Hono wa
1. Enry
(
01/01/2012 16:18)
Rehefa avy naleo tena i mada. Mba hitanareo milay ve le politikany Madagascar hatram'izao??
novalian'i njrtkr ny 02/01/2012 21:03
2. rijadolly
(
02/01/2012 17:09)
Tsy tsara satria mbola eo foana ilay firenena tsy maty voalavo an-kibo
3. njrtkr
(
02/01/2012 20:37)
rijadolly:
Tsy tsara satria mbola eo foana ilay firenena tsy maty voalavo an-kibo
Marina izany satria hatramin'izao isika dia efa misy tetibola mihitsy any hanaramana mpanimba ny fitondram-pirenena izay tsy ahazahoan'ilay tsy maty voalavo an-kibo tombotsoa.
Ny mampalahelo anefa dia tsy tonga saina amin'izany mihitsy ireo tsy matahotody mety hovidiny amin'ny vola izay tsy mahavita ny fiainany akory fa vao maika manimba ny firenena sy ny taranany akory aza.
4. njrtkr
(
02/01/2012 21:03)
Miresaka isika hoe ny gasy aty ivelany tokony hanampy e! Na koa hoe ny fanabiazana aty an-toerana no tokony hamafisina e! Na koa hoe hanangana organisation aho rehefa tonga any Dago hanavotana ny gasy e!sy ny sisa sy ny sisa.
Izany rehetra izany anefa dia ataoko fa fikasana hanao zavatra tsara daholo satria mampalahelo ny manjoa ny malagasy.
Ho afaka mankaiza moa isika raha fehezin'ny firenena vaventy izay mifandray volo ngita ary mifanaraka sy mizara ny firenena madinika ho mpamelona azy.
Ataoko fa samy mahatsapa isika rehetra fa firenena manankarena tsy toko tsy forohana i Madagasikara ary izany no mampifikitra ilay tsy maty voalavo an-kibo tsy hamela antsika hiala amin'ny fangejany ary izay tahirimbola ataony hanaramana ny mpanimba ny fitondrana dia tsy misy dikany miohatra amin'ny harenantsika malagasy izay ho azony amin'ilay sarimpitondrana apetrany eo.
Jereo fotsiny ilay nitrandrahany ny chromita atsy Andriamena izay notrandrahiny efa ho 60 taona mahery izao nefa dia mbola misy foana ny fitohizan'izany antsokosoko satria azony ao ny volamena ny varahina ny vatosoa isankarazany izay tsy lazaina amintsika mihitsy.
Ka hoy aho hoe : Mifohaza ry Malagasy havako. Indrindra ireo izay mety hokaramainy amin'ny fitiavankely tsy mitondra mankaiza.
Diniho tsara ilay ohabolana manao hoe " NY VY NAHATAPAKA NY HAZO ANIE KA NY HAZO NIANDANY TAMIN'NY VY E". Iny famaky iny tsy hahavaky kitay mihitsy na hahatapaka ny hazo raha tsy ny zarany hazo izay miaraka aminy.
Koa mieritrereta ry mpitondra miandany amin'ny mpanarama anareo.Izay maty eritreritra mody tsy mahita ny fijaliambahoaka izay tsarovy fa hanody anareo sy ny taranakareo.
Fa ity tany ity anie ka masina e! Indrindra i Madagasikara nosimalalantsika.
Ireo madinika ireo anie ka mba nofo sy ra toa anareo ihany saingy madinika tsy afa manoatra nadia mba hitsimpona ny latsaka avy eny amin'ny latabatrareo fotsiny aza!