Ny tena fivavahana Marina
1. christian777
(
05/12/2011 12:17)
I Jehovah Andriamanitra no manorina ny Fivavahana marina.
Tsy ny olombelona no manapaka izany na dia anao ahoana aza ny fahalalan'izany olona izany.
Tsotra no tena hamatarana izany :
- Ny fitandremana ny didiny "Tsy manota izay naterak'Andriamanitra"
- Ny finoana an'i Jesosy "Izay tia ahy dia ny asako no ataony"
- Ny tsy fihatsarambelatsihy "Marina ny naminanian'ny Isaia hoe ity firenena ity manaja ahy amin'ny molony fa ny fony kosa lavitra ahy".
Efa tanteraka daholo ny faminaniana rehetra ao amin'ny Baiboly sy ny tokony hatongavan'ny farany fa inona sisa no mahataraiky azy valiny: Ianao. Mibebaha ary mamohaza voa mendrika ny fibebahana ary aoka tsy ho amin'ny fitiavambola na harena na tena izany fa ilay fitiavana marina sy masina harahina finoana sy fanantenana manangona harena any an-danitra fa efa nialoha lalana anao i Jesosy Kristy ho any amin'ny Jerosalema vaovao.
Diso ve Andriamanitra raha mamela ny faharatsiana ho hisy.Tsia fa efa voalaza mialoha daholo ny zavatra rehetra ka aoka tsy hanome tsiny an'Andriamanitra isika fa hibebaka hatrany.Tadidio fa fony mbola tsy teraka ianao dia efa maty hamonjy anao Kristy.
Joela 3:1-5 Asa 2:1-38
Mahereza tia anao Jesosy

novalian'i Prime ny 28/03/2017 06:10
2. safira2
(
05/12/2011 13:54)
Tena marina, tsy anampiana ary tsy analana ny voalazanao. Ho antsika rehetra tadidio efa akaiky dia akaiky ny farany ka mitodia amin'Andriamanitra amin'ny fonao rehetra amin'zay fa avelao zay rehetra tsy nahasoa.
Tahian'ny Tompo dhl
3. rekinbelo
(
05/12/2011 14:24)
Salama daholo!
tena eo ampiandrasana ny farany isika izao ary marina ny teninao sy hevitrao namana isany,kanefa maro ireo olona no tsoa tsy miraika @ izany fibebahana izany fa ao ireo mbola miandrandra mpitondra ara-politika, ao ireo tena mbla variana mikatsaka harena sy voninahitra, nefa hoy ny Baiboly hoe rehefa manana hanina sy fitafiana dia aoka hianina amin'izany.
Koa ilaintsika izay efa mahita sy eo andalany fibebahana ary ankehitriny ny mampanakoako ho re tany , ho ren-danitra fa akaiky ny farany.
Enga anie ry namana isany mba tsy isika tia misersera ihany no iantefany hafatra fa ireo olona rehetra tso-po sy tia an'Andriamanitra.
Mahereza namana satria tsy ho foana tsy akory ny ezaka ataontsika fa andray valisoa isika raha tsy reraka.

4. Prime
(
05/12/2011 16:48)
Mankasitraka ity lohahevitra ity entin'i Christian77 ity no sady manohana 100% fa akaiky ny farany ary tonga ny antso faran'ny fibebahana.
Ary dia tena iraisako hevitra tanteraka i rekinbelo ny amin'ny hoe aza miandrandra sy mahatoky olona sy mpanao politika fa tsy hitondra famonjena ho anao akory izy raha tonga eo sy hahazo fitondrana. Mba mifohaza amin'izay ry vahoaka Malagasy, ny fiverenanao amin'Andriamanitra no hampiverina ny fiadanana eto fa tsy ny fiverenan'ingahy iry sy ingahy iroa...
Hoy ny voasoratra amin'ny anaran'i Jesosy : « raha ny oloko izay nantsoina amin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny. » II Tantara 7:14...
Mahereza hatrany! Tia anao Jesosy!

5. LazaDaddy
(
06/12/2011 00:08)
Prime:Voaozona izay olona miantehitra amin'olom-belona. Jeremia 17:5
Ary dia tena iraisako hevitra tanteraka i rekinbelo ny amin'ny hoe aza miandrandra sy mahatoky olona sy mpanao politika
6. rijadolly
(
06/12/2011 18:56)
MARKA 13: 35 Koa miambena hianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na maneno akoho, na ho maraina.36 fandrao avy tampoka izy ka mahita anareo matory.37 Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin'ny olona rehetra koa: Miambena.
