Izay mino sy atao Batisa no hovonjena

1. didi10 ( 05/12/2011 16:41)
Tsara ny Tompo

Efa mba nandinika ny Batisa natao tamintsika ve isika ka nanontany hoe: Ankasitrahan'Andriamanitra sa tsia?

Samy manaika angamba isika fa ny Batisa dia dingana tsy maintsy atao handovana ny fanjakan'ny lanitra.

Ny Batisa va atao amin'ny zaza sa atao amin'ny olona vory saina?
Ny Batisa va atao amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina sa atao amin'ny anaran'i Jesosy?
Ny Batisa va atete amin'ny handrina sa atsoboka anaty rano?
novalian'i rijadolly ny 16/12/2011 16:21
2. Prime ( 05/12/2011 16:54)
Misaotra an'i didi10 mitondra ity lohahevitra ity fa tena mahaliana no sady mila fandinihana tsara.

Fa te-hametram-panontaniana amin'i didi10 sy ny namana rehetra aho mialoha ny handraisako anjara feno manao hoe : "fa mahavonjy ve ny Batisa"? na mahitsy kokoa, "Izay vita Batisa rehetra ve voavonjy avokoa?"... satria ny Batisa no anompanan'i didi10 ny lohahevitra...

Misaotra! mahereza hatrany! Tia anao Jesosy!
3. didi10 ( 05/12/2011 17:12)
Misaotra namana

Raha ilay fanontanianao misoratra menamena aloha dia tsara apetrakao lohahevitra vaovao rehefa mba avy mandeha ity lohahevitro ity!
Fa ilay soratra manga kosa dia miotvy amin'ny lohahevitra arosoko ihany ka tonga dia arosoy ny hevitrao namana.
4. Prime ( 05/12/2011 19:31)
Didi10> hianao mihitsy no anontaniako ka, "voavonjy avokoa ve ny vita Batisa?...
5. rekinbelo ( 06/12/2011 05:49)
inona aloha ilay atao hoe batisa?
6. didi10 ( 06/12/2011 10:26)
Ny atao hoe Batisa dia teny avy amin'ny Teny grika hoe "Baptizo" izay midika ara-bakiteny hoe atsoboka ao anaty rano (plonger dans l'eau ou immersion).

Amin'ny Kristianina dia ny Batisa no mahatonga ny olona ho zanak'Andriamanitra mandova ny fanjakan'ny lanitra.
Saingy navadiky ny Fiangonana lehibe io antony hanaovana batisa io ka lasa natao batisa ny zaza mba ho tonga zanaky ny fiangonana.


7. didi10 ( 06/12/2011 10:35)
Ny atao hoe Batisa dia teny avy amin'ny Teny grika hoe "Baptizo" izay midika ara-bakiteny hoe atsoboka ao anaty rano (plonger dans l'eau ou immersion).

Amin'ny Kristianina dia ny Batisa no mahatonga ny olona ho zanak'Andriamanitra mandova ny fanjakan'ny lanitra.
Saingy navadiky ny Fiangonana lehibe io antony hanaovana batisa io ka lasa natao batisa ny zaza mba ho tonga zanaky ny fiangonana.


8. Prime ( 06/12/2011 18:13)
Misaotra amin'ny fanazavana fa averiko ny fanontaniako, "voavonjy avokoa ve ny vita Batisa?... "
9. didi10 ( 07/12/2011 07:10)
Namana Prime

Sarotra dia sarotra ny fiainana tena Kristianina, ary tery dia tery ny lalàna miakatra any amin'ny fiainana mandrakizay.

