Nankaiza ny fiangonan'i Kristy?
1. LazaDaddy
(
06/12/2011 01:02)
Nankaiza ianareo fiangonana no toa anjakan'ny ratsy ny firenena? Mpanolana ankizy, jiolahy mitam-basy, valifaty, vono olona, mosavy, halatra, fifampiantsian’ny mpanao politika, fitiavam-bola sy voninahitra, fitsaboana mosavy any amin-dramatoa Noelah. Ireo no mameno ny matoan-dahatsoratry ny gazety mpiseho isan’andro.
Manoloana izany dia milefitra tsy afa-manolotra vahaolana ny fiangonana satria misoko mangina ao anatiny ihany koa ny fitiavam-bola sy voninahitra ary ny politika, eny fa na ny mosavy aza. Inona moa no mba fanambarana ofisialy ataon’ireo mpitondra fiangonana sy angatahiny amin’ny mpanao politika ankoatry ny famoahana ny gadra politika sy fanokafana ny radio fahazavana ary ny fanajana ny zo maha olona? Tsy misy mitory an’i Kristy am-pahibemaso intsony ny fiangonan-dehibe ka mampanontany tena ny mpitazana hoe mbola manana an’i Kristy ho zaraina ve izy ireo? Ny tsapa sy hita dia ireo antsoiny ho «fiangonana zandriny» na «sekta» no sahy mijoro sy manambara fa i «Kristy no lalana sy fahamarinana ary fiainana».
Asa mitady tondrozotra hafa noho i Kristy ve ireo fiangonan-dehibe ireo sa ahoana?

novalian'i rijadolly ny 25/12/2011 02:48
2. rekinbelo
(
06/12/2011 05:43)
ny Fiangoanana naorin'ny JK anie namana tsy nisy trano nijoalajoala e!tsy nanao akanjo niavaka ireo apostoly e, ka mazava oazy fa tsy iteny ireo lazainao fa fiangonana i Kristy io satria izy aza efa maloto ko.
izay no mahatonga ny sekta miroborobo ankehitriny satria mahay manentana ny olona hanantona an'i Kristy ary lasa mafana fo mihitsy aza rehefa nahazo ny fahamarinana izay tsy ho itanao velively eo @ fiangonana zokiny ireo, miala tsiny raha mety anfitohina ny sasany fa izay aloha ny fijeriko azy namana isany.
Mahereza namana a

3. Prime
(
06/12/2011 17:47)
Mitombina tsara ny fanamarihana entin'i Laza...
Izaho manokana dia anisan'ny tompon'andraikitra voalohany amin'io fiangonana ataonao ohatra io ary menatra ny tena rehefa resahana ireo ambaranao ireo satria tsy mahatsiaro ny andraikiny, tsy ny fiangonana tsy akory no tsy mahatsiaro, fa ny mpitondra fivavahana... (izaho anisany)... asiako mafy ny tenako hoy ny Apostoly Paoly izay.
Ny fiangonana tsy afa-manoatra fa manaja ny tarika entin'ny mpitondra fivavahana... nefa na izany aza, ny fifohazana (izaho anisany) tsy mitovy hevitra ary tsy manaiky an'io fanapotehana ny fiangonan'Andriamanitra io ka soa ihany, na dia vitsy aza dia mijoro ao anatiny... mazava ho azy fa tsy hitan'ny aty ivelany izany... fa mitombina ny fanamarihanareo.
Mikasika ny hoe nankaiza ny fiangonan'i Kristy dia mbola mijoro izany na dia manahirana sy mahamenatra aza ireto mpitarika. Tsy ny fiangonana akory no momba ireo ambaranareo ireo fa ny olona mbola manaiky fitahan'ny mpanao politika...
Tsy mahamenatra ahy ny miteny izany satria izany tokoa no izy, mandany vola sy mandray vola amin'ny "hetsiky ny mpitondra fivavahana" hamoahana gadra politika, sy hanokafana radio (nahamenatra mpiteny ratsy olona), sy hanohanana mpanao politika fa manadino ny andraikiny voalohany dia ny mitory an'i Jesosy, mba handraisana Azy ho Tompo sy Mpamonjy.
