ny atrikasa ho fanamafisana traikefa mikasika ny pesta.
9. rijadolly
(
06/01/2012 02:56)
Efa nilaza ny governemanta amerikana fa handray anjara betsaka eo amin'ny fiarovana ny zava-boary eto Madagasikara. Ho fampiroboroboana ity sehatra ity dia hisy ny hetsika ho fanomezan-danja ny valan-javaboary ao Ranomafana.