VAOVAO MA-TV 26 DEC 2011

1. rijadolly ( 27/12/2011 01:58)
Nihaona tamin'ny mpanao gazety io atoandro io ny procureur de la République sy ny procureur général. Nampafantarin'izy ireo nandritra izany fa nanomboka nandray ny antonta-taratasy avy amin'ny zandary sy ny polisy ny eo anivon'ny fampanoavana eto Antananarivo, ny zoma lasa teo.


Raha tokony hanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety androany tolakandro ireo tompon'andraikitra ao amin'ny polisim-pirenena, dia nofoanana tamin'ny ora farany izany.


Tsy tokony halana eo amin'ny toerany ny minisitry ny Fitsarana, izay nahavita ny adidiny ara-dalana hatrany, hoy ny talen'ny kabinetra eo anivon'ity ministera ity.


Mbola tsy hita ilay satro-boninahitra ary araka ny nambaran'ny minisitry ny Kolontsaina sy ny Vakoka, Elia Ravelamanantsoa, dia misy fiatoana kely ny fanadihadihana mikasika iny raharaha iny.


Tokony ho laniana mialohan'ny volana Janoary 2012 ny lalàna mifehy ny fifidianana raha toa mikasa ny hanatanteraka izany amin'iny taona mitsidika iny isika.


Tsy tokony hisy fifidianana tanterahana raha tsy tafapetraka ny fahatoniana politika eto amin'ny firenena. Io no nambaran'ny Me Willy Razafinjatovo, na Olala, raha nilaza ny heviny mikasika ny fifidianana izy.


novalian'i rijadolly ny 27/12/2011 02:11
2. rijadolly ( 27/12/2011 02:07)
Andro lehibe ho an'ny mpino kristianina ny andro omaly, satria andro nanamarihana ny nahaterahan'i Jesoa Kristy Tompo. Roa arivo taona aty aoriana, dia mbola makotroka hatrany ny fankalazana io andro lehibe io.


Mbola zava-dehibe ho an'ny mpino kristianina ny fankalazana ny alin'ny 24 Desambra. Saika nikarakara hetsika avokoa ny fiangonana io alin'ny 24 Desambra io.


Nitrangana disadisa tetsy amin'ny fiangonana METM Betela Fitiavana Avaradoha, omaly, noho ny fanalana ny mpitandrina ao an-toerana. Nizara roa ary ny mpino ao an-toerana. Tao ny nivavaka tao am-piangonana ary tao ny nisafidy ny niavavaka teny an-tokontany.


Niavaka ny fankalazana ny Noely tao amin'ny firaisana faharoa, satria dia hetsika maro no notanterahana tao ny faha-24 sy 25 Desambra lasa teo.


3. rijadolly ( 27/12/2011 02:11)
Tsy nisy ny olona tojo fanapoizinana ara-tsakafo raha ny tao amin'ny sampandraharaha mikarakara izany ao amin'ny HJRA. Nisy kosa anefa ireo izay nikasa hamono tena, na ireo izay nisotro zava-pisotro misy alikaola be loatra nandritra ny Noely.


Tsy dia nisy taxi-brousse niasa firy omaly fa samy nanao fety ny rehetra. Ny zoma sy sabotsy nialohan'ny Noely teo kosa anefa, dia betsaka, nitombo mihitsy aza, ny mpandeha nankany amin'ny faritany.


Tsy afa-misaraka amin'ny fety ny karazana zava-pisotro. Arahantsika anatin'ity fanadihadiana manaraka ity ny tsenan'ny zava-pisotro nandritry ny faran'ny herinandro nankalazana ny Noely.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2123