Mankasitraka tompoko, voaray ny hafatra.

4. rijadolly
(
08/12/2011 15:40)
hoy i LazaDaddy:
anjakan'ny ratsy ny firenena? Mpanolana ankizy, jiolahy mitam-basy, valifaty, vono olona, mosavy, halatra, fifampiantsian’ny mpanao politika, fitiavam-bola sy voninahitra, fitsaboana mosavy any amin-dramatoa Noelah. Ireo no mameno ny matoan-dahatsoratry ny gazety mpiseho isan’andro.
Fantatsika, ary tokony zavatra tsy ahagaga antsika izany na dia miroborobo aza. Sanatria maniry izany isika rehetra fa kosa efa voalaza fa tsy maintsy tonga izany, ary aoka isika hiambina tsara fa na dia ny olom-boafidy aza dia ho fitahana raha mbola azon'ilay ratsy atao.
Eo amin'ireo Mpitarika Fivavahana izay lazaintsika fa milefitra tsy sahy mitory ny Filazantsara dia tsy ekeko indray izay. Manaiky aho fa misy ny ambodia mitafy volon-janak'ondry, kanefa ireny dia mazava fa efa ratsy rahateo. Fe ireo izay te-hampandroso ny Fanjakan'Andriamanitra no tsy ekeko hoe milefitra na matahotra mitory ny marina. Ny Mpamafy amin'ny maha mpamafy azy dia misafidy tsara ny voa tsara izay afafiny. Fa ny tany mandray ilay voa tsara no samy hafa.
5. rijadolly
(
09/12/2011 02:20)
Efa nanantateraka ny tany TOAMASINA,TOLIARA, FIANARATSOA ny Mpitory, ary mbola homen-drano ny Asabotsy izao 10 DEC 2011 manomboka maraina amin' 7h eny amin'ny kianjan' Andoalo (haute ville) ny hetahetantsika eto amin'ity loha hevitra ity, ary misy rindrakira ara-mpilazantsara izay ataon'ireo Mpanankanto maro ny fanombohana. Porofo iray fa tsy mijery fotsiny isika mpino fa manolotra vahaolana amin'ity krizy ity. Ny fanehoan'ny Mpino Kristianina tsy ankanavaka tahaka izao no andrasana ho modely ho an'ny mpitarika politika mba hanadio ny maha mpanao politika azy ireo mba araka an'Andriamanitra sy Jesoa Kristy, fa tsy ny fifikirana ny politika maloto hanimbana ny fisainana sy toetra tahaka ny azy ireo vahoaka.
Aoka isika mba hiakatra eny Rahampitso ahafatarana ny marina ataon'izy ireo. tsy voatery ny Fiangonana zokiny ihany no eny fa na dia ny Fiangonana zandriny aza dia ho eny avokoa. Asehontsika eny fa na ny voa afafy na ny tany mandray dia efa voahomana tsara.
Alefako eto ity rohy ity izay vaovao TV PLUS omaly 08 DEC 2011. Raha ohatra ka tsy te-hijery ny vaovao hafa dia manomboka eo amin'ny 34 mn 57s eo io vaovao izay atao eny Andohalo io.
TSINDRIO ETO
Laza Daddy:
Asa mitady tondrozotra hafa noho i Kristy ve ireo fiangonan-dehibe ireo sa ahoana?
Aoka isika mba hiakatra eny Rahampitso ahafatarana ny marina ataon'izy ireo. tsy voatery ny Fiangonana zokiny ihany no eny fa na dia ny Fiangonana zandriny aza dia ho eny avokoa. Asehontsika eny fa na ny voa afafy na ny tany mandray dia efa voahomana tsara.
Alefako eto ity rohy ity izay vaovao TV PLUS omaly 08 DEC 2011. Raha ohatra ka tsy te-hijery ny vaovao hafa dia manomboka eo amin'ny 34 mn 57s eo io vaovao izay atao eny Andohalo io.