Efa napetrak'i Jesosy mialoha ny "critère de base" amin'ny "préselection"
Mar 16,16: Izay mino sy atao Batisa no hovonjena
Mar 16,17-18 Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy; 18 handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny.
Mar 1 : 8 Izaho efa nanao batisa anareo tamin'ny rano, fa Izy kosa hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina.
Asa 2 : 38 Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina;

1. Finoana
2. Fibebahana
3. Batisan'ny rano (Batisan'ny Fibebahana)
4. Batisan'ny Fanahy Masina (Fanomezana avy amin'i Jesosy)
5. Asan'ny Tompo

"Préselection" ireo condition ireo fa ity manaraka ity ny examen final
Mat 10 : 22 - 34
22 Ary ho halan'ny olona rehetra hianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.

Valiny: Tsy izay vita Batisa rehetra dia mety ho voavonjy fa izay maharitra.
Porofo: Jodasy ilay mpamadika, Ananiasy sy Safira (Asa 5 1-11)
10. Prime ( 09/12/2011 08:40)
Mankasitraka amin'ny valiny... (efa nambarako atsy amin'ilay pejy iray ny hevitro)

Misaotra!
Tahian'Andriamanitra!
11. niryna ( 09/12/2011 17:44)
didi10:

Ny atao hoe Batisa dia teny avy amin'ny Teny grika hoe "Baptizo" izay midika ara-bakiteny hoe atsoboka ao anaty rano (plonger dans l'eau ou immersion).

Amin'ny Kristianina dia ny Batisa no mahatonga ny olona ho zanak'Andriamanitra mandova ny fanjakan'ny lanitra.
Saingy navadiky ny Fiangonana lehibe io antony hanaovana batisa io ka lasa natao batisa ny zaza mba ho tonga zanaky ny fiangonana.