7. niryna
(
09/12/2011 16:54)
safira2:faran'ny inona kosa aloha e,ataovy hoe mbola tsy mahalala ny tenin'Atra aho dia tonga teneninareo hoe efa akaiky ny farany.Inona no mety hitranga raha milaza izany farany izany safira2?
Tena marina, tsy anampiana ary tsy analana ny voalazanao. Ho antsika rehetra tadidio efa akaiky dia akaiky ny farany ka mitodia amin'Andriamanitra amin'ny fonao rehetra amin'zay fa avelao zay rehetra tsy nahasoa.
Tahian'ny Tompo dhl
Ny fahafantarako azy indray dia hoe efa akaiky ny fahatongavan'i kristy sa diso izany? ny fanambarana rehetra efa tonga avokoa izay manambara ny hoe fahatongavany fa tsy ny farany.Ahitsiho aho raha tsy izay ilay izy
8. rekinbelo
(
10/12/2011 14:39)
tena marina ny fanatsoahan-kevitrao niryna a! Ny fahatongavan'i Kristy no efa akaiky fa tsy hoe farany tany sy ny olombelona akory, fa raha ny farany voasoratra no tianao ho voasana kely dia izao: tsy farany tany (globe) akory no tiana ambara eo fa farany rafitra misy antsika olombelona izao, izany hoe ny fitondran'i Satana izany no hifarana ka hiala daholo ny zv-dratsy rehetra sy ny fahoriana, ka ny fampitandremana lazaina eto dia hoe horingana avokoa ny olona ratsy rehetra tsy mety mibebaka ka ny olona tsara fanahy sy mino an'i Jesosy Kristy sisa no tafita velona.
Nefa tsisy tokony atahorana ny farany akory satria ny fanaovanao sitrapon'Atra sy ny fanarahanao ny didiny ihany dia ahatafita anao ho velona rehefa ho avy ny farany.
Samy ho tahiana isika rehetra ary ho tafita velona refa ho tonga ny farany

9. Prime
(
10/12/2011 18:19)
rekimbelo:... :)
tena marina ny fanatsoahan-kevitrao niryna a! Ny fahatongavan'i Kristy no efa akaiky fa tsy hoe farany tany sy ny olombelona akory, fa raha ny farany voasoratra no tianao ho voasana kely dia izao: tsy farany tany (globe) akory no tiana ambara eo fa farany rafitra misy antsika olombelona izao,
rekimbelo:
izany hoe ny fitondran'i Satana izany no hifarana ka hiala daholo ny zv-dratsy rehetra sy ny fahoriana, ka ny fampitandremana lazaina eto dia hoe horingana avokoa ny olona ratsy rehetra tsy mety mibebaka ka ny olona tsara fanahy sy mino an'i Jesosy Kristy sisa no tafita velona.
Nefa tsisy tokony atahorana ny farany akory satria ny fanaovanao sitrapon'Atra sy ny fanarahanao ny didiny ihany dia ahatafita anao ho velona rehefa ho avy ny farany.
Toa tsy izany no lazain'ny soratra masina namana an!
Rehefa maneno ny trompetran'Andriamanitra dia hiseho amin'ny voninahiny Jesosy eny amin'ny rahon'ny lanitra ka hahita Azy avokoa ny maso rehetra
Hitsangana amin'ny maty avokoa aloha ny maty rehetra na ny tambanin'ny rano na ny an-tanety na ny tsy hita popoka dia miakatra, miditra any amin'ilay Jerosalema Vaovaon'Andriamanitra ny velona sy izay maty naharitra hatramin'ny farany, nihazona ny finoana an'i Jesosy... (tsy ny velona ihany fa ny maty tao amin'i Jesosy rehetra koa na ny maritiora izany na ny nihazona ny finoana hatramin'ny farany)
Izany hoe mijanona eto amin'izao ny sisa rehetra miaraka amin'i Satàna sy ny forongony...
