HJRA

1. fanour ( 23/12/2011 04:56)
Mampalahelo rey olona rehefa tsy manam-bola eto amin'ny Hopitalim-panjakana ah!!! Aiza ve ka olona efa hita marary zao dia andrasana @ taona vao2 vao afaka hodidiana satria hono ny Dokotera mbola hanao fety ny bloc opératoire ko hono mbola mihidy ??? Zany v tsika no mbola hanangana Hopitaly manaram-penitra??? Ny eo ary tsy voafehy??? Tsy ny eo ihany no eo??? Tena tokony hieritreritra ny Fanjakana mahefa an!D rehefa hita le olona hoe andeha hifindra Hopitaly hafa afaka handidy avy hatrany d mody lazaina hoe "misy toerana malalaka" nefa nge ao mbola misy olona hafa efa ho efa-bolana ts voadidy fa mipetraka fotsiny ao eh!!!Ao koa zao misy an'reny olona tratran'ny lozam-pifamoivoizana t@ilay Boeing farany teo mbola tsy karakaraina mihintsy satria ts manam-bola.
novalian'i jesuisla ny 29/01/2012 16:37
2. ziva6 ( 23/12/2011 15:27)
mampalahelo é, misy fiten-tsika zay hoe aza mba marary ihany!
fanour:

Mampalahelo rey olona rehefa tsy manam-bola eto amin'ny Hopitalim-panjakana ah!!! Aiza ve ka olona efa hita marary zao dia andrasana @ taona vao2 vao afaka hodidiana satria hono ny Dokotera mbola hanao fety ny bloc opératoire ko hono mbola mihidy ??? Zany v tsika no mbola hanangana Hopitaly manaram-penitra??? Ny eo ary tsy voafehy??? Tsy ny eo ihany no eo??? Tena tokony hieritreritra ny Fanjakana mahefa an!D rehefa hita le olona hoe andeha hifindra Hopitaly hafa afaka handidy avy hatrany d mody lazaina hoe "misy toerana malalaka" nefa nge ao mbola misy olona hafa efa ho efa-bolana ts voadidy fa mipetraka fotsiny ao eh!!!Ao koa zao misy an'reny olona tratran'ny lozam-pifamoivoizana t@ilay Boeing farany teo mbola tsy karakaraina mihintsy satria ts manam-bola.
3. nilex ( 09/01/2012 10:32)
ka ny hopitaly manara-penitra nge tsy hoe hampivoatra ny hopitaly e fa propagandy fotsiny io satria ny hopitaly efa misy aza tsy vitan'ny fanjakana koa maika fa hisy vaovao indray.
Tsy dia miraharaha olona loatra tokoa ny ao amin'ny HJRA ao raha vao tsy mahalala dokotera ianao.Na ireny infirmiere ireny aza tsy mijery anao izany raha tsy tolorana kely matetika.Mampalahelo e.
4. jesuisla ( 15/01/2012 14:55)
misy fona ny olana eo @ zavatra tsirairay, na inona izany, na inona izany. Anjaran'izay sendra olana no mamaha olana. Izaho aloha dia mampitandrina ny rehetra, fa mitondra dictaphone sy appareil photo aho. Raha tratrako dia any amin'ny tribunal isika no mifanazava. Misaotrô.
5. fanour ( 16/01/2012 03:54)
Tsara ary marina avokoa izany teninareo rehetra izany eh! Kanefa kosa nge ny Dokotera dia efa nanao voady hanasitrana ny olona rehetra eh fa tsy ny olom-pantatra na ny olona mahafantatra ihany akory, izany hoe: natao hanasitrana ny vahoaka rehetra izy matoa miasa @ Hopitalim-bahoaka eh! Fa ny fahavoazan'ny mpitsabo eto amintsika dia tia vola loatra eh!
6. jesuisla ( 16/01/2012 16:03)
Olona ny Dr, ary mety ho poritra sy tsy afaka. Raha atao rotoroto ny asany dia mety ho faty ilay marary. Faharoa, sarotra ny miasa na manao zavatra tsy misy fitaovana. Mahavita mahandro tsy misy vilany sy fatana v ianao? Dia aleo tsy manao. Izay no fahazoako ny toeran'ny Dr eto Mada.
7. jesuisla ( 16/01/2012 16:07)
Saingy tokony hisy ihany ny fifampiresahana eo @ tsirairay sy ny fifanajana. Zava-dehibe ireo. Fototra iangan'ny zavatra rehetra ireo. Rehefa foana ireo dia mikorontana ny zavatra rehetra aorian'ireo, na inona izany na inona.
8. hery ( 18/01/2012 07:25)
Na dia ny ain'olona aza ao amintsika dia atao fitaoovana politika
9. fahamarinana ( 19/01/2012 09:44)
Mampalahelo marina ny zava-mitranga! Ilay Dr tsy afaka mbola leoko fa tokony hoe hisy solony kosa! Ilay bloc mihidy no dia mahazendana, aza marary amin'iny fotoana iny zany no heviny! Hafa dia hafa tokoa ka !
10. jesuisla ( 19/01/2012 16:30)
maro ny manararaotra ny fahantran' gasy, @ fomba isankarazany. tsy manana zo hiteny ny Dr hoe aza marary @ fotoana iny. Izay no antony hitondrako apparil photo sy dictaphone rehefe miditra birao. F izaho d tsy manava na iza na iza, fa rehefa hananako porofo, d toriako ho tsy ho mpiasa birao itsony.
11. fahamarinana ( 23/01/2012 18:47)

jesuisla:

F izaho d tsy manava na iza na iza, fa rehefa hananako porofo, d toriako ho tsy ho mpiasa birao itsony.

Efa nahatratra ve Jesuisla dia nanao ahoana ny valiny ?
12. jesuisla ( 24/01/2012 20:03)
ny efa hitako d noroahin'ny fokon'olona, ary nafindra faritany.
Any ambanivohitra d manambana basy lay mpitsabo. Indrindra fa raha tsy manaraka ny sainy ny vehivavy mandeha ao aminy.
13. jesuisla ( 24/01/2012 20:05)
fa raha ny ratsy rehetra no avela hisy sy hanjaka, dia aleoko miara-miaina amin'ny akoho. Tsy mieritreritra afa tsy ny mihinana sy ny matory
14. jesuisla ( 29/01/2012 16:37)
Tsy hoe miandry nona vao mahandro, na miandry porofo vao hitady hevitra.

Ny antony tsy handroahana ny mpiasam-panjakana d satria b d b ny vola tsy maintsy omena azy (droit d licenciement). Nefa raha nanota-fady lay mpiasa, k nigadra d hoafaka @ asany izy. Az manao an'andriamanitra tsy misy, sy mihevitra f mbola ho ela b ny rahapitso.

Ataovy amiko, d ho hitanareo eo ny tohiny. Misangy aminareo manko aho.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2955