JOURNAL 22 NOV 2011
1. rijadolly
(
22/11/2011 18:23)
JOURNAL 22 NOV 2011 http://blip.tv/tv-plus-madagascar/journal-du-22-novembre-2011-5758703
novalian'i rijadolly ny 23/11/2011 00:02
2. rijadolly
(
22/11/2011 23:32)
VAOVAO 22 NOV 2011 http://blip.tv/tv-plus-madagascar/vaovao-du-22-novambra-2011-5759093
3. rijadolly
(
23/11/2011 00:02)
24 ora taorian'ny fanendrena mpikambana ao amin'ny governemanta dia nivory ny avy ao amin'ny ankolafy Zafy Albert, Ravalomanana ary ny MONIMA-UAMAD.
Manoloana ny zava-nisy tamin'ny fanendrena ny mpikambana ao amin'ny governemanta, dia nitondra ny heviny ny mpanao politika miara-dia amin'ny filohan'ny tetezamita Andry Rajoelina. Na ny antoko TGV na ny vondrona politika Les As dia manohana ny fanohizana ny fanatanterahana ny soridalana.
Manahy amin'ny tsy ahombiazan'io goverenemanta vao natsangana io i Monja Roindefo. Ankoatra izay dia nanambara ihany koa ny tenany fa hiezaka hanatanteraka ny famoriam-bahoaka izay efa nambarany.
Nitondra ny fijeriny manoloana ny fanendrena minisitra omaly Maitre Willy Razafinjatovo. Nambaran'ity mpahay lalana ity fa sarotra ny toerana misy ny praiminisitra.
Ho an'i Gilbert Raharizatovo, dia fandresena ho an'ny filohan'ny fahefana avon'ny tetezamita ny fanendrena mpikambana ao amin'ny governemanta izay notanterahana omaly. Ankoatra izay dia nitondra ny heviny momba ny fiverenan'ny amiraly Didier Ratsiraka ihany koa izy.
Naneho ny heviny mikasika ny fananganana governemanta i Fetison Rakoto Andrianiriana. Nasiany resaka ihany koa ny fanatanterahana ny « paix des braves ».
Nifamory teny amin'ny efitrano malalaky ny ANS Ampefiloha io tolakandro io, ireo mpomba ny amiraly Didier Ratsiraka. Nanome toromarika ny amin'ny hitsenana ity filoha teo aloha ity ireo mpitarika tamin'izany.
Mangataka ny hamoahana haingana ny valin'ny fanadihadiana mikasika ny nahafatesan'ny ministry ny Mponina Nadine Ramaroson tany Soanierana Ivongo ny fianakaviany.