Mbola hisy ady mavaivay hitranga, eo amin'ny anjelin'Andriaùanitra sy ny Satàna sy ny forongony... Dia hisy fotoana hogadraina mandritra ny 1000 taona Satana, izany hoe ny miaraka aminy rehetra dia higadra iharan'izany ihany koa ka hijaly ao anaty afo sy solifara, sy ny fikotrohanify sy ny fisentoana sy ny fahoriana sy ny fahamaizinana tanteraka sy ny horohoro sy ny fijaliana... dia hisy fotoana hovahana mandritra ny 1000 taona hanjaka indray Satàna ka hiriaria eto amin'izao tontolo izao miaraka amin'ny forongony rehetra ary izay vao haringana avokoa ka hisy ny fahafatesana faharoa manomboka eo...
Mbola tantara lavabe io namana an raha ny lazain'ny apokalipsy fa tsy tsotsotra toa izany lazainao izany an!!!
Mazava ho azy fa ny voavonjy dia tsy hahakasika azy izany na dia kely aza fa ao amin'Andriamanitra mandrakizay ny momba azy...
10. rekinbelo
(
12/12/2011 09:09)
fa aiza aloha satana no gadraina ra-Prime?Vakio tsara le andininy eo anie fa ao anaty lavaka tsy hita nonoa anie fa tsy eto an-tany e?
11. Prime
(
12/12/2011 19:21)
rekimbelo:... izaho angaha niteny hoe gadraina eto an-tany izy?... mba mamakia tsara aloha izay nambarako e!
fa aiza aloha satana no gadraina ra-Prime?Vakio tsara le andininy eo anie fa ao anaty lavaka tsy hita nonoa anie fa tsy eto an-tany e?
Izany tokoa no voasoratra ao amin'ny baiboly, ho any amin'ny lavaka tsy hita noanoa izy... any amin'ny farihy afo sy solifara... any amin'ny fikotrohanify sy ny maizina...
rekimbelo:... io nambaranao io no fototry ny nambarako hoe, tsy izany no lazain'ny soratra masina... tsy ringana avokoa izany ny olona ratsy fa mbola misy dingana maro vao ho tonga amin'izany satria tsy maintsy tsaraina ary iharan'ny fitsarana...
izany hoe ny fitondran'i Satana izany no hifarana ka hiala daholo ny zv-dratsy rehetra sy ny fahoriana, ka ny fampitandremana lazaina eto dia hoe horingana avokoa ny olona ratsy rehetra tsy mety mibebaka ka ny olona tsara fanahy sy mino an'i Jesosy Kristy sisa no tafita velona.
Raha ringana avokoa izany no hisy raha vao tonga Jesosy dia azo raisina ho tsara indray anie izany e! tsy misy mijaly izany fa dia foana fotsiny dia izay no izy!!!
12. rekinbelo
(
13/12/2011 05:42)
ka zay mitsy anie namana no tena izy e!fandringanana ny ratsy fanahy sy ny faratsiana mamaneo ny tany amin'izao fotoana izao.Any @ fitsanganana @ maty ndray vao misy fitsarana ny olombelona izany hoe any @ farany arivo taona.
toy ny t@ andron'ny NOa ihany io, nisy ny maty fa i Noa 8 mianaka no tafita velona, toy izay koa ny fiverenan'ny kristy, ireo maneo finoana azy ihany no ho tafita velona toa an'i NOa fahiny.
(Matio 24:36)
Mbola ho lava ny resaka namana fa dia mahereza daholo e!

13. kolo
(
20/12/2011 12:55)
Dia tsy tena fivavahana zany ny an'i sinoa sy ny karana sy ny afrikana sasany sy ny finoana malagasy talohan'ny nidiran'ny baiboly teto???? Dia raha ts ytena izy ireny dia lasa nankaiza daholo ny fanahin'ny olona rehetra taloha tsy nahalala baiboly ....?
14. Prime
(
23/12/2011 09:02)
rekimbelo:
ka zay mitsy anie namana no tena izy e!fandringanana ny ratsy fanahy sy ny faratsiana mamaneo ny tany amin'izao fotoana izao.
Io ilay lazaiko hoe tsy izany no lazain'ny soratra masina... tsy ho ringana izany ny ratsy fanahy sy ny faharatsiana mameno ny tany izao ankehitriny izao fa miditra amin'ny fitsaran'Andriamanitra ka HIGADRA miaraka amin'i Satana sy ny forongony ireo fa tsy ho ringana izany raha tsy amin'ny fahafatesana faharoa izay mbola misy dingana maro indray vao ho tonga any...
rekimbelo:
Any @ fitsanganana @ maty ndray vao misy fitsarana ny olombelona izany hoe any @ farany arivo taona.
