VAOVAO MATV 17 DEC 2011,

1. rijadolly ( 18/12/2011 04:43)
VAOVAO MATV 17 DEC 2011



Mbola tsaboina etsy amin'ny HJRA Ampefiloha hatrany ny Lieutenant-colonel Charles Andrianasoavina. Mitaky ny fandefasana azy ho tsaboina any ivelany ny manamboninahitra namany sy ny fianakaviany.


Na dia navoaka aza ny gadra politika miisa 09 tamin'ny herinandro lasa teo, dia heverin'ny fikambanan'ny gadra politika fa tsy ampy izany ary tsy hitondra fitoniana ara-politika araka ny voafaritry ny sori-dalana.


Misy indray ny fandrarana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana iditra eto Madagasikara na NOTAM izay nivoaka ny alakamisy teo araka ny vaovao avy amin'ny ankolafy Ravalomanana. Mitsipaka izany izy ireo.


Efa miasa ny vaomiera iombonana misahana ny fanadihadiana momba ny raharaha Toliara raha ny nambaran'ny praiministra Omer Beriziky. Tsy maintsy ho faizina hoy izy, ireo izay nandika lalàna.


Anisany nanamarika ity herinandro ity ny fifanolanana teo amin'ny sendikan'ny mpitsara sy ny avy eo anivon'ny polisim-pirenena. Manoloana izay dia nitondra ny heviny ny avy eo anivon'ny antoko Harena.

novalian'i rijadolly ny 19/12/2011 18:14
2. rijadolly ( 18/12/2011 04:47)
Mitotaly 150 tapitrisa Ariary ny tetibidin'ny fotodrafitrasa izay notokanana omaly tao ami'nny oniversiten'i Mahajanga. Nitokana izany tany an-toerana, ny filoha Andry Rajoelina.


Niova endrika ny fitaterana etsy Ambodivona satria nozaraina mari-pamantarana ireo «guichetier» sy «aide guichetier» ary ny «bagasiste». Mpiasa manodidina ny 310 no nahazo izany.


Anisany mampikaika ny rehetra ny fitoanan'ny fiara rehefa amin'ny vanim-potonan'ny fety toy izao. Fantatra fa misy ny drafitra ho fandaminana ny fifamoivoizana izay entin'ny fiadidiana ny tananan'Antananarivo.


Nanolotra fanomezana ho an'ireo ankizy sahirana eny Isoavimasoandro ny fikambanana Canaan androany maraina tetsy amin'ny tranon'ny fikambanan'ny zokiolona etsy Isoavimasoandro.


Navoaka tamin'ny fomba ofisialy androany ny andiany faha-02 amin'ny departemantan'ny « formation à distance » eo anivon'ny UPRIM izay nisalotra ny anarana «EZAKA».


Manomboka rahampitso ny fiaraha-mikorana goavana izay ho tanterahin'ny fiangonana FJKM Analamahitsy ka hisy araka izany ny diabe izay ho tanterahin'ireo mpino kristianina.


3. andrywui ( 19/12/2011 17:36)
o ry hery a !! mba asio maso ihany ny olona otrandry rija dolly itony amin'ny seza ato amin'ny serasera ato fa tena dynamique be amn fomba fiasa!! tsy mitandro hasasarana mandefa ny vaovao ho an'ny pokona eran'izao tontolo zao mahita ity forum ty !!! omeo chevalier izy ry hery aa !bravo rijadolly amle vaovao a !! tena lasanao ny prix nobel ,nioaranao ravatofototra mdr

merci e !!
4. bor2lais ( 19/12/2011 17:48)
Izaho koa aloha dia mankasitraka an'i Rijadolly amin'izao fizaram-baovao ataony izao e ! :-)
5. rijadolly ( 19/12/2011 18:14)
Doka izany marina.
Raha mbola afaka manao aloha dia manao fa rehefa tsy hafaka kosa atao ahoana e! Tsy hoe maharesy an' Vatofototra aho akory, fa kosa manampy azy aza mba tsy ho izy irery no mampita amintsika ny vaovao, dia mangataka ny hafa koa mba hifanome tanana e!
Ny tena Tanjona angamba dia ny tsy hisian'ny fahatarantsika ny vaovao mandeha sy ny tsy fialana ato amin'ty serasera mamitsika ary hafa noho ny hafa ity. Isaorana tanteraka Hery afahana mi-sera e!

Aza miala amin' serasera.org e!


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2944