TSINDRIO ETO
6. Prime
(
09/12/2011 08:25)
Manohana tanteraka ny ambaran'i Rija ny tenako ary dia miombona amim-bavaka amin'ny hetsika mandeha ankehitriny. Efa voalaza fa hiharatsy izao fiainana izao fa dia mila miambina no sady miasa mafy noho ny teo aloha mandrakariva izay mbola mijoro amin'ny finoana rehetra ankehitriny satria araka ny anatonana ny farany no mihamafy ny ady...
Tsy misatahatra mandrakariva ny misiona "Jesoa Kristy ho an'i Madagasikara-hetsika faha-II na JKM-II"... entina ijoroana fa tsy mangina tsy akory ny fiangonana.
Ny hitako fototr'ity lohahevitra ity dia tsy ny fandinihan-tenan'ny mpanao politika loatra fa indrindra ny mpitondra fivavahana mifikitra amin'ny politika sy ny mpanao politika izay fantatra ny momba azy...

7. rijadolly
(
09/12/2011 15:19)
Hoy i Prime:
Ny hitako fototr'ity lohahevitra ity dia tsy ny fandinihan-tenan'ny mpanao politika loatra fa indrindra ny mpitondra fivavahana mifikitra amin'ny politika sy ny mpanao politika izay fantatra ny momba azy...
Manaiky tanteraka aho amin'ilay fampatsiahivan'ny namana iray hoe "Voahozona izay matoky olona."
Isika anefa mahay manavaka tsara noho isika nomena fahefana hi-test ny Fanahy rehetra hatramin'ny farany. Noho izay anefa no hitenenako fa mila manaiky sy matoky ny tenin'ny olona iray isika raha araka an'Andriamanitra ny zavatra ambarany. Tsy ny fanekena ny zavatra ambarany no midika fa manompo azy isika.
8. rijadolly
(
10/12/2011 03:13)
VAOVAO MATV 09 DEC 2011
Nilaza Raharinirina Olga na i Neny Olga, izay raimandreny ao amin'ny Toby lehibe Kanana Fianarantsoa fa tsy hilamina ny tany raha tsy mahay mifamela ny rehetra araky ny hafatra nampitain'i Jesoa taminy.
NY SOFINA NANDRE, NY SAINA NANDINIKA, NY FO MITEMPO, ANDAO HIAVANA HO FITARATR' IZAO TONTOLO IZAO

9. Prime
(
10/12/2011 09:29)
rija:
Ny fanehoan'ny Mpino Kristianina tsy ankanavaka tahaka izao no andrasana ho modely ho an'ny mpitarika politika mba hanadio ny maha mpanao politika azy ireo mba araka an'Andriamanitra sy Jesoa Kristy, fa tsy ny fifikirana ny politika maloto hanimbana ny fisainana sy toetra tahaka ny azy ireo vahoaka.
... io nambaranao io no nahatonga ahy nanisy fanamarihana hoe aoka tsy ho maika hanitsy ny mpanao politika isika fa isika mpino sy indrindra ny mpitondra fivavahana no mila miverina voalohany amin'Andriamanitra fa hentitra ny tenin'Andriamanitra ao amin'ny Ezekiela 34!... ny mpanao politika dia asany ny fanaovana politika, io no fivelomany, ny fanaovany ratsy na tsara dia azy irery ihany ny safidy... ny andraikintsika mpino dia ny mivavaka ho azy ahitany ny tavan'Andriamanitra, hihainoany an'Andriamanitra, hanekeny an'Andriamanitra, hananany fahendrena itondrana ny firenena!
Be dia be ny mpino sy ny mpitondra fivavahana no latsaka ao anatin'ny haraton'i Satana ka mitoky sy mahatoky olona ka tonga fitaovan'ny mpanao politika amin'ny filany sy ny fitiavan-tenany!
