Ny tena fivavahana Marina

21. didi10 ( 27/12/2011 07:53)
Tsara ny Tompo

Namana Kolo

Asa 17 30-31
30 Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka,, 31 satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin'ny fahamarinana amin'ny alalan'ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin'ny nananganany Azy tamin'ny maty.

Tsy hitovy mihitsy ny fitsarana anao efa nitoriana ny filazantsara sy ny olona maty tsy nahalala ny vaovao mahafaly, aza mitsara azy ireo eo amin'ny toeran'Andriamanitra fa Azy irery ny fitsarana.

Ny hafatro amintsika namana mpisera rehetra dia katsaho ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinana , aza miantehitra amin'ny "grâce" na famindram-pon'Andriamanitra fa aleo maka "Assurance" fa handova ny fiainana mandrakizay amin'ny fikatsahana ny fahamarinana sy ny fampianarana tsy misy kilema.

Tim II 4 : 3 - 5
3 Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; 4 ary hampiala ny sofiny amin'ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin'ny anganongano. 5 Fa hianao kosa mahonona tena amin'ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan'ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao.

fjkhfp@yahoo.fr
22. rekinbelo ( 28/12/2011 11:46)
Ka ny olona mihitsy anie Kolo no tsy manana fahalalana firy e!Satana devoly anie ka iray ihany e!Zavaboary iray izy io fa nivadika t@ Andriamanitra ka lasa nanao défi @ Antriamanitra ary nitarika ny olombalona hanota sy hivadika @ Andriamanitra.Diso ilay fiteny hoe idiran'ny Devoly izany.
Enao ve mino fa misy Ve aolha Andriamanitra?
Miandry ny valin'io fanontaniako io aho dia hamaly anao hoe ahoana no ahafantarana fa misy ny devoly.
23. kolo ( 29/12/2011 05:26)
Manaôna indray!
Ka na satana na devoly mitovy ny fandraisan'ny olona ny asany.
Mino ny fisian'ny nahary izao tontolo izao aho, saingy mety tsy hitovy ny finontsika azy. Ary ny devoly dia endrika ireny noforonin'ny olombelona ihany satria izay zavatra rehetra everiny fa tsy mifanaraka amin'ny eritreriny dia devoly na asan-devoly amiko. Dikan'izany dia tsy misy ny devoly ary mitovy amin'ny tsy fisin'ny Paradisa( toerana io a) sy ny Afobe.

24. Miharena ( 10/01/2012 15:22)
Mba namaky dia mahita hoe tsy izaho irery kay no milaza fa tsy misy Devoly fa i Kolo koa.

Mila mieritreritra lalina tokoa isika olombelona alohan'ny handresen-dahatra ny momba ny voalazan'ny Baiboly.

Aiza ho aiza no fahaizan'ny olona mamantatra fa maro ny resaka ao anatn'ny Baiboly mila avahana tsara sy kilasiana araka ny hevitra avoitrany?

Ireto no mila fantarina:

- Inona no Fototra iaingana?
- inona no anton'ny fahalavoana nanakona ny Fototra nahatonga tragam-piarahamonina voatantara ao anaty Baiboly?
- Inona no tokony hohazonina tsy hahamaizina ny Fototra?

Ny tsoakevitra tokony hivoitra dia ny fahalalàna an'Andriamanitra mazava tsara rehefa savasavaina ireo rehetra ireo. Tsy eritreritra fa fahatsapana tanteraka AZY anaty no tanjona amin''io fisavasavana io.

Raha mamelabelatra ny Krsitiana dia matetika tsy mandray io Fototra io fa mitanisa hodinkodin-javatra ihany matetika. Anisan'ny ohatra ny fombafomba indraindraina izay tsy azo lazaina ho latsa-paka na hanazava injato amby arivo aza ny Kristiana mitory. Eo koa ny fanolahana ny faharatsiana any amin'ny resaka Devoly sy Satana fa tsy ny tsirairay no mandini-tena.

Izay no isan'ny tokony hananana fomba fijery anaty tanteraka rehefa mitory fa tsy hitanisa zava-poana izay sarotra raisina ao am-po. Ka ny fanitsiana ireo fomba fijery rehetra no tokony hampivoitra ilay atao hoe tena fivavahana marina.

Ohatra: ny fibebahana dia tokony hay ny mampita azy amin'ny olona: fandinihan-tana ny fibebahana ka manala ireo vesatra manarona ny hazavan'ny tena mba hampipoitra ny MAZAVA izay endrik'Andriamanitra ao amin'ny tena. Asa na fry ny fiangonana no mitory izany fahamarinana izany mivantana na firy.
25. rijadolly ( 10/01/2012 16:34)
Miverena indray ity ady hevitra ity dia tsy nahatsindry ny tena ka dia mandray anjara kely.

