VAOVAO MA-TV 23 DEC 2011
1. rijadolly
(
24/12/2011 02:03)
Ireo nanao heloka bevava 49 no nalefa eny anivon'ny fitsarana rehefa avy notanana teny anivon'ny zandarimaria raha ny fanazavana netin'ny jeneraly Ravalomanana Richard.
novalian'i rijadolly ny 24/12/2011 02:17
2. rijadolly
(
24/12/2011 02:17)
Ny tombontsoa an'i Madagasikara eo amin'ny lafiny ara-politika sy ara-toekarena ihany koa no noresahana betsaka nandritra ny dian'ny minisitry ny Raharaham-bahiny Pierrot Rajaonarivelo tany Torkia farany teo.
Misomebiseby tsy misy ohatry izany ny olona teny an-tsena nandritra ity herinandro ity. Samy manana ny tadiaviny ireo mpiantsena, fa raha ny tazana dia anisan'ny be mpividy ny resaka akanjo.
Raha tsy nandray karama nandritry ny valo volana ny mpiasa eo anivon'ny ministeram-panjakana misahana ny fifandraisana amin'ny andrim-panjakana, dia mivaha izany olana izany ankehitriny.
Nahatsiaro ireo ankizy sahirana etsy amin'ny fokontany Ankorondrano Atsinanana ny groupe WM tamin'ity androany, toy ny efa fanaony isan-taona rehefa mialohan'ny fetin'ny krismasy tahaka izao. Nisy ary ny fanomezana ho an'ireo ankizy 64 tena sahirana ao amin'ny fokontany.
Androany no nisafidian'ny fianakaviamben'ny fiadidian'ny fahefana avon'ny tetezamita, nankalazana ny Noely, teny Ambohitsorohitra. Tetsy andanin'izay,dia nisy ihany ny fety natao ho fankalazana ny Noely tetsy amin'ny kaomandin'ny zandarimariam-pirenena faritra Analamanga.
Betsaka amin'ireo sekoly no mikarakara fety entina hamaranana ny telo volana voalohany sady efa tafiditra ihany koa amin'ny fetin'ny Noely.
Tsy latsa-danja amin'izany ihany koa ny tetsy amin'ny sekoly Les Lutins. Ho azy ireo, dia omaly no nanamarihana ny fetin'ny Noely sy ny famaranana ny telo volana voalohany.
Io maraina io no notanterahana tetsy amin'ny foibe Ankorondrano ny fanolorana ny loka ho an'ireo izay nahazo tamin'ny lalao Fun Quizz 6 izay nokarakarain'ny Airtel Madagascar.
Mitsinjo hatrany sy hanampy ireo marefo ny Croix Rouge, ka izany indrindra no nahatonga ny sampana Croix Rouge District II hanantanteraka hetsika ho an'ny olona 100 avy amin'ny fokontany 24.
Tsy diso anjara tamin'ny fampifaliana ireo mpiasa ao aminy sy ny fianakaviany ny ministeran'ny Raharaham-bahiny. Fety sy fizarana no niarahana noho ny Noely.
Tanteraka tao amin'ny kaominina Manakara ny fanentanana nataon'ny tily eto Madagasikara sy ny Water Aid manodidina ny fanasana tanana sy ny fampiasana ny lavapiringa ary ny rano fisotro madio.