... ary dia izay koa no nidirako mivantana amin'ny tari-kevitr'i Laza hoe raha tsy ny voahosotr'Andriamanitra no mibebaka aloha dia tsy misy mahamaika ny mampibebaka ny hafa!!! fantatrao tsara ny nolazain'ny tenin'Andriamanitra manao hoe : raha ny oloko izay nantsoina amin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny. II Tantara 7:14
rija:
Manaiky tanteraka aho amin'ilay fampatsiahivan'ny namana iray hoe "Voahozona izay matoky olona." Isika anefa mahay manavaka tsara noho isika nomena fahefana hi-test ny Fanahy rehetra hatramin'ny farany.
... ekena ny ambaranao fa mazava ny lazain'ny tenin'Andriamanitra manao hoe amin'ny anaran'i Jesosy : ... ho voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny, ka miala amin'i Jehovah ny fony. Jeremia 17:5... ary dia fampatsiahivana am-pitiavana tsy misy toa izany no nambaran'ny namana ho an'izay manaiky ny tenin'Andriamanitra...
Noho izay anefa no hitenenako fa mila manaiky sy matoky ny tenin'ny olona iray isika raha araka an'Andriamanitra ny zavatra ambarany. Tsy ny fanekena ny zavatra ambarany no midika fa manompo azy isika.
Itoviako hevitra tanteraka ilay lazainao hoe tsy fanompoana tsy akory izany... io ambaranao io mahakasika ny hoe, raha araka an'Andriamanitra ny zavatra ambarany no mila fitandremana...
10. rijadolly
(
10/12/2011 11:01)
Fisaorana tanteraka ho antsika rehetra izay, naniry ny ho avy sy nitondra am-bavaka sahady ny teny amin'ny Kianjan' Andohalo anio. Tsy raikitra anefa androany satria ilain' Fanjaka ny kianja hanamarihany ny faha 1 taona ny repoblika faha-4.
11. rijadolly
(
10/12/2011 11:10)
Hoy i Prime:
raha araka an'Andriamanitra ny zavatra ambarany no mila fitandremana...
Marina tanteraka, Ary izay no nahatonga ahy hiteny hoe mila mi-test hatramin'ny farany
12. bor2lais
(
12/12/2011 09:08)
Rehefa mamaky ity "antson'ny fo" nalefan'i Lazadaddy ity sy ireo valintenin'ny namana maro dia mahatsapa fa toa ny fitaizana ny vahoaka ho araka an'Andriamanitra amin'ny lafim-piainana rehetra no tokony imasoan'ny Fiangonana mandrakariva. Maro amin'ireo lazaina fa mpanao politika ireo mantsy no zanaky ny Fiangonana ! Noho izany dia taratry ny fitaizana noraisiny (teo anivon'ny Fiangonana nisy azy) ihany ny fihetsika asehony (eo amin'ny lafim-piainana rehetra misy azy).
Tononina matetika ny hoe "tokony mahay mifamela heloka" ! Na ny mpanao politika aza mba miteny an'io koa ! Ka lasa ihany koa ny eritreritra hoe : "mahay" manao izany tokoa ve isika ? Atao ahoana moa no fahay raha tsy misy mampianatra ? Saingy mitovy ve Ilay Mpampianatra ?
Ny tiako lazaina dia ity : ataoko fa ny fifandraisana Aminy no tena zava-dehibe mialoha ny zava-drehetra ! (Tokony) Mandeha ho azy ny sisa (fifankatiavana, fifamelana, ...) rehefa mety io voalohany io. Izany hoe amolotra ihany ny fifamelana dradradradraina raha tsy misy ny fifandraisana tanteraka Aminy !
Raha tsy misy ilay "mitsangana" dia mirodana ho azy na tsy misy ilana azy ilay "mitsivalana". Ny fifandraisana (tanambokovoko) no tiako lazaina eto !
Tsetsatsetsa ihany ny ahy iny ka ahitsio na avereno aty amiko raha tsy mety ! :-)

13. rijadolly
(
12/12/2011 16:13)
iraisako hevitra koa ny hevitry Bor2lais izay tokony asa miandry ny Mpino Kristianina rehetra. Ohatry ny nataon'Jesoa Kristy, miara-miromboka aminy manjono mihitsy tahaka Azy niantso an' Piera mirahalahy.