Ho an'i Kolo aloha dia izao no lazaiko an'se. Io samy manana ny Mpampianatra azy, ekeko fa iray ny hitoviana dia ilay Andriamanitra nahary izao tontolo izao. Nefa tsy hary mitovy avokoa ny mpampianatra ny tsirairay (Maitre). Iza ny atoko mpinoana eto antany no tsy mitarika ny olona ho any aminy, ary dia mitady hevitra ratsy aza mba hangalana mpino maro ny sasany(Izaho tsy miteny hoe ny Kristianina mitarika tsara aloha eto a!) Anjaran'ny Atokom-pinoana iray no mandresy lahatra amin'ny fomba rehetra.
Miverina any amin'ilay Kristianina amin'izay aho, rehefa samy nandinika ny mpampihanatrany avy isika rehetra atoko. Amin'ny maha Kristianina ahy dia i Kristy no hinoako teny, Izay zavatra rehetra lazaiNY dia hadidiako tsara. Ary mihezaka aho hanannntateraka io teniny io mba ahazahoako ilay tanjona izay nolazaiNy. Mino aho fa tsy maintsy milaza ahy adala izay manana mpampianatra hafa izay mifanohitra nolazain'i Kristy no nolazain'io mpampianatrany io. Dia tahaka izany izahay Kristianina, Tsy tianay ho very ao amin'Kristy araka ny asa izay nampanaoviNY anay ny olon-drehetra ka izany no anaNtony hitorianay Ny FilazantsaraNY raha mbola mazava koa ny andro. Izany hoe, Ny Mpampianatry ny tsirairay izany no tompon'andraikitra voalohany ireo olona entiny. Taritiny atsy ny olona, dia izy izay no mampitoetra azy ireo ao amin'io heveriny fa soa io., Taritiny ary ny olona, dia mbola izy ihany koa izany no mampitoetra ny olona ao amin'io toerana io. Anjaratsika noho izany no misafidy, fa kosa ny Atoko rehetra dia samy manao pub ny azy avy raha izay no mahalaza azy amin'ny ankapobehiny.

Mahaiza mifidy ny Maitre tsara isika rehetra e! Isika manty navelan'Andriamanitra hisafidy. Matoa mantsy misy ny safidy dia misy tsara sy ratsy izay, fa tsy hoe tsara avokoa na hoe ratsy avokoa izay mitarika hamoana ny safidy.
26. rijadolly ( 10/01/2012 16:41)
Hoy i Miharena:

Mba namaky dia mahita hoe tsy izaho irery kay no milaza fa tsy misy Devoly fa i Kolo koa.

Faly ery se fa misy namana, nefa raha namaky tsara aho dia tsy mitovy mihitsy ianareo sy Kolo. Ny azy ny Baiboly mihitsy no tsy ekeny ka mitarika izay heviny izay. Fa ny an'se Marina daholo ny ao amin'ny Baiboly nefa dia mitovy hevitra nareo.
27. Miharena ( 10/01/2012 19:32)
Efa tokony hiditra amin'ny tena vontoatin'ny finoana ny olombelona ankehitriny ary miala amin'ny honohono.

Tsy manao aho hoe faly fa misy resy lahatra ny tsy fisan'ny devoly fa ny famerenana tantara ataon'ny Kristiana no tiana apetraka hoe zary lasa manao cercle vicieux izy ireo rehefa mampianatra sy mitory ka tsy hitan'ny olona izay lohany sy vodin'ny tiana ahatongavana.

Anisan'izany ohatra ireo resaka momba ny apokalypsy voambara eo ambony ireo. Karazana nterpretation diso ihany no hita ataon'ny olona momba ireo resaka arivo taona hamatorana an'i Satana ireo. Karazana eritreritra ihany fa tsy manazava ny tena zava-misy.

Ny famahana ny fatorana azon'ny olombelona noho ireo hevi-diso maro nangonina nandritra ny andro niainany teto an-tany no anton'ny nahatongavan'i Kristy sy ireo olon-kendry maro taloha toa an'i Boudha sy ny mpitana fahendrena tatsinanana. Misy itovizany avokoa ny fampianaran'izy ireo ary mifototra amin'ny fampiraisana ny olombelona amin'Andriamanitra izay miorina ao anati'n'ny tsirairay. Io fahamarinana io na dia toriana any am-ppiangonana aza dia zary tsy inoan'ny Krsitiana loatra fa mitady famoaboasan-kevitra izay mampiasa saina hatrany izy vao milaza fa mahay mitory teny ny olona iray.