Tsia, tsy miandry arivo taona ny fitsanganana amin'ny maty fa raha vao tonga Jesosy dia mitsangana amin'ny maty avokoa ny lasa rehetra ary ireo ihany koa no mandalo fitsarana voalohany ka araka ny nataony no hiakarany any an-danitra na higadrany miaraka amin'i Satana sy ny forongony...
rekimbelo:... Izany tokoa no nolazain'i Jesosy saingy tsy ny endriky ny fitsarana no nolazainy tamin'ny fotoana nilazany io teny io fa ny mahatampoka ny fihavian'ny Zanak'olona... toy ny tamin'ny andron'i Noa izay tsy nisy niraharaha, nanohy ny faharatsiana ny olona satria nihevitra fa tsy hisy izany fitsaran'Andriamanitra izany, variana tamin'ny filibàna ny olona, ka aminzay no ho tonga tampoka Jesosy... (Vakio manontolo ny Matio 24:27-44)
toy ny t@ andron'ny NOa ihany io, nisy ny maty fa i Noa 8 mianaka no tafita velona, toy izay koa ny fiverenan'ny kristy, ireo maneo finoana azy ihany no ho tafita velona toa an'i NOa fahiny. (Matio 24:36)
Mbola hisy adilehibe eo amin'ny anjelin'Andriamanitra miaraka amin'ny zanak'Andriamanitra sy ny dragona miaraka amin'ny forongony rehefa tonga ny fotoana ary dia hisy loza maro hihatra amin'izao tontolo izao rehefa manomboka ny fahatezeran'Andriamanitra... ka tsy tonga dia ringana izany fa ny mifanohitra amin'izany ary aloha no zavatra hisy araka ny voasoratra hoe amin'ny anaran'i Jesosy : « Ary amin'izany andro izany dia hitady fahafatesana ny olona, fa tsy hahita; ary haniry ho faty izy, fa mandositra azy ny fahafatesana. » Apokalypsy 9:6...
Izay hoe ho ringana sy ho faty avokoa izay ny ratsy rehetra dia tsy ara-tsoratra masina fa toa fanamaivanana ny fahatezeran'Andriamanitra sy ny fitsarany... higadra hiaraka amin'i Satana, hiditra amin'ny fijaliana ao amin'ny maizina sy ny fikotrohanify ary ny fisentoana sy ny fijaliana ny mpanao ratsy sy ny faharatsiana fa tsy tonga dia ringana... ho amin'izany no hiafarany saingy mandalo dingana maro vao ho tonga amin'izany...
15. Prime
(
23/12/2011 09:28)
Kolo:
Dia tsy tena fivavahana zany ny an'i sinoa sy ny karana sy ny afrikana sasany sy ny finoana malagasy talohan'ny nidiran'ny baiboly teto???? Dia raha ts ytena izy ireny dia lasa nankaiza daholo ny fanahin'ny olona rehetra taloha tsy nahalala baiboly ....?
Raha izaho aloha dia tsy hitsara fa izay lazain'ny soratra masina no marina raha hoy i Jesosy : « ... Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. » Jaona 14:6
I Kristy tsy niteny hoe misy lalana hafa na fomba hafa fa tokana ihany dia Izy tenany...
