VAOVAO 19 NOV 2011

1. rijadolly ( 19/11/2011 21:42)
VAOVAO 19 NOV 2011 http://blip.tv/tv-plus-madagascar/vaovao-du-19-nov-2011-5750826
novalian'i rijadolly ny 20/11/2011 04:50
2. rijadolly ( 20/11/2011 04:50)
Hanolotra hevitra ho famahana ny krizy ny Amiraly rehefa tafaverina eto an-tanindrazana, hoy kosa ny praiminisitra teo aloha Tantely Andrianarivo. Hanao sonia ny tondrozotra ihany koa izy, araka ny fanazavany.


Nikaondoha nandritra ny adiny 5 androany ny Praiminisitra Omer Beriziky sy ny vondron'ny mpanohitra teny amin'ny trano fonenan'ny filoha teo aloha Zafy Albert teny Ivandry. Fivoriana izay natrehan'ny masoivoho afrikana tatsimo Mokgeti Monaisa.


Nankalaza ny faha-57 taonan'ny revolisiona tany Algérie ny 01 novambra 1954, ny masoivohony eto amintsika, androany. Nandritra izany lanonana izany no nanehoan'ny ambasadaoron'ny Algérie izay sady zokiolona amin'ny diplomaty miasa sy monina eto amintsika ny heviny mikasika ny raharaha politika eto Madagasikara.


Ny fanilikilihana ireo vondrona politika nanao sonia ny tondrozotra no antony mahatonga ny fikatsoana eo amin'ny fananganana governemanta araky ny nambaran'ny filohan'ny antoko RDR Madagascar, Paul Mpody.


Ho an-dRaharimalala Louisette avy ao amin'ny antoko Mavana dia ny fitiavan-tenan'ny mpanao politika sy ny tsy fiheveran'ny tombontsoan'ny vahoaka 20 tapitrisa no mampitarazoka ny famahana ny olana eto amin'ny firenena.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0471