raha tsy nanota i adama sy eva
1. rekinbelo
(
10/12/2011 14:44)
Raha tsy nanota i adama sy eva, dia nanao ahoana ny fiainantsika olombalona teto an-tany?
raha ny lazain'ny baiboly no jereko aloha dia lasa paradisa ny tany ary feno ny taranak'izy ireo salama sy tsy narary na maty ity tany ity ary feno fahafinaretana lavitra tsy araka ny itantsika toy izao ankehitriny izao.
Tsy nisy nifandrirotra resaka finoana sy fiangonana toy izao ny olombelona fa niaina mapiadanana. Tsy nidina tety an-tany akory i Jesosy Kristy nandamina ny fomba tokony iainany zanak'olombelona fa niaina nafinaritra isika.
Ny iverenan'izany izao no faniriantsika rehetra rehefa tonga indray i JK hamerina @ laoniny ny zavatra rehetra.

novalian'i rijadolly ny 25/12/2011 03:00
2. miarana
(
19/12/2011 20:26)
naninona tokoa moa raha tsy nisy ny ratsy ?
« Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah. » (Isaia 55:8)
« Ry malala, ankehitriny aza dia zanak'Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa. » (1 Jaona 3:2)

3. taxerick
(
20/12/2011 00:35)
ny fahotana raha ny fandiniako ny baiboly dia tsy nanomboka t@ Adama sy Heva fa nanomboka t@ satana nivadika t@ ANDRIAMANITRA.marina mitsy ny hoe:raha tsy miverina i JESOSY KRISTY tsy hiverina @ taloha ny fianan'ny olombelona;fanmarihana kely Miarahana a!mety @ao ve raha tsy afohezina ny anaran'i JESOSY KRISTY?
4. rekinbelo
(
22/12/2011 14:36)
ka io fanontaniana fototra io no itondrana ny fototry ny finoana rehetra kanefa maro no tsy mijery izay satria manjary miozongozona ny finoany no itany fa tsy mitombina ilay fampianarana atolotra azy any @ fiangonana misy azy dia tsy avoitra mihitsy io faniontaniana io eo @ fampianarana.
5. Miharena
(
23/12/2011 07:05)
Raha toa ka tiana tokoa ny hiala amin'ny fampianaran'i Satana dia ny fisainana manavaka ny hoe ratsy ny tsara mihitsy aloha no ariana voalohany satria io no nampidiriny tamin'ny olombelona ka zary lasa mpitsaratsara foana ny olona fa tsy tso-po toy ny zaza.
6. rijadolly
(
25/12/2011 03:00)
Hoy i Miharena:
Raha toa ka tiana tokoa ny hiala amin'ny fampianaran'i Satana dia ny fisainana manavaka ny hoe ratsy ny tsara mihitsy aloha no ariana voalohany satria io no nampidiriny tamin'ny olombelona ka zary lasa mpitsaratsara foana ny olona fa tsy tso-po toy ny zaza.
Iraisako hevitra tanteraka.
Izay no tanjona farany tsy mahalala ny ratsy izay, izay efa hatrany ambohalohany fony mbola tsy nisafidy ny fahalalana ny ratsy sy ny tsara isika( Adama sy Eva ). Ankehitriny anefa dia efa tafalatsaka amin'izay fahalalana ny ratsy sy ny tsara izay isika. Inona ary ny fomba hatongavana izany?
JAONA 14 : 6 Hoy Jesosy taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako.
Mazava be izany Teny izany. Tsy misy olona afaka mankany amin'Ray ka ahantanteraka io Tanjona izay voalohany tsy fahalalana ny ratsy io raha tsy mandray an' Kristy.