14. Prime
(
12/12/2011 19:08)
rija:... Tsy dia tena io loatra no tiako ambara fa tiako ho fantatra ny tianao resahana...
Marina tanteraka, Ary izay no nahatonga ahy hiteny hoe mila mi-test hatramin'ny farany
1. Ahoana ilay hoe mi-test "Fanahy"?
2. Ahoana no ahafantarana fa araka an'Andriamanitra ny zavatra ambaran'ny olona iray?
3. Inona no fitaovana na fenitra entina hanaovana test?
4. Nahomby sa tsy nahomby ny test hatramin'izay? no toa izao ny fiainan'ny firenena? ny fiangonana? ny fiaraha-monina? ny ankohonana malagasy? ny tokantrano malagasy?
5. Nanao test tsy marim-pototra ve ny fiangonana no voasongon'ny mpanao politika ankehitriny ny fifehezana azy?
bor2lais:... itoviako hevitra tanteraka! ary dia mazava ho azy hoe iza no voahosotra hitaiza eo amin'ny fiangonana??? izay ilay voalazako etsy ambony!!!
Maro amin'ireo lazaina fa mpanao politika ireo mantsy no zanaky ny Fiangonana ! Noho izany dia taratry ny fitaizana noraisiny (teo anivon'ny Fiangonana nisy azy) ihany ny fihetsika asehony (eo amin'ny lafim-piainana rehetra misy azy).
bor2lais:
Ny tiako lazaina dia ity : ataoko fa ny fifandraisana Aminy no tena zava-dehibe mialoha ny zava-drehetra !
Tena itoviako hevitra tanteraka! :)
Tamin'ny faran'ny taona 2009 aho dia efa nirahan'i Kristy hiteny teo anivon'ny fiangonana fa ny fifonana sy ny fibebahana no lalana tokana ahitan'ny firenena vahaolana... dia hoy ny maro (na ny andaniny, na ny ankilany) hoe, "fahadalana izany", amin'ny fomba ahoana no hamelana heloka mpamono olona? mpanongam-panjakana? mpangoron-karena? mpampahantra vahoaka? mpangalatra? mpanodinkodina?... izy samy izy ireo ihany no mifampiteny izany... izany hoe amin'ny ankapobeny samy nanao...
Dia hoy aho tamin'izay hoe: ary isika moa mba tsara sy mendrika noho izany olona resahantsika izany talohan'ny nandraisantsika an'i Kristy? dia teny ratsy sisa no tsy nivoaka nivantana ny vavan'izay nandre ahy...
Herintaona tato aoriana vao resy lahatra ny fiangonana fa tsy ny famoriam-bahoaka hikomy sy hitabataba sy himonomonona no vahaolana fa ny "fifampiresahana sy ny vavaka"... saingy mbola tamin'ny saim-petsy no saiky namiliana ny fiangonana... dia nirahan'i Jesosy indray aho niteny nanao hoe : ny fifonana sy ny fibebahana no lalana tokana ary ny voalohany amin'izany dia isika mpitondra fivavahana... dia hatezerana indray no fehiny.
Soa fa mahay Andriamanitra ary fantany ny mahasoa ka dia tamin'ny fiangonana zandriny no nanehoany ny voninahiny hanome modely ireto fiangonana zokiny! na dia eo ho eo ihany aza ny faharesen-dahatra mandrak'ankehitriny dia isaorana Jesosy fa mifoha tsikelikely ny zanany.
Ary izany no mahafinaritra amin'ny fanambaran'i Neny Olga fa dia miverina amin'ny zavatra efa nambarako 2 taona lasa izay : ny fifonana sy ny fibebahana no lalana tokana ahitana ny fiadanana marina ary io miainga avy amin'izay milaza tena ho manana an'i Kristy, irak'i Kristy, voahosotr'i Kristy... fa tsy ny vahoaka no mahamaika ampibebahana nefa ny mpaminany rehetra sy ny mpiandry ondry rehetra mihatsaravelatsihy sy mifampihatsaravelatsihy eo imason'ny fiangonana mbola manaiky fehezin'ny politika sy ny mpanao politika!