ny fiangonana rehetra na iza izy na iza dia misy kilema avokoa ka izay no antony iray ,mampisaraka ary hampisaraka azy hatramin'izao.Samy mihizingizina amin'ny saimpantany avokoa ny mpitondra ary samy milaza ny azy ho diso: ny sasany milaza fa izay tsy manao batisa ny zaza dia tsy anay,ny sasany milasa fa izay tsy manao batisa ao anaty rano dia tsy izy io,ny sasany milaza fa izay tsy miangona ny sabotsy dia tsy voavonjy ,mbola miampy ny tsy fihinana kisoa koa etsy andaniny,ny sasany milaza fa tsy Atra kristy fa zanany ihany ka ny zanaka ve dia lasa ho ray sns ...ireo no santionany mampisaraka ny finoana tsy mifantoka amin'ilay kristy no mpamonjy,kristy no Atra velona tonga nofo ary ny tantara rehetra no efa manambara izany raha mbola tsy tonga tety an-tany akory izy .
ary matetika aza lasa fitadiavana tombotsoa ho an'ireo ao anatin'ny fiangonana ilay izy.Tsy hanatsikera ny fiangonana aho fa misy tena tsy any mihitsy ary misy lasa mampianatra fampianaran-diso,misy aza mivoana amin'ireo ray amandreny lehibe nantsoina manokana( ny lehiben'ny mpiandry ohatra ka rehefa maty izy ireo dia ireo milaza azy ho mpandova indray no mamorina hevitra vaovao ho tena izy kanefa miady seza sy tsy mifankahazo ary misy aza tena tsy mifamela heloka ooops ..,zava-misy io ka hialako tsiny ... ka zary lasa ny eritreritry ry zareo fotsiny sisa no mitondra.Izany hoe izay mahadiavolana sy azokazony ary ahazoany tombotsoa no tena tadiaviny fa tsy tena mijoro amin'ny tenin'Atra izy.
Io resaka batisa io dia iray lehibe mampisaraka ary mahatonga ny olona efa tafiditra te hiala ao amin'ilay fampianarana(fampianarana hoy aho an) satria izay tsy manao izao dia tsy izy kanefa rehefa avy eo indray mamorina hevitra ampotomoty eo izay mifanarakaraka izay tiany ry zareo ao ambonimbony mitondra fivavahana ao.Tsy izy io,miala tao,ny anay ihany no ahitana famonjena ....Izay no zava-misy mitranga eran-tany amin'izao fotoana izao.Asauba manangana fiangonana ho azy etsy sy eroa amin'ny fomba fandokadokana sy fanadiovana ny loha amin'ny tetika maty paika.
Andao ary hiverina amin'ny teny ao anatin'ny baiboly:
Izay mino sy atao batisa no ho vonjena.
Avelao ny zaza anantona ahy fa ny an'ny toa azy ny fanjakan'ny lanitra.
Ireo dia efa samy manana ny heviny tiany hampidirana ny eritreriny avy ny mpitondra fivavahana rehetra na ireo mpampianatra soratra masina ka mitarika ny olona andeha amin'ny finoany ao amin'ny fiangonana misy azy fa tsy araka ny finoana an'Atra araka ny ao anatin'ny baiboly ary samy mitsimpotsimpona teny ao avokoa ny rehetra(fiangonana tsirairay avy io ) ary mamadika ny hafa hifindra any aminy na anangana fiangonana mitovy ny azy(ooops ..fa izay no zava-misy ankehitriny).Aleo angamba aloha samy mamaha ny olana misy ao anatin'ny fiangonanan'ny tsirairay avy ireo milaza azy ho ny azy ihany no marina( manaova fihofanana manokana hitondra ny olona andeha amin'ny baiboly ) dia avelao ny olona hianatra baiboly fa Atra irery ihany no mahafantatra ny oloNY.(tsy izay rehetra miantso hoe tompoko tompoko akory no andova ny fanjakan'ny lanitra na koa lazaina fa kristiana na koa lazaina fa voavonjy satria natao batisa na tsia fa tsy natao batisa ...fa izay rehetra manao ny sitrapon'ilay nirahina(minoa fotsiny ihanydia ho voavonjy hianao sy ny ankohonanao)
Ny sasany miteny fa ny fanaovana batisa no marika ilaza fa tena zanak'Atra marina ny olona
Dia ahoana izany ireny tsy vita ka miaiky ny fadisoany ary mibebaka ka manolotra ny tenany amin'Atra teo ambavahoanan'ny fahafatesana?
Dia ahoana izany ireny zaza maty taloha ka tsy vita batisa?
Atra irery no mahalala ny finoantsika Azy ka izy irery no afaka hitsara antsika na Azy isika na voavonjy isika.
Tsara ho fantatra fa kristy no mpamonjy ary tsy misy na iray aza mpanelanelana antsika amin'Atra.Izy no mpamonjy dia izy izany no tokony hekentsika ho mpamonjy antsika sy mpanovotra antsika.
Dia mbola eo ihany koa ny fanolorantenantsika rehefa mahatsiaro tena isika: isika irery io fa tsy i dada na i neny fa vokatry ny finoantsika ka lasa niroborobo tato anantintsika ny faniriana ny hanana fifandraisana amin'Atra avy amin'ny alalan'ny zanany(relationship with God through Jesus Christ )tsy ny asa natao na ny vokatry ny herintsika fa noho ny fahasoavana nomeny antsika maimaimpoana tsy misy takalony(by his grace not by our work).
Ka rehefa manolotena ho azy isika ka manao batisa dia manamarika eo ampahabe-maso fa tsy menatra ny hijoro fa manomboka amin'izao fotoana izao dia zanak'Atra isika ary mijoro eo isika ho hitan'ny olona ary ny kristiana rehetra mijoro vavolombelona fa zanaNy isika.
Narotsaka tao anaty rano isika satria kristy no nanao izany tao Jordana ary dia nanaraka izany koa isika.Ny rano madioa dia mariky ny fahadiovana,ny olona natsoboka tao anaty rano dia mariky ny hoe fanadiovana ny tena amin'ny ota rehetra.Tsy midika anefa izany fa dia hiova tanteraka ny fiainantsika(tsy hisy intsony ny fahoriana,tsy hisy intsony ny fanenjehana,tsy hisy intsony ny aretina) ,mety hifanohitra amin'izany aza ny mety hanjoha satria mihamafy ny tolona ara-panahy(tsy tian'i satana ny hiverina amin'Atra isika fa ny tsy mino dia tsy ataony inona satria efa azy ireny)
Hamaranako fa lava loatra:samia mandinika any anaty ary aza mitsahatra ny mamaky ny baiboly ary mangataka ny fanahy masina mba ampianatra antsika ny tena marina hatrany satria samy misy kilemany avokoa ny fiangonana rehetra fa matoa isika mbola mitsangana sy tsy mitsahatra mitady ny fahamarinana dia mbola misy hetaheta ny te ahalala ny marina sy ny tokony arahina .
Dia ahoana indray izany ny batisa amin'ny fanahy masina? Tsy misy mahazo an'io raha tsy kristy no manome azy antsika sa ?
ba mamikey ho antsika rehetra ary ny fahasoavan'Atra anie no hirotsaka ao amintsika tsirairay avy.
Niryna

