JOURNAL 23 NOV 2011

1. rijadolly ( 23/11/2011 20:13)
JOURNAL 23 NOV 2011 http://blip.tv/tv-plus-madagascar/journal-du-23-nov-2011-5762260
novalian'i rijadolly ny 24/11/2011 02:21
2. rijadolly ( 24/11/2011 02:09)
VAOVAO 23 NOV 2011 http://blip.tv/tv-plus-madagascar/vaovao-du-23-nov-2011-5762601
3. rijadolly ( 24/11/2011 02:21)
Tena ho avy rahampitso amin'ny 9 ora maraina ny amiraly Didier Ratsiraka araka ny nambaran'ny mpiara-dia aminy.


Rahampitso alakamisy faha-24 novambra no voatondro hahatongavan'ny amiraly Didier Ratsiraka an-tanindrazana. Tsy hisy ny fepetra manokana ho raisin'ny mpitandro filaminana manoloana izany.


Tokony hanao fanambaram-pananana eny amin'ny BIANCO ny mpikambana ao amin'ny governemanta vao natsangana.


Naneho ny heviny Marc Ramiarinjatovo, avy ao amin'ny fikambanana Madagasikara Vaovao, sady tale jeneralin'ny sekoly ambony Escame, manoloana ny fitsanganan'ny governemanta.


Ho an'ny UDR-fanovana dia efa milamina tanteraka amin'izao fotoana izao ny toe-draharaha eto Madagasikara, indrindra tao- rian'ny nananganana ny governemanta.


Tontonsa io atoandro io ny fifamindram-pahefana teo amin'ny dokotera Hery Raharisaina, minisitry ny Jono sy ny harena anaty rano teo aloha sy ny minisitra vaovao hisolo toerana azy, Sylvain Manoriky.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1451