MIFANTOKA

1. YDIFAS ( 24/11/2011 03:19)
Miarahaba antsika amin'ny alalan'izao hafatra izao. Tononina amintsika ny fiadanan'i Kristy omban'ny fahasoavan'Andriamanitra.
Manana anjara goavana eo amin'ny fiainantsika ny fifantohana. Miantraika mivantana amintsika sy ny ataontsika ny fifantohana na tsia amin'ny zavatra atao. Azo fintinina hoe: arakaraka ny haben'ny fifantohana ny vokatra azo.

Mihoatra lavitra tokoa ary ambonin'ny zavatra rehetra ny fifantohana ara-panahy.
Efa nianarantsika fa ny retsika dimy (maso, sofina, vava, orona ary ny fahatsapàna) dia varavaran'ny tenantsika manontolo. Araka ny Matio 14/24 - 30, rehefa nitsangatsangana teny ambony rano i Jesosy dia natahotra ny mpianatra raha nahita Azy. Nanome toky Azy i Jesosy. Tamin'izay indrindra, tsy resy lahatra i Petera ka ho eny Aminy handeha eny ambony rano ihany koa. "Ary hoy Izy: Manatòna. Dia nidina niala tamin'ny sambokely Petera ka nandeha tambonin'ny rano hanatona an'i Jesosy. Fa raha nahita ny rivotra izy, dia natahotra, ary raha vao nilentika izy, dia niantso hoe: Tompo ô, vonjeo aho!" Matio 24/29 - 30.
Izany hoe, rehefa nifantoka tamin'i Jesosy ny mason'i Petera dia nahatanteraka zavatra mihoatra ny voajanahary (nahavita zavatra "impossible" amin'ny maha olona) izy. Fa rehefa niala tamin'i Jesosy ny fifantohany dia nisy fiantraikany tamin'ny fony izany (natahotra izy) ka nilentika izy.
Toa miteny amintsika izany hoe raha mivily tsy mifantoka amin'i Jesosy ny fijerintsika dia hilentika isika. Rehefa teny hafa ankoatra ny an'Andriamanitra no renesintsika dia làlan-kafa no alehan'ny tongotsika ka ho reraka ny fontsika.

Torak'izany ihany koa ny Salamo 73/2 - 3: "Fa izaho, dia saiky nibolasitra ny tongotro, saiky solafaka ny diako, Satria nialona ny mpirehareha aho, raha nahita ny fiadanan'ny ratsy fanahy".
Tonga amin'ny fitenin'ny tanora hoe "midòna amin'ny poteau" ny mpanao Salamo eto. Tsy nibanjina an'Andriamanitra sy ny Teniny izy dia latsaka tamin'ny toetra tsy mendrika. Satria toetra tsy mifanaraka amin'ny drafitr'Andriamanitra ny fialònana dia niteraka vokatra ratsy ho an'i Asafa (mpanao Salamo) izany.
Mbola manamafy ny efa voalazantsika etsy ambony ity nanjò ny mpanao Salamo ity hoe rehefa miherika any an-kafa ny masontsika (fa tsy amin'Andriamanitra) dia hilatsaka amin'ny faharavàna sy tsy fahombiazana.

Manoloana izany, manoro làlana antsika ny Hebreo 12/2a: "mijery an'i Jesosy, Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy...". Mandrakariva dia atodiho Aminy ny fijerintsika, afantohy Aminy ny saintsika, atongilano handre Azy sofintsika ary aoka ny fandrenesantsika mbamin’ny fahatsapantsika rehetra ho hisokatra mandrakariva (disponible) amin’ny Teniny.
Ahoana moa izany hoe « mijery an’i Jesosy » izany? Hoy ny Jaona 1/1: «Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra». Izany hoe, Andriamanitra = Teny = Jesosy = Baiboly. Hoy Jesosy: «Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy» Jaona 5/39. Izany hoe, mamaky sy mihaino ny Tenin’Andriamanitra no tiana ambara eto = tsy miandranandrana, tsy miroa saina...

Manam-potoana isika, ry havana malala, hijerena sarimihetsika (film) mandritra ny adiny iray farafahakeliny nefa tsy mahafoy fotoana lava hamakiana baiboly. Mandany fotoana mihaino fosafosa sy resaka tsy mampandroso isika nefa raha vao maheno toriteny isika dia manova faingana ny onjam-peo ho amin’izay tsy manambara an’Andriamanitra. Manam-potoana mandihy amina hira tsy midera an’Andriamanitra isika fa tsy mahafoy fotoana hitsinjahana ho an’ Jesosy.
Koa ankehitriny, ry havana malala, hitantsika fa raha vao miala amin’Andriamanitra ny masontsika dia milentika isika, raha vao any an-kafa no itodihan’ny retsika eo amintsika dia tojo olana isika. Koa ndeha hialàna ny làlana tsy mitondra antsika any amin’ny fiainana mandrakizay, ndeha afantoka amin’Andriamanitra ny momba antsika manontolo: ny masontsika, ny sofintsika, ny fontsika. Ndeha holaniana amin’ny famakiana sy fandinihana ny Tenin’Andriamanitra ny fotoanantsika. Ndeha hanandratra an'Ilay Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo amin'ny ataontsika sy ny alehantsika mandrakariva isika. Hohitantsika fa hanamarina ny Teniny Izy: hotahiana, hambinina, hiadana ary hiaina mandrakizay eo anilany izay mifantoka sy mino ary mankatò ny Teniny.

Hafatra:
«Izao no lazain’i Jehovah: Mijanòna eo an-dàlana hianareo, ka izahao, Ary anontanio izay làlana masaka hatry ny ela. Dia izay làlana mankany amin’ny tsara, Ka iny no izory, Dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo; Nefa hoy izy: Tsy hizotra izahay» Jeremia 6/16
«Hoy Jesosy taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako» Jaona 14/6
«Aoka tsy hiala ami’ny vavanao ity bokinn’y lalàna ity, fa saintsaino andro aman’alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo, ary amin’izany dia hahalavorary ny lalanao hianao sady hambinina.» Josoa 1/8
«Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hahita fahafatesana izy mandrakizay.» Jaona 8/51
novalian'i rijadolly ny 26/11/2011 03:28
2. ydifas ( 24/11/2011 04:26)
HO AN'ANDRIAMANITRA IRERY ANIE NY DERA SY LAZA ARY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY. AMENA
3. zokieva ( 24/11/2011 13:40)
Misaotra fa mampahery
4. rijadolly ( 26/11/2011 03:28)
M%isaotra antsika rehetra amin'ny fifampaherezana. Misaotra an' Safidy ihany koa nanamafy ny hafatra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4131