VAOVAO MA-TV 27 DEC 2011

1. rijadolly ( 28/12/2011 01:59)
Niakatra fampanoavana teny Anosy androany ireo polisy 11 voarohirohy amin'ny raharaha Rehavana Michel, tany Toliara. Nisy ireo naiditra am-ponja vonjimaika. Teo koa ireo nahazo fahafahana.


2. rijadolly ( 28/12/2011 02:01)
Manoloana ny fanambarana izay navoakan'ny teo anivon'ny ministeran'ny Fitsarana omaly, dia nitondra ny heviny ny avy eo anivon'ny fivondronamben'ny mpiasam-panjakana ambony.


3. rijadolly ( 28/12/2011 02:02)
Manoloana ny raharaha izay mampifanolana ny mpitsara sy ny polisy, dia nilaza ny heviny andriamatoa Betiana Bruno, mpikambana ao amin'ny filankevitra ambonin'ny tetezamita.


4. rijadolly ( 28/12/2011 02:06)
Tatsy amin'ny nosy Maurice no nosafidian'ny filohan'ny fahefana avon'ny tetezamita mianakavy nankalazana ny Noely. Tsy nisy anefa ny fampahafantarana izay diany tany ivelany izay.
5. rijadolly ( 28/12/2011 02:07)
Manamafy ny ankolafy Zafy fa raha tsy tomombana ny fametrahana fitoniana eto amin'ny firenena ary koa ny fitsinjarana mitovy ny fahefana, dia mampiato ny fandraisany anjara ao amin'ny rafitra tetezamita izy ireo.

6. rijadolly ( 28/12/2011 02:08)

Nankatoavin'ny fitsarana avon'ny lalampanorenana, omaly, ny tetibolam-panjakana 2012, izay nohamarininy fa mifanaraka amin'ny lalampanorenena.
7. rijadolly ( 28/12/2011 02:11)
Mahadiso fanantena ny indostria malagasy ny fepetra ao anatin'ny Code des Douanes 2012, izay toa zary manome vahana ny orinasa vahiny ary mamono ny indostria malagasy, hoy Atoa Thierry Ramaroson.


8. rijadolly ( 28/12/2011 02:12)
Androany, dia nisy ny fihaonana tamin'ny mpanao gazety izay notanterahan'ny minisitry ny Angovo. Nandritra izany no nitondrany ny tomban'ezaka mahakasika ny JIRAMA.


9. rijadolly ( 28/12/2011 02:14)
Sekolim-panjakana ambony voalohany nisy teto Madagasikara ny ENAM, na ny Ecole Nationale de l'Administration de Madagascar. Nanao jery todika ny 51 taona izay nodiavin'ny sekoly ny tale jeneraliny, Rajaonarivelo Thégène.


10. rijadolly ( 28/12/2011 02:15)
Notontosaina androany maraina ny famindram-pahefana teo amin'ny tale taloha tao amin'ny INFP, na ny Institut National de Formation Pédagogique, sy ny tale vaovao.

11. foroyarpower ( 29/12/2011 10:30)
very nice the first one keep it up
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.311