VAOVAO TVPLUS 30 DEC 2011, VAOVAO MA-TV 30 DEC 2011

1. rijadolly ( 31/12/2011 01:43)
VAOVAO TVPLUS 30 DEC 2011 http://blip.tv/tv-plus-madagascar/vaovao-du-30-desambra-2011-5855494


novalian'i rijadolly ny 31/12/2011 02:28
2. rijadolly ( 31/12/2011 01:46)
VAOVAO MA-TV 30 DEC 2011

Efa nahitam-bahaolana ilay tany misy ny fokontany Ankorondrano atsinanana araka ny nolazain'ny filoham-pokontany. Tsy voalaza tokoa izany omaly noho ny fisian'ny korontana. Araka ny fanazavana voaray ary, dia nisy ny fepetra noraisina.


Nanao fidinana teny Ankorondrano Atsinanana Atoa Alain Ramaroson, mpikambana ao anivon'ny CST, no sady filohan'ny komity fiarovana ihany koa. Tanjona ny fijerena akaiky sy fanohanana iero mponina ao an-toerana.


3. rijadolly ( 31/12/2011 01:49)
Nanao tatitra mikasika ny toedraharaham-pirenena i Me Hanitra Razafimanantsoa, mpikambana ao amin'ny CST misolo tena ny ankolafy Ravalomanana. Maha-diso fanantenana ny zava-misy, satria dia tsy mivaha ny toedraharaham-pirenena noho ny tsy fisian'ny finiavana politika.


4. rijadolly ( 31/12/2011 02:15)
Nivoaka tamin'ny fahanginany ny ankolafy Zafy Albert, ka niroso tamin'ny jery todika mikasika ny toedraraham-pirenena. Isan'ny voatanisa nandritra ny fotoana ny tsy fanatanterahana amin'ny laony ny tondro zotra sy ny fiaraha-monina amin'ny ankapobeny
5. rijadolly ( 31/12/2011 02:16)
Vahinin'ny fampahalalambaovao andrimatoa Georges ERNOULD Andrianarinosy. Izy moa dia tompon'andraikitra ambony teto amin'ny firenena ary niara niasa akaiky tamin'ny filoha teo aloha Zafy Albert.


6. rijadolly ( 31/12/2011 02:19)
FIFAMOIVOIZANA


Ho fandaminana ny fifamoivoizana eto amin'ny renivohitra sy ny manodidina mandritra ny fetin'ny faran'ny taona ity dia misy ny fanamafisana ny asa izay ho tanterahin'ireo mpitandro ny flaminana.



7. rijadolly ( 31/12/2011 02:21)
Notanterahina androany ny fanompoam-pivavahana fanolorana ny faritr'Antananarivo renivohitra hoa n'i Kritsy. Tamin'ny 10 desambra lasa teo no tokony natao izany saingy noho ny antony tsy nahazoana toerana ho amin'izany dia voatery nahembotra.


8. rijadolly ( 31/12/2011 02:22)
TOEKARENA

Madiva hivalona ny taona 2011. Niroso tamin'ny jery todika mikasika ny lafiny ara-toekarena sy sosialy Atoa Tiana Andria. Tsy dia namiratra loatra ny firenena, hoy ity manampahaizana ity.


9. rijadolly ( 31/12/2011 02:28)
Mpanjifa 10 androany no notoloran'ny orinasa Hery Kintana loka rehefa nahazo tamin'ny lalao Tombola Indomie. Fivahiniavana makany Bangkok moa no loka goavana tamin'izany.



Tsy vitsy amin'ireo olona no misafidy ny hivoaka any ivelan'ny tokatrano mandritra ny alin'ny 31 desambra. Ato anatin'ity fanadihadiana ity no hanomezana soso-kevitra amin'ireo toerana izay manomana hetsika goavana


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2216