VAOVAO 28 NOV 2011

1. rijadolly ( 29/11/2011 00:52)
VAOVAO 28 NOV 2011 http://blip.tv/tv-plus-madagascar/vaovao-du-28-novembre-2011-5775389
novalian'i rijadolly ny 29/11/2011 02:11
2. rijadolly ( 29/11/2011 02:11)
Nody an-tanindrazana omaly i Tojo Ravalomanana, zanaky ny filoham-pirenena teo aloha, sy Guy Rivo Randrianarisoa, mpitondra teny an'ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana


Saika raikitra ny fifandonana omaly teny amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato, teo amin'ireo mpikambana ao amin'ny AV7 sy ireo mpomba ny ankolafy Ravalomanana.


Nisy androany ny fivoriana izay niarahan'ny filoham-pirenena teo aloha ny amiraly Didier Ratsiraka, ny profesora Zafy Albert ary ny praiminisitra Omer Beriziky.


Nanomboka ny zoma lasa teo ny fivoriana izay niarahan'ny ankolafy sy vondrona politika nanao sonia ny sori-dalana ho fananganana ny parlemanta.


Notanterahana nandritra ny filan-kevitry ny minisitra ny zoma lasa teo ny fandrafetana ny teti-bolam-panjakana 2012. Hojerena ny laharam-pahamehana ho an'ny taona ho avy sy ireo tokony hilàna fitsitsiana.


Notanterahana androany atoandro ny famindram-pahefana teo amin'ny ministra teo aloha sy ny minisitry ny Angovo vaovao.


Nanambara ny avy ao amin'ny Alliance Voahary Gasy nandritry ny fihaonana tamin'ny mpanao gazety androany fa tokony hitohy ny fanangonana tahirina andramena.



Noho ny fangatahan'i Andrywui izany dia alefatsika eto amin'i politika androany ny vaovao tsy politika

Ny 25 novambra lasa teo no nahitana fatina trozona lehibe iray teny amin'ny sisin-dranon'Ambila Lemaitso. Fanindroany izao ireo mponina any an-toerana no nahita trozona lehibe maty tahaka izao.


Notokanana tamin'ny fomba ofisialy ny sabotsy teo, tany Toliara ny masoivoho faha-27 ny Caisse d'Epargne de Madagascar.


Ny « Organisation pour l'harmonisation des droits des affaires en Afrique » sy «Droits des Affaires Malgaches», izay no lohahevitry ny atrik'asa izay tanterahana mandritry ny roa andro ao amin'ny antenimieran'ny varotra sy ny indostria Antaninarenina.


Tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo no notokanana tao Moramanga ny ivo-toerana fampiofanana amin'ny lafin'ny fambolena sy fiompiana avy ao amin'ny orinasa Ambatovy.


Nanome fihenam-bidy 25% ho an'ny mpanjifa ny orinasa Makiplast, hatramin'ny 03 desambra ho avy izao.


Fahombiazana, izay no azo amintinana ilay fampisehoana hira ara-pilazantsara izay nokarakarain'ny antoko mpihira AMA tetsy amin'ny FJKM Katedraly Analakely, omaly.


Tsy ireo mpanjifa ihany no mahazo tombotsoa amin'ilay kilalao Méga Tombola izay karakarain'ny Airtel, fa ireo mpaninjara ny vokatra Airtel ihany koa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2762