JOURNAL 25 NOV 2011; VAOVAO 25 NOV 2011; INVITE DU ZOMA 25 NOV 2011

1. rijadolly ( 25/11/2011 17:49)
JOURNAL 25 NOV 2011 http://blip.tv/tv-plus-madagascar/journal-du-25-novembre-2011-5767577
novalian'i rijadolly ny 27/11/2011 07:03
2. rijadolly ( 26/11/2011 00:12)
VAOVAO 25 NOV 2011 http://blip.tv/tv-plus-madagascar/vaovao-du-25-novembre-2011-5767741
3. rijadolly ( 26/11/2011 03:08)
INVITE DU ZOMA Imbiky Anaclet http://blip.tv/tv-plus-madagascar/invite-du-zoma-du-25-novembre-2011-imbiky-anaclet-5768405
4. rijadolly ( 26/11/2011 05:11)
VAOVAO 25 NOV 2011 MATV
Notanterahana androany ny filan-kevitry ny governemanta voalohany notarihan'ny praimini sitra Omer Beriziky teny amin'ny lapan'i Mahazoarivo .
5. rijadolly ( 26/11/2011 06:22)
Tsy nanaiky niditra tao anatin'ny governemantan'ny fampiraisam-pirenena teo aloha ny minisitra avy amin'ny ankolafy Ravalomanana Nanatrika ny filan-kevitry ny governemanta voalohany izy ireo androany.


Andro voalohany taorian'ny fahatongavan'ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka dia betsaka ireo tompon'andraikitra avy ao amin'ny ankolafy Didier Ratsiraka sy ny avy ao amin'ny antoko Arema no tazana teny amin'ny Hôtel Carlton Anosy.


Nivory teny amin'ny 67 ha androany hariva ireo vondrona politika nanao fanohanana ny tondrozotra. Taorian'izay fivoriana izay no nahafantarana fa hanao fanambarana lehibe izy ireo amin'ny herinandro ambony.


Tokony hampiseho fankasitrahana amin'ny filohan'ny fahefana avon'ny tetezamita ny amiraly Didier Ratsiraka, hoy ny mpikambana iray ao amin'ny kongresin'ny tetezamita, Nicolas Andrianasolo.


Nisintona ny lakolosy ny antoko Maitso Hasin'ny Madagasikara manoloana ny toe-draharaha politika. Tokony haato tokoa ny fampiharana ny tondrozotra, hoy ity antoko ity.


Manoloana ny fahatongavan'ny amiraly Didier Ratsiraka an-tanindrazana dia nitondra ny heviny Paul Mpody.


Hifamotoana amin'ny vahoakan'Antananarivo eny amin'ny Espace Vatomanga 67 ha ny praiminisitra teo aloha, Monja Roindefo rahampitso maraina.


Nanamarika ny andro androany ny firosoan'ireo ministra avy amin'ny antoko mpanohitra amin'ny famindram-pahefana.


Vita io maraina io ihany koa ny famindram-pahefana teo amin'ireo kaomandin'ny vondrona mpiaro ny filoha ka teny Iavoloha no nanaovana izany, io maraina io.
6. hery ( 26/11/2011 08:20)
Mankasitraka anareo mpitatitra vaovao e.

Hery
7. rijadolly ( 26/11/2011 09:18)

hery:

Mankasitraka anareo mpitatitra vaovao e.

Hery

Ny TV PLUS sy ny MATV no tena hisaorana, tsy anisan'ireo tara vaovao intsony isika eto amin'ny Serasera noho izy ireo.
Mankasitraka e!
8. andrywui ( 26/11/2011 19:45)
rijadolly a ...ary mba ny vaovao rehetra alefa fa aza sivanana azafady !!

manao soa ihany de manao soa tapany !!

ze mahametimety ny ondanareo iany no alefa !! betsaka vaovao momban'ny fitokanana asa vita ireny koa mba alefaso RIJADOLLY a !!! betsaka ao
9. rijadolly ( 27/11/2011 07:03)

andrywui:

rijadolly a ...ary mba ny vaovao rehetra alefa fa aza sivanana azafady !!

manao soa ihany de manao soa tapany !!

ze mahametimety ny ondanareo iany no alefa !! betsaka vaovao momban'ny fitokanana asa vita ireny koa mba alefaso RIJADOLLY a !!! betsaka ao

Marina tokoa ny voalazan' Andrywui fa somary nosivaniko ilay izy hoe resaka politika ihany, na izany na tsy izany tsy voatery izahay ihany no afaka mandefa eto fa isika rehetra e! Manasa an'se sy izay mahita izahay mba hanampy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1294