Tahian'Andriamanitra!
15. bor2lais
(
13/12/2011 14:47)
rijadolly:
Ohatry ny nataon'Jesoa Kristy, miara-miromboka aminy manjono mihitsy tahaka Azy niantso an' Piera mirahalahy.
Tena mba mahafinaritra ahy kosa io ohatrao io a ! :-) Mankasitraka e !
Misaotra an'i prime ihany koa nitantara ny asa iraka nataony nandritra izay elaela tsy nahitana azy teto amin'ity sehatra ity izay ! :-)
Mahereza hatrany !
16. rijadolly
(
13/12/2011 18:01)
Prime:
Ny hitako fototr'ity lohahevitra ity dia tsy ny fandinihan-tenan'ny mpanao politika loatra fa indrindra ny mpitondra fivavahana mifikitra amin'ny politika sy ny mpanao politika izay fantatra ny momba azy...
Rijadolly:
Manaiky tanteraka aho amin'ilay fampatsiahivan'ny namana iray hoe "Voahozona izay matoky olona."
Isika anefa mahay manavaka tsara noho isika nomena fahefana hi-test ny Fanahy rehetra hatramin'ny farany. Noho izay anefa no hitenenako fa mila manaiky sy matoky ny tenin'ny olona iray isika raha araka an'Andriamanitra ny zavatra ambarany. Tsy ny fanekena ny zavatra ambarany no midika fa manompo azy isika.
Prime:
Itoviako hevitra tanteraka ilay lazainao hoe tsy fanompoana tsy akory izany... io ambaranao io mahakasika ny hoe, raha araka an'Andriamanitra ny zavatra ambarany no mila fitandremana...
Rijadolly:
Marina tanteraka, Ary izay no nahatonga ahy hiteny hoe mila mi-test hatramin'ny farany
Prime:
... Tsy dia tena io loatra no tiako ambara fa tiako ho fantatra ny tianao resahana...
1. Ahoana ilay hoe mi-test "Fanahy"?
2. Ahoana no ahafantarana fa araka an'Andriamanitra ny zavatra ambaran'ny olona iray?
3. Inona no fitaovana na fenitra entina hanaovana test?
4. Nahomby sa tsy nahomby ny test hatramin'izay? no toa izao ny fiainan'ny firenena? ny fiangonana? ny fiaraha-monina? ny ankohonana malagasy? ny tokantrano malagasy?
5. Nanao test tsy marim-pototra ve ny fiangonana no voasongon'ny mpanao politika ankehitriny ny fifehezana azy?
Tsy ho voavaliko mitokatokana angamba ilay fanotanian'se fa valiako amin'ny ankapobehiny ihany.
Miala tsiny indrinda antsika rehetra aho raha namerina ny antony nahatonga ireo fanotanian'Prime ireo araka ny nahazoako azy.
Misy tenin'Jesoa Kristia izay manao hoe:
MARKA 9: 39 Fa hoy Jesosy: Aza mandrara azy; fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe amin'ny anarako ka hahateny ratsy Ahy vetivety.
Azontsika antsaina avy amin'io angamba fa mety ho misy kitaotaona ihany indraindray ny fitorian'ny zanak'olombelona an' Andriamanitra, ary mety ho fotoana fohy izany fiderana izany. Izay aloha ny antony nitenenako hoe hatramin'farany ny test hoe avy any sa tsy avy any amin'Andriamanitra satria ny olombelona dia miovaova.
MATIO 7 : 15 Mitandrema hianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin'ny fitafian'ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy.16 Ny voany no hahafantaranareo azy. Manoty voaloboka amin'ny tsilo va ny olona, na aviavy amin'ny songosongo?17 Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy.18 Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara.19 Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.20 Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy.
Afaka mifameno tsara ireo tenin'Jesoa Kristy ireo. Samy mila fotoana fa raha tsy izany dia tafalatsaka isika. efa fantatsika tsara fa Raha vao mamboly ny Mpamboly dia tsy ho fantatsika velively ny tsiparifary sy ny vary satria tsy mbola mamoa. izay ilay hoe "tsy haha teniratsy AHY vetivety." satria vary no afafiny. Izany hoe miandry ny voa izany isika izay vao manavaka fa ratsy izatsy sy zaroa.
