VAOVAO MATV 28 DEC 2011,

1. rijadolly ( 29/12/2011 09:46)
Namoaka ny fanapahan-keviny momba ny fampidirana ho lalam-panjakana ny tondrozotra ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana, na ny HCC. Mitondra ny heviny Atoa Honoré Rakotomanana, izay filohan'ny HCC teo aloha.


2. rijadolly ( 29/12/2011 10:01)
Tafavoaka ihany ny karaman'ireo mpiasa miisa 317 misahana ny fifandraisana amin'ny andrim-panjakana nandritry ny 8 volana


3. rijadolly ( 29/12/2011 10:02)
Feno 39 taona ny MFM ny 27 Desambra lasa teo. Manoloana izay, dia manazava ny toerana misy ny antoko ny mpikambana manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny.


4. rijadolly ( 29/12/2011 10:12)
zava-bita 1 volana sy ny zavatra jerena ny taona 2012 Ministerana ny asam-panjakana sy ny lalana sosialy Tabera RANDRIAMANANTSOA.



Manoloana ny fiakatry ny vidim-bary tato ho ato, dia nanamafy ny filohan'ny kaomisiona misahana ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra fa ny voka-bary eto Madagasikara no midina.


5. rijadolly ( 29/12/2011 10:17)
Nanatanteraka fihetsiketsehana manoloana ny biraon'ny fokontany Ankorondrano Atsinanana ny fokonolona eny an-toerana io tolakandro.


6. rijadolly ( 29/12/2011 10:19)
Ny fanaovana tomban'ezaka ireo zava-bita eto amin'ny fari-piadidian'ny fahasalamam-bahoaka Analamanga no niompanan'ny fivoriana izay notanterahana androany.


Efa misy eto amintsika izao ny fampiofanana ho an'ireo izay hiasa eo amin'ny tontolon'ny antontanisa. Zava-dehibe eo amin'ny firenena iray ny fananana antontanisa samihafa, ahafahana mandray fanapahan-kevitra sy mametraka paikady samihafa ho fampandrosoana ny firenena.


Fotoana mampandeha ny fivarotana ireo fitaovana fanamafisam-peo, ny fahitalavitra sy ny sisa, ny vanim-potoana toy izao. Ny mpivarotra toan'ny Naza Electronique dia manana fitaovana avo lenta mifanaraka amin'ny filàn'ny mpanjifa, amin'ny vidiny tsy manan-tsahala.


7. rijadolly ( 29/12/2011 10:20)
Notanterahana omaly sy androany tetsy amin'ny kianjan'ny Esca Antanimena ireo lalao famaranana eo amin'ny sokajy rehetra, amin'ilay fifaninanana baolina kitra « Tournoi de Noël » karakarain'ny klioban'ny Esca Foot.


Toy ny isaky ny alakamisy, dia hivoaka rahampitso ny gazety Soa laharana 213 izay farany amin'ny ity taona ity fa voalohany kosa ho an'ny taona 2012.
8. foroyarpower ( 29/12/2011 10:29)
Thank you
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2294