Ny hoe nankaiza daholo ny fanahin'ny olona rehetra taloha dia aoka tsy hadino fa mizara telo mazava tsara ny misiona ataon'i Kristy amin'ny maha-Mpamonjy Azy :
1. Nidina tety an-tany Izy, ilay teny tonga nofo ka nonina tamintsika (2012 taona lasa teo ho eo io) ka nitory ny Vaovao Mahafaly (nandritra ny telo taona teo ho eo), fa tia izao tontolo izao Andriamanitra ka naniraka an'i Jesosy ho famonjena azy amin'ny fatoran'ny ota sy ny ozon'ny fahafatesana ary ny fanandevozan'i Satana
2. Rehefa natolotra Kristy ho faty teo amin'ny hazofijaliana dia nidina tany amin'ny fiainan-tsihita (ny helo) nandritra ny telo andro sy telo alina... tsy nitsangatsangana no nalehany tany fa nanohy ny asa misiona nidinany teto an-tany ho an'izay rehetra maty talohan'ny nahatongavany izany hoe izay rehetra maty hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao ho famonjena izay rehetra mbola afaka mandray sy mino an'i Jesosy
3. Rehefa niakatra tany an-danitra Jesosy dia naniraka ny Fanahy Masina Andriamanitra hiasa ho fiala-nenina farany ho an'izay rehetra mbola misalasala mba handray an'i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainany fa Kristy kosa mifona andro aman'alina ho an'ny mpino... ary io no asa misiona lehibe anirahana ny fiangonana dia ny hitory ny Vaovao Mahafaly fa Jesosy no lalana mankany amin'Andriamanitra
Raha raisina ara-jeografia sy ara-tsaina sy ara-nofo dia azo heverina ny fanamarihanao saingy izao no tsarovy... manana ny fomba fiasany Andriamanitra ka tsy hisy tsy mandre ny filazantsara izany... ary Izy no niteny fa amin'ny andro hihavian'i Kristy dia tsy hisy olona na dia iray aza afaka hiteny hoe, "izaho mbola tsy nandre izany"... fa na any amin'ny kizo indrindra aza dia efa tongan'ny filazantsara ankehitriny... hatrany amin'ny faran'ny tany hoy ny tenin'Andriamanitra ary izay no mahakaiky ny farany... fa moa ny olona ve mandray? izay no tena fanontaniana tsara dinihina hoe : fa mandray an'i Kristy ve ny olona rehefa anambarana ny fitiavan'Andriamanitra azy?
180 taona teo ho eo izao no nahatongavan'ny filazantsara teto Madagasikara ohatra... mbola misy olona na faritra mbola tsy nandre ny filazantsara va? eny tokoa, raha misy dia misy dia 0,001% angamba sisa, dia ireo ampahan'olona tsy manam-pifandraisana amin'ny sivilizasiona, dia ireo izay mipetraka any anaty ala sy zohy toy ny "mikea" ohatra... nefa na ireo aza dia mbola tsy nandre mihitsy va ny filazantsara? matoa Jesosy mbola tsy tonga eny amin'ny rahon'ny lanitra dia mitombina ny fanamarihanao fa misy any ho any mbola tsy nandre... adidin'ny fiangonana lehibe tokoa no miandry amin'izany...
Fa ny tena fanontaniana tsara handinihantsika tena dia hoe : izaho ve tsara fihavanana amin'Andriamanitra? manana an'i Jesosy ho Mpamonjy ahy aho sa tsia? ny faheverezan'ny taloha sy ny ho avy sy ny sinoa sy ny karana sy ny gasy fahiny dia probleman'Andriamanitra ary tsy hamelany ireo raha tsy voavonjy avokoa izay mihaino sy mandre ary mandray an'i Jesosy amin'izy ireo...
Ny famonjen'i Kristy tsy miankina amin'ny anaram-piangonana, na karazam-pivavahana, na foko, na firazanana fa amin'ny finoana an'i Jesosy!
16. kolo
(
26/12/2011 06:40)
Hoy i Prime " manana ny fomba fiasany Andriamanitra ka tsy hisy tsy mandre ny filazantsara izany... ary Izy no niteny fa amin'ny andro hihavian'i Kristy dia tsy hisy olona na dia iray aza afaka hiteny hoe, "izaho mbola tsy nandre izany"..."
Dia ten mahagaga ahy ny fahamarinan'io voalazanao. Tsy haiko raha voavalinao ny fanontaniko hoe " Angaha ny malagasy maty talohan'ny nidiran'ny baiboly koa lasa nahay namaky baiboly ???? "
Ary ny nandre anie tsy voatery hino avokoa e.
Ary i Andriamanintra angaha ratsy fanahy? Ka raha tsy mino ny baiboly (Izay tsy inoko koa fa tenin'Andriamanitra inzany velively) dia ariny avy hatrany ?

17. rekinbelo
(
26/12/2011 08:20)
miarahaba namana!
Tiako lazaina @ kolo dia izao:
Andriamanitra anie tsy mitsara ireo olona efa maty fa isika velona izao no tsarainy rehefa tonga ny andro hamaraniny izao zvt ratsy rehetra izao e.
Ao @ fanjakana arivo taona Kristy vao misy ny fitsarana ireo olona efa maty ireny , izany hoe atsangana @ maty izy ireny dia ampianarina ahalala an'Andriamanitra indray, rehefa ho tapitra io arivo taona io izay vao tsaraina ireny olona taloha ireny hoe nanaraka sy nino ary nanaiky an'Andriamanitra ve izy sa ahoana?