[/quote]
12. rijadolly ( 16/12/2011 16:14)
Betsaka ny iraisako hevitra izay lazain'ny Niryna

Izaho dia tsy mba manambany ny lanjan'ny Batisa velively, fa kosa mahatsapa aho fa tsy voatery atao batisa, na, amin'ny rano mandeha na rano atao amin'ny loha ihany vao mahazo ny fanjakan'Andriamanitra.
Isika rehetra dia mahay maka lesona ny teny ao anaty Baiboly, izany hoe mandika azy ara-panahy sy ara-bakiteny.Betsaka tokoa ao ny oLona voaloton'ny aretina maro izay raisitsika ara-panahy ihany koa ho ota.Tao ny Teny, tao ny fikasian-tanana, tao ny Finoana, tao ny midio amin'ny rano, ary tsy latsa-danja noho ireo ary mifandraika ny hevitra mandeha eto dia ny teo ambony hazo fijaliana niaraka an' Jesoa Kristy. Raha resaka fanadiovana dia tsy voatery misy rano, Izaho tsy miteny hoe tsy ilaina ny rano an!, tena ilaina amin'ny fanadiovana ny rano. Fa ny tiako tsindriana dia ilay fanadiovana tsy misy rano tahaka ireo voatanisako sasantsasany ireo. Ary ny miavaka sy manamarina izany dia ilay teo an'ilan'Jesoa Kristy teo ambony hazo fijaliana. Isika rehetra mahalala fa tsy mbola nandray an'Andriamanitra iny olona iny ka afaka nolazaina fa efa vita Batisa talohan'ny famatsiana azy. Taiza tamin'iny ora nitenenan'Jesoa Kristy fa ho voavonjy ahita ny paradisa no nisy rano na indray mitete aza teo ambony hazo fijaliana? tsy nisy. Tsy mpandainga anefa ny Tompotsika ka handiso AZY ny fijeritsika ankehitriny ka hilaza fa ho very izay tsy vita Batisa. Ary indrindra indrindra fa raha tsy amin'ny rano be. Tsy mandiso ny rano be aho an! tsara raha misy fahafahana manao izany.
Ireo voalazako ireo no tena ilain'ny Prime hatrany am-boalohany raha ny fahalalako azy.

Prime:

Fa te-hametram-panontaniana amin'i didi10 sy ny namana rehetra aho mialoha ny handraisako anjara feno manao hoe : "fa mahavonjy ve ny Batisa"? na mahitsy kokoa, "Izay vita Batisa rehetra ve voavonjy avokoa?"... satria ny Batisa no anompanan'i didi10 ny lohahevitra...
13. rijadolly ( 16/12/2011 16:21)
Maro araka izany koa anefa ireo izay efa vita Batisa no miverina amin'ny fandotona indray. Ary isika rehetra dia tsy ahazo ny fanjakan'Andriamanitra noho izay toetrantsika izay. Tsy hiditra amin'ny hoe atao na tsy atao Batisa indray aho fa hijanona eo amin'ilay hoe tsy ahazo famonjena isika rehefa miverina maloto indray.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0557