JAONA VOALOHANY 4: 1 Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao.2 Izao no ahafantaranareo ny Fanahin'Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy no avy amin'Andriamantira;3 ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an'i Jesosy dia tsy mba avy amin'Andriamanitra; ary izany no fanahin'ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy sady efa eo amin'izao tontolo izao sahady izy.4 Anaka, hianareo dia avy amin'Andriamanitra ary efa naharesy ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin'izao tontolo izao.5 Isan'izao tontolo izao ireny, ka dia miteny araka ny an'izao tontolo izao izy, ary mihaino azy izao tontolo izao.
Inoako ihany koa fa azotsika tsara ny fifandraisan'ireo Teny telo ireo. Azo tsoahina avy amin'ireo ny fomba rehetra mba ahafantarana ny Fanahy; na avy any amin'Andriamanitra izy na avy any amin'ilay ratsy. Ny zava-dehibe voalohany dia ny fanekeny an'Kristy, ary dia mamoa voa tsara izy ary hazo tsara izay ao anatin'ny fotoana rehetra fa tsy vetivety.
17. Prime
(
23/12/2011 09:56)
Io I Jaona 4:1 io no mahafehy azy tsara... mila izahana toetra ny fanahy.
Tsy mandà ny voasoratrao aho ary mitombina tsara fa ny fanotaniako dia "plus terre à terre" angaha no azo ilazana azy... "pratique de foi" no tiako ahatongavana...
Moa tsy nanao tests hatrizay ny fiangonana? nefa hatramin'izao ankehitriny iresahantsika izao tsy mbola maro no voafitaka? efa tafajabaka vao mahita ny tsy ara-tsoratra masina rehetra... na ny tantaran'ny fiangonana voalohany, na ny tantaran'ny eglizy, na ny tantaran'ny fiangonana nohavaozina, na ny tantaran'ny fifohazam-panahy, na ny tantaran'ny fiangonana evanjelika sy ny karismatika rehetra, dia samy nilaza fa manao tests avokoa fa tsy hoy moa ny voalazan'ny soratra masina : « Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo. » I Korintiana 10:12... midika izany fa na manao tests aza isika nefa TSY MITANDRINA dia maro no mbola ho lavo...
Amin'izao ankehitriny izao mbola maro no manompo sampy nefa milaza fa kristiana... manao tests nefa izany kristiana izany milaza ho mizaha toetra ny fanahy... nefa dia ny fanahin'ny maty sy ny sary vongana rehetra no mbola ivavahana... io no tiako ahatongavana hoe : ahoana tsara moa ilay hoe tests tianao ahatongavana sy ny fitaovana hanaovana tests sy ny vokatry ny tests sns... "pratique" izany no ao ambadiky ny fanontaniako fa tsy "principes" fa raha mahakasika ity farany dia sady efa voavalinao no itoviako hevitra tanteraka.

18. rijadolly
(
25/12/2011 02:48)

Eto moa isika Prime no samy mamoaka hevitra ho an'rehetra eny fa na dia ny tenantsika aza.Raha ny hevitsika sy i se dia mitovy tanteraka, ary dia mifameno aza. Anjaran'tsirairay, indrindra izay miseho ho Kristianina no mandanjalanja raha tena Fanahin'ny fahamarinana na tena Fanahin'Andriamanitra marina ny ao anatiny. Ireo hevitray sy Prime ireo azo handinihina tsara ny ao anatitsika. Somary ohatry ny hoe tsy mifankahazo ilay resakay raha ny fomba fijery azy, fa kosa mifameno tanteraka ahafantarana ny ao anatin'ny tena sy ny fomba fitahirizana AZY ao anaty izay mila FITANDREMANA hatramin'farany.
IZAY MAHARITRA HATRAMIN'NY FARANY NO HOVONJENA (MATIO 10: 22)