Ny Baiboly anie tsy zvt compliqué akory fa ny olombelona no manasarotra zvt ka mamorona sy mamoaka hvt araka izay tiany atao de lasa toy tsy marina ny baiboly ary toa lasa fitaovana entina manjanan-tany sy saina ary entina hanandevozina olona aza e!

18. kolo
(
27/12/2011 05:20)
Hoy i rekinbelo hoe "Ny Baiboly anie tsy zvt compliqué akory fa ny olombelona no manasarotra zvt ka mamorona sy mamoaka hvt araka izay tiany atao de lasa toy tsy marina ny baiboly ary toa lasa fitaovana entina manjanan-tany sy saina ary entina hanandevozina olona aza e!"
Marina loatra io , fa isan'ny zavatra iray (ataotsika hoe fitaova-piadiana voalohany) nentin'ny firenena eropena entina nanjanaka firenena maro ny baiboly.
Ny tsy hain'ny olona angamba dia hoe " ny baiboly anie ka toy ny lalampanorenana tamin'ny fotoan'androny fahagola tany amin'ny faritra tsy nisy an'i Madagasikara e." Namboarina io mba hahatsara ny fiaraha-monina teo amin'i ofaritra io fa tsy tenin'Andriamanitra velively.

19. rekinbelo
(
27/12/2011 05:56)
Marina ny anao hoe anisan'ny lalam-panorenana ny faritra tsy nisy an'i Madagasikara ny Baiboly!Natao ho an'i Jiosy tokoa ny tapany voalohany ao @ Baiboly (pentateque) no tiako ambara. fa ny tapany hafa sisa dia natao ho an'ny olombelona rehetra. Ary logique be raha maro ny olona no manambany baiboly satria dia nentina nanjanaka tany maro izy io.tsy ny baiboly irery anefa no voahosopotaka t@ izany fa i Kristy ilay namorona ny Kristianisma mihitsy satria itantsika io zao ny vokany.Anisan'ny fitaovana iray entina exploiter-na ny olombelona ny kristianisme @ izao fotoana izao, ary raha ny tena marina aza dia Satana Devoly no ao ambadika ao ka mahatonga antsika hanalavitra an'Andriamanintra sy tsy hino ny baiboly.
Tadidio kosa anefa ry Kolo fa tsy ny baiboly irery no nentina nanjana-tany fa teo ihany koa ny Coran, izay anisan'ny fitaovana iray ihany koa entina mandrebireby ny sain'olombelona. Koa mila mandinika tsara ary aloha ise hoe ahoana ny tena marina satria presque ny fivavahana avy any antsimo, andrefana , antsianana , avaratra dia mitovy fombafomba avokoa na kristianaina izy na boudhiste , na shintoista, na musulman , sns,
amehezako azy farany dia izao: Voalaza ao anty baiboly ao fa ho avy ny fotoana andringanana ireo karazan-pivavahana maro be ireo eto an-tany ka @ farany dia ny tena fivavahana marina iray sisa no anjaka eran-tany. Antsoin'ny Baiboly hoe Babylona lehibe io fitambaram-pivavahan-diso io. ary io sisa no faminaiana tsy tanteraka.
Mamporisika an'ise ary aho mba handinika tsara ny Baiboly aloha dia ahafantatra ny tena marina momba ny fivavahana, satria nanana fomba fijery tahaka ny an'ise koa za fahiny fa nandinika tsara aho ary tsy ny fiangonana akory no important amiko fa ny baiboly.

20. kolo
(
27/12/2011 06:43)
Hoy indray ianao hoe " ary raha ny tena marina aza dia Satana Devoly no ao ambadika ao ka mahatonga antsika hanalavitra an'Andriamanintra sy tsy hino ny baiboly. "
Voafaritra ara-tsiantifika sy ara natiora ve izany atao hoe devoly izany ? sa fotsiny hoe rehefa tsy mifanaraka am fiheveran'ny kristiana sy ny voalazan'ny baiboly dia evirina ho devoly avokoa ???? Ny zavatra hitako mantsy eto amitsika , ny zavatra rehetra izay hitan'ny olona fa manelingelina ny masony sy ny sofiny ary indrindra tsy hitany ao anty ny baiboly dia devoly na asan-devoly hono . Ataoko hoe hono satria ilay devoly amiko toa tsy misy satria fihevitra iray nentina hanoherana ilay baiboly fotsiny ihany .