VAOVAO MA-TV 22 DEC 2011

1. rijadolly ( 23/12/2011 02:25)
Nitondra ny fomba fijeriny ireo raharaha mavaivay eto amin'ny firenena ny filohan'ny fahefana avon'ny tetezamita Andry Nirina Rajoelina, androany.


Polisy 12 mianadahy aloha hatreto no voarohirohy amin'ilay famonoana mpitsara tany Toliara, taorian'ny famotorana savaranonando niandraiketan'ny « commission mixte », izay nandray an-tanana ny fanadihadiana.


Ny sendika tsirairay mivondrona ao amin'ny vondron'ny sendikan'ny mpiasam-panjkana ambony, dia samy nanao hetsika ho fanairana ny fitondra androany.


novalian'i rijadolly ny 23/12/2011 02:41
2. rijadolly ( 23/12/2011 02:41)
Nitondra ny heviny mahakasika ny olana misy eo amin'ny sehatra samihafa eto amin'ny firenena ny F3M, na ny Fiaraha-Mientan'ny Mpiasam-panjakana malagasy, izay manohy hatrany ny fitakiany.


Ankoatra ny Kolonely Charles izay nentina notsaboina tao amin'ny HJRA, andro vitsy lasa izay, dia fantatra fa anisan'ireo manana olana ara-pahasalamana ihany koa ny Lietna Kolonely Coutiti Assolant.


Nampahafantarina tamin'ny mpanao gazety omaly ny fitsanganan'ny Fikambanana ivondronan'ny parlemantera TIM teo aloha, izay mitondra ny anarana hoe « Rassemblement des anciens parlementaires ».


Notanterahana androany teny Anosiala Ambohidratrimo ny andiany voalohany amin'ny fisarihana ireo izay hahazo ny « Trano mora ».


Fandaharan'asan'ny fitondram-panjakana malagasy araky ny fanamby napetraky ny fahefana avon'ny tetezamita izay notanterahan'ny primatiora lefitra misahana ny fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany ny « Trano mora ».


Anisan'ny gazety namaky lay ny fanabeazana ara-pananahana ny MIDI Flash-midi mailaka. Androany no nanamarihana ny dimy taona nisian'ny gazety ka lanonam-pianakaviana no nentina nankalazana izany.


Ny solika izay anisan'ny vokatra stratejika iankinan'ny andavanandrom-piainan'ny mponina. Nambaran'ny minisitry ny solika androany, fa ampy ny tahirin-tsolika ary tsy tokony hisy ny ahiahy amin'ny famatsiana izany mandritra fety.


Mba hiatrehan'ny malagasy iray manontolo am-pilaminana ny fetin'ny krismasy sy ny taom-baovao, dia polisy 350 ary no fantatra fa hiandraikitra izay fandriampahalemana izay mandritra ny fetin'ny Noely sy ny faran'ny taona.


Ilain'ny rehetra ho fantatra ny mety ho toetry ny andro amin'ny vanim-potoanan'ny fety, satria misy amin'ireo fianakaviana no misafidy ny hivoaka ny trano ary hisintaka amin'ny mahazatra .


Toy ny ankizy rehetra mahazo fanomezana avy amin'ny Dadabenoely rehefa fetin'ny krismasy, dia tsy diso anjara tamin'izany ihany koa ireo zanaky ny mpiasan'ny minisiteran'ny Toe-karena.


Entina hamalifaliana ireo ankizy marary tsaboina etsy amin'ny Pédiatrie Befelatanana, dia nisy androany ny hetsika ara-tsosialy izay notanterahan'ny minisiteran'ny Mponina, miaraka amin'ny mpianatra etsy amin'ny Lycée Français Ambatobe.


Ankizy 934 zanaky ny mpiasan'ny minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena no notoloran'ny minisitera kilalao sy vatomamy amin'izao fahatongavan'ny fetin'ny Noely izao.


Efa saika miditra anatin'ny fotoam-pialantsasatry ny Noely avokoa ny sekoly ankehitriny. Raha ny omaly ohatra, dia nankalaza ny fetin'ny krismasy ireo mpianatra ao amin'ny sekoly Rasalama.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.06