VAOVAO MA-TV 31 DEC 2011

1. rijadolly ( 02/01/2012 04:21)
Na dia efa misy aza ny fepetra vonjimaika noraisin'ny ministeran'ny fitsarana dia mbola maro ireo raharaha samihafa tanterahana eo anivon'ny tribonaly no mikatso tanteraka amin'izao fotoana izao noho ny fitokonan'ny SMM.


novalian'i rijadolly ny 02/01/2012 04:27
2. rijadolly ( 02/01/2012 04:22)
Manainga ireo mpiasan'ny fitsarana ny ministry ny fitsarana handraisan'izy ireo ny asany amin'ny ampahany ho fitsinjovana ny maha olombelona. Betsaka ireo olona voampanga tazonin'ireo mpitandro filaminana nefa misy fetrany izany, hoy izy.


3. rijadolly ( 02/01/2012 04:23)
Tambin-karama 13 volana no mbola tsy azon'ny mpiasan'ny fokontany 192 ato anaty ny kaominina Antananarivo renivohitra hatramin'izao. Mitaraina izy ireo ary mitaky fandraisan' andraikitra.


4. rijadolly ( 02/01/2012 04:23)
Azo lazaina ho fahombiazana teo amin'ny tontolo politika ny taona 2011, hoy Naivo Raholdina, mpikambana ao amin'ny CST. Ho an'ny Pr Jean Marcel Ramiandrisoa, avy ao amin'ny ankolafy Zafy Albert kosa, dia tsy mbola milamina mihitsy ny firenena.


5. rijadolly ( 02/01/2012 04:24)
Natao sonia tao amin´ny efitrano malalaky ny faritra Atsinanana, ny fiarahamiombon'antoka ho amin'ny 4 taona manaraka eo amin´ny faritra Atsinanana sy ny région Basse Normandie any Frantsa.


6. rijadolly ( 02/01/2012 04:25)
Tany amin'ny faritr'i Toamasina ihany no tra-tehak'ireo mpitandro ny filaminana ny mpamosavy iray izay saika hisavily mpiambina tao amin'ny seranam-piaramanidina Ambalamanasa.


7. rijadolly ( 02/01/2012 04:27)
Namita iraka tany Brickaville sy tany Vatomandry kosa Ravatomanga Roland, minisitry ny fambolena. Ireo dia distrika 2 manana ny maha-izy azy eo amin'ny sehatry ny famokarana.Tanjona ny fijerena ireo mpamokatra.


Toy ny fanaon'ny fokontany Antanandrano dia misy ny fanolorana sakafo sy vatsy ho an'ireo mponina ao aminy. Amin'ny fetin'ny fahaleovantena sy ny faran'ny taona no fanatanterahana izany.


Nahazo anjara tamin'ny fanampiana izay efa nanomboka ny fetin'ny krismasy lasa teo, avy amin'ny mpikambana ao amin'ny kongresin'ny tetezamita, ireo zokiolona ao amin'ny firaisana fahefatra.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2388