VAVAO MA-TV 29 DEC 2011

1. rijadolly ( 30/12/2011 01:06)
Hanorana ny andro mandritra ny fetin'ny faran'ny taona, araka ny nambaran'ny fizahana ny toetr'andro etsy Ampasampito. Etsy andanin'izany, misy faritra andro ratsy miforona ihany koa ao amin'ny ranomasimbe indiana.


Nitombo isa indray ireo olona tsy hita popoka vokatr'ilay loza naharendrika ny sambo Elisabeth I tany Vinanivao, 220 km miala an'i Antalaha, ny alin'ny alatsinainy lasa teo. Lasa tafakatra 38 izany raha toa ka 20 tany am-piandohana.


Rava ho azy ny fivoriana teo amin'ny fokonolona sy ny sefo fokontany, izay notanterahana io tolakandro io tetsy amin'ny fokontany Ankorondrano Atsinanana. Tsy tapitra akory ny fampivoriana izay nataon'ny sefo fokontany dia nampiseho ny hatezerany ny fokonolona.


novalian'i rijadolly ny 30/12/2011 01:16
2. rijadolly ( 30/12/2011 01:06)
Manoloana ny tsy mbola fahazoan'izy ireo fahafam-po mikasika ny raharaha Toliara, dia nilaza ny hanao fanambarana goavana ny sendikan'ny mpitsara eto Madagasikara. Ho an'ny polisim-pirenena kosa, dia milaza izy ireo fa tokony efa hilamina ny raharaha
3. rijadolly ( 30/12/2011 01:08)
Mpangalatra roa lahy no saron'ny zandarimariam-pirenena eny Ankadikely tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity. Izy mirahalahy ireto dia avy nangalatra moto teny an-toerana, niaraka tamin'ny fitaovam-piadiana tsy nahazoana alalana.


Ny fetin'ny faran'ny taona tahaka izao no betsaka ny lozam-pifamoivoizana mitranga. Matetika dia noho ny tsy fitandremana izy ireny. Manao antso avo ho an'ny tsirairay mba ho malina sy hitandrina ary indrindra hanaja ny làlàna mifehy ny fifamoivoizana ny ministeran'ny Fitaterana.


4. rijadolly ( 30/12/2011 01:08)
Voafaritra ao anaty ny soridalana fa anisan'ny dingana manaraka tokony hirosoana ny fananganana ny CENI sy ny CRN. Ho fanatanterahana izany sy ahafahana miroso amin'ny fifidianana, dia tsy azo ialana ny fanatanterahana fivoriana tsy ara-potoana ho an'ny parlemanta.
5. rijadolly ( 30/12/2011 01:09)
Nivoaka tamin'ny fahanginany ireo fikambanan'ny taranak'Andriana. Nanambara izy ireo, fa be loatra ny zavatra tsy mandeha amin'ny tokony ho izy eto amin'ny firenena, amin'izao fotoana izao.


6. rijadolly ( 30/12/2011 01:16)
Notontosaina androany ny fanokanana ny toerana lehibe voalohany filalaovana teatra eny Atsimondrano, izay natao ho an'ireo mpianatra momba ny sampana sosialy. Tsy ireo mpianatra ihany no hahazo anjara amin'ny fampiasana izany fa misokatra ho an'ny rehetra ihany koa ny toerana.


Niroso tamin'ny fanatsarana ny fitaovana informatika, entina manatsara ny fampianarana eo aminy ny ESCAME. Izany no natao dia mba hanatsarana ny tanjon'ny sekoly, ny hanolotra fampianarana manara-penitra ho an'ny tanora malagasy.


Ny volana Desambra no azo lazaina ho volana safidian'ny olona hanorenana tokantrano. Raha ho an'ny eo anivon'ny boriboritany faha-4 manokana, dia maherin'ny 160 isan-taona ny isan'ireo mpifankatia misora-panambadiana ao an-toerana rehefa volana Desambra tahak'izao.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1772