JOURNAL, VAOVAO, INVITE DU ZOMA 02 DEC 2011
1. rijadolly
(
03/12/2011 01:15)
JOURNAL 02 DEC 2011 http://blip.tv/tv-plus-madagascar/journal-du-02-dec-2011-5788317
INVITE DU ZOMA 02 DEC 2011 http://blip.tv/tv-plus-madagascar/invite-du-zoma-du-02-decembre-5788767
VAOVAO 02 DEC 2011 http://blip.tv/tv-plus-madagascar/vaovao-du-02-dec-2011-5788443

novalian'i rijadolly ny 03/12/2011 08:45
2. rijadolly
(
03/12/2011 01:48)
Io ary ilay nolazaiko fa misy mivarotra glace ranony amin'izao fotoana, Aiza ilay antony mahatonga izao e! tsy miteny ireo grand corps rehetra miasa ao amin' JIRAMA ao, rehefa mahazo toerana ve dia mihidy ny vava sao esorina eo amin' toerana? in no maha samy hafa anareo sy ny mpanao politika amin'izao fotoana izao? Manakona ny tsy mety ataon'sasany fotsiny, ianareo indray ity aza no toa mpiharo azy ireo raha izao no jerena, ny fahaizana no entina manafina ny marina, fitahina ny tsy fahampian' ny rano ny fahatapahana, tena manadondrona vahoaka fotsiny izao.
3. rijadolly
(
03/12/2011 02:25)
Ô ry HAT Ô! Aoka re izay ny vava ratsy a! hihihihihihi! ny jeux des lumières nareo anie no mampihirahiran'hafa e!
Mifanantona fa aza miavona am-po, marina e!

4. rijadolly
(
03/12/2011 08:45)
VAOVAO MA-TV 02 DEC 2011
Nanamarika ny andro androany ny fametrahana tamin'ny fomba ofisialy ny mpikambana eo amin'ny parlemanta roa.
Manoloana ny fanitarana ny parlemantan'ny tetezamita, dia manana ny ambarany ny mpikambana eo anivon'ny filankevitra ambonin'ny tetezamita.
Anisan'ny tsy nanolotra lisitra ary tsy mandray anjara ao anatin'ny parlemantan'ny tetezamita ny avy amin'ny ankolafy Zafy Albert.
Eo anatrehan'izay fitomboan'ny mpikambana eo anivon'ny CT sy CST iza, dia tsy maintsy hisy fiovana ny tombontsoa raisin'ny mpikambana eo anivon'ny parlemanta roa, araka ny nambaran'ny minisitry ny Vola sy ny Teti-bola.
Androany dia ny praiminisitra teo aloha ny jeneraly Camille Vital indray no noraisin'ny filoha teo aloha ny Amiraly Ratsiraka, tetsy amin'ny hotely Carlton izay ipetrahany miaraka amin'ny fianakaviany.
Mpisoloky ireo olona manao fanambarana amin'ny anaran'ny fikambanana Mientana ho an'ny demokrasia eto Madagasikara, na MDM, raha tsy mahazo alalana avy amin'ny birao nasionaly.
Nanatanteraka fihaonana tamin'ny mpanao gazety io atoandro io ny fianakavian'ny gadra politika. Nandritra izany no nitondran'izy ireo ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena.
Naneho ny heviny mikasika ny fananganana ny governemanta sy ny parlementa ny vondron'olom-pirenena izay nilaza fa be loatra ny isan'ireo mpikambana ao amin'ny CT sy CST, ka tokony hahena.
Namarana ny fankalazana ny faha-50 taona nijoroany ny polisim-pirenena. Nisy arak'izany ny fametrahana ny vato fahatsiarovana izany fankalazana izany.
Tonga nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto Madagasikara atoa Eric Mayoraz, ambasadaoro vaovaon'i Soisa, tamin'ny filohan'ny tetezamita Andry Rajoelina androany.
Nilaza ny paramédicaux omaly nandritry ny fivoriana izay nataon'izy ireo, fa tsy tokony hatao maimaika ny fanatanterahana ny famindrana ny fampiofanana ho mpitsabo mpanampy sy mpampivelona eny amin'ny anjerimanontolo.
Resaka kolikoly indray, dia nikarakara atrik'asa lehibe momba ny kolikoly ny CAJAC na ny ivotoerana misahana ny fandraisana an-tanana ireo olona iharan'ny kolikoly.
Hankalazaina manomboka rahampitso ny herinandron'ny firaisankina andiany fahatelo. Mitana toerana lehibe tokoa izany hetsika izany, indrindra eo amin'ny lafin'ny fampiroboroboana ny resaka zon'olombe
Tafiditra ao anatin'ny fankalazana ny faha-20 taonan'ny seranam-piaramanidina malagasy, dia nisy ny fanolorana mari-pankasitrahana ireo mpiasa eny anivon'izany seranam-piaramanidina izany.
Nampahafantarina tao amin'ny hotely Colbert fa zava-dehibe ny fomban-drazana ary misy ankehitriny ny fikasana hanangana ladoany vaovao raha ny voalazan'ny mpanjakan'ny Sakalava sy ny mpiara-miasa aminy akaiky.
Ny alahady ho avy izao no hankalaza ny alahadin'ny mpitandrina ny FJKM Ambodifahitra Maritiroa. Ho fanomanana izay dia nisy ny fisindàna nataon'ny loholona sy diakona.