Ny hany mba tsikaritro dia mitady izao fanalahidy tsy mety hita izao hatrany no itondran'ny mpitarika sasany ny olona fa tsy tonga dia apetraka tsara ilay fahefana lehibe izay efa nananana hatrizay ao anatin'ny olona amin'ny maha-ensrik"Andriamanitra azy avy.
28. kolo ( 11/01/2012 05:41)
Hoy i rijadolly: "Mahaiza mifidy ny Maitre tsara isika rehetra e! Isika manty navelan'Andriamanitra hisafidy".
Tena marina io , tokony hahay hifidy ny maitre-ny. Raha ny ahy izao a, dia ny Ray aman-dReniko no maitre-ko eto ambonin'ny tany. Ireo no raisiko ho solon'Andriamanitra. Ary ankoatr'izay raha mandeha lavidavitra kokoa dia ireo razam-be nipoirako. Sarotra amiko ny haka maitre avy any amin'ny firenen-kafa tsy haiko fiaviana any.
Aminko ny paradisa dia rehefa nanao zavatra tsara sy mendrika aho am andro ivelomako dia tsy enjehin'n yeritreritro dia izay ilay paradisa. Ary raha nanao ratsy aho izay mitarika ny aditsaiko na ny aretitsaiko izay mikiky lava ny ati-panahiko dia izay ilay afobe.
Mbola hitohy ....... ny fanamarinana amin'ny hevitro.
29. rijadolly ( 12/01/2012 16:13)
Azon'ny Miharena ve ity teniko ity

Faly ery se fa misy namana, nefa raha namaky tsara aho dia tsy mitovy mihitsy ianareo sy Kolo. Ny azy ny Baiboly mihitsy no tsy ekeny ka mitarika izay heviny izay. Fa ny an'se Marina daholo ny ao amin'ny Baiboly nefa dia mitovy hevitra nareo.


KOLO>>>> Ka izay anie ilay izy e! Ny Maitre tsy mitovy razana an'se izao lazain'se fa sarotra ny maka azy, nefa ny any IZY mihitsy no miantso sy miantoka anao hatrany am-parany sy izay fiainana aorian'izao fiainana izao. Dia izay ilay hoe mahaiza mifidy izay hanantanteraka ny zavatra ilainao. Ny Ray aman-dReniko izao nihezaka nanoro ahy ny fahendrena sy ny lalam-piainana sns... nefa nilaza izy ireo fa zava-poana izany rehetra izany raha tsy miaraka an'Jesoa Kristy ilay efa nisy taloha an'izao rehetra izao. Dia hijanona eo amin'ilay fampianaran'Ray sy Reniko ve izaho hoy ianao? Mino aho fa iray hevitra isika sy i se fa hanaiky izay lazain' izy ireo aho, fa kosa, handalina bebekokoa aho amin'ny fahamarinany.
30. stahtam ( 02/09/2015 08:16)

christian777:

I Jehovah Andriamanitra no manorina ny Fivavahana marina.
Tsy ny olombelona no manapaka izany na dia anao ahoana aza ny fahalalan'izany olona izany.
Tsotra no tena hamatarana izany :
- Ny fitandremana ny didiny "Tsy manota izay naterak'Andriamanitra"
- Ny finoana an'i Jesosy "Izay tia ahy dia ny asako no ataony"
- Ny tsy fihatsarambelatsihy "Marina ny naminanian'ny Isaia hoe ity firenena ity manaja ahy amin'ny molony fa ny fony kosa lavitra ahy".

Efa tanteraka daholo ny faminaniana rehetra ao amin'ny Baiboly sy ny tokony hatongavan'ny farany fa inona sisa no mahataraiky azy valiny: Ianao. Mibebaha ary mamohaza voa mendrika ny fibebahana ary aoka tsy ho amin'ny fitiavambola na harena na tena izany fa ilay fitiavana marina sy masina harahina finoana sy fanantenana manangona harena any an-danitra fa efa nialoha lalana anao i Jesosy Kristy ho any amin'ny Jerosalema vaovao.

Diso ve Andriamanitra raha mamela ny faharatsiana ho hisy.Tsia fa efa voalaza mialoha daholo ny zavatra rehetra ka aoka tsy hanome tsiny an'Andriamanitra isika fa hibebaka hatrany.Tadidio fa fony mbola tsy teraka ianao dia efa maty hamonjy anao Kristy.

Joela 3:1-5 Asa 2:1-38

Mahereza tia anao Jesosy



Stahtam mamaly an'i christian777,
Fivavahana marina no resaka dia mba manana éléments vitsivitsy azo anampiana e!
Ny anaran'Ilay nampisy ny lanitra sy ny tany dia efa nilaza ny anarany tamin'i Mosesy teo amin'ilay roimemy nirehitra. (Tsy tamin'ny teny malagasy io); koa tsy io voalazanao io izany no izy fa hafa. Rehefa niresaka Izy dia hoy Izy hoe: "Lazao amin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Is..." Hoy ny Isaia 52/6: koa ny oloko dia hahalala ny anarako, dia ireo olony ireo izany no tadiavina dia anontaniana hoe ianareo no olony koa Iza no anarany ary ahoana no fomba fivavaka Aminy dia mino aho fa ho hita ny FIVAVAHANA MARINA e! Milaza ny mpaminany rehefa hitranga izany zavatra izany fa "izao no hiseho any am-parany" : Zakaria 8/23. Rahoviana àry io no ho tanteraka? Indices maromaro izay koa mazotoa mikaroka izay rehetra mangetaheta famonjena e!
31. stahtam ( 02/09/2015 08:18)

christian777:

I Jehovah Andriamanitra no manorina ny Fivavahana marina.
Tsy ny olombelona no manapaka izany na dia anao ahoana aza ny fahalalan'izany olona izany.
Tsotra no tena hamatarana izany :
- Ny fitandremana ny didiny "Tsy manota izay naterak'Andriamanitra"
- Ny finoana an'i Jesosy "Izay tia ahy dia ny asako no ataony"
- Ny tsy fihatsarambelatsihy "Marina ny naminanian'ny Isaia hoe ity firenena ity manaja ahy amin'ny molony fa ny fony kosa lavitra ahy".

Efa tanteraka daholo ny faminaniana rehetra ao amin'ny Baiboly sy ny tokony hatongavan'ny farany fa inona sisa no mahataraiky azy valiny: Ianao. Mibebaha ary mamohaza voa mendrika ny fibebahana ary aoka tsy ho amin'ny fitiavambola na harena na tena izany fa ilay fitiavana marina sy masina harahina finoana sy fanantenana manangona harena any an-danitra fa efa nialoha lalana anao i Jesosy Kristy ho any amin'ny Jerosalema vaovao.

Diso ve Andriamanitra raha mamela ny faharatsiana ho hisy.Tsia fa efa voalaza mialoha daholo ny zavatra rehetra ka aoka tsy hanome tsiny an'Andriamanitra isika fa hibebaka hatrany.Tadidio fa fony mbola tsy teraka ianao dia efa maty hamonjy anao Kristy.

Joela 3:1-5 Asa 2:1-38

Mahereza tia anao Jesosy



Stahtam mamaly an'i christian777,
Fivavahana marina no resaka dia mba manana éléments vitsivitsy azo anampiana e!
Ilay nampisy ny lanitra sy ny tany dia efa nilaza ny anarany tamin'i Mosesy teo amin'ilay roimemy nirehitra (Eks 3/15), tsy tamin'ny teny malagasy io; koa tsy io voalazanao io izany no izy fa hafa. Rehefa niresaka Izy dia hoy Izy hoe: "Lazao amin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Is..." Hoy ny Isaia 52/6: koa ny oloko dia hahalala ny anarako, dia ireo olony ireo izany no tadiavina dia anontaniana hoe ianareo no olony koa Iza no anarany ary ahoana no fomba fivavaka Aminy dia mino aho fa ho hita ny FIVAVAHANA MARINA e! Milaza ny mpaminany rehefa hitranga izany zavatra izany fa "izao no hiseho any am-parany" : Zakaria 8/23. Rahoviana àry io no ho tanteraka? Indices maromaro izay koa mazotoa mikaroka izay rehetra mangetaheta famonjena e!
32. RA TAN ( 21/03/2017 03:31)
Manana ny fampianarany A/tra ahafahana miaraka aminy. Dia IZAY MANANA NY FAMPIANARAN'A/TRA NO MANANA AN'A/TRA (2JAONA 9).
Ny fampianarany dia hoe: "RAVA NY DIDY FOLO (EFES,2:15", fa raha tsy izany dia tsy tafaraka @ A/tra ny hafa firenena rehetra
33. stahtam ( 21/03/2017 05:29)

[quote=RA TAN]
Manana ny fampianarany A/tra ahafahana miaraka aminy. Dia IZAY MANANA NY FAMPIANARAN'A/TRA NO MANANA AN'A/TRA (2JAONA 9).
Ny fampianarany dia hoe: "RAVA NY DIDY FOLO (EFES,2:15", fa raha tsy izany dia tsy tafaraka @ A/tra ny hafa firenena rehetra

[quote=stahtam]
Izao no marina @ ity andriamanitra iray ity: Yahoshuah no nahary ny lanitra sy ny tany, avy eo nohomboana t@ hazofijaliana izy, avy eo nandrava didy folo
34. Prime ( 28/03/2017 06:10)
Tia izao tontolo izao Jesosy ka nanolotra ny tenany ho faty hamonjy ny maro ary nitsangana tamin'ny maty ho Lahimatoa amin'ny maty sy ny fitsanganana amin'ny maty
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1907