zaza 3 taona lasa marenina

1. manitriniaina ( 19/11/2011 11:48)
Miarahaba antsika rehetra,

Mba mila toro-hevitra ny avy aminareo ny tenako. Nisy ho iray volana izay voan'ny donika ny "neveu" ako 3 taona any madagasikara. Efa vita vaksiny ara-dalana io zaza io. Antibiotique sy efferalgan no "traitement" narahany. Iray volana taty aoriana tsy nahare intsony izy, noentina tany amin'ny mpitsambo dia hoe efa marenina "à 100%" ary tsy rovitra ny tympan. Tamin'izay dia no nomen'ny dokotera "Trivastal injection" izy, efa ho 5 andro izay, ka mbola miandry hatramin'izao izay vokany.
Marihina fa nisy "malformation" ilay zaza tamin'ny fahaterahana (tsy haiko loatra ny terme technique fa misy sofina kely hafa nitsiry eo amban'ny sofina normal).
Ny vaha-olana hitan'ny rainay dia ny handefasana azy mianaka aty an-dafy mba hanaovana "diagnostic" mazava sy hitsaboana ilay zaza faran'izay aingana, sao mba havotra ihany.
Sao mba misy mahafantatra "association" azo antonina amin'ny olana tahaka izao ianareo?
Momba ny "prise en charge", raha maka "assurance des visiteurs étrangers en France" ve dia mety hi-participer amin'ny frais liés au soins, consultation ORL, scanner, ...ilay assurance?
Misaotra indrindra antsika rehetra.

Manitriniaina
2. Ratoa ( 22/11/2011 21:14)
délicat be izany ary tokony hanampy ny fanjakana. Raha évacué sanitaire par l'état malagasy izy dia ny fanjakana no miantoka ny rehetra. Ny assurances tsy miandraikitra aretina nanomboka tany amin'ny tany hafa.
Ny fiangonana antonina voalohany, ny mpitandrina.
3. manitriniaina ( 22/11/2011 21:59)

Ratoa:

délicat be izany ary tokony hanampy ny fanjakana. Raha évacué sanitaire par l'état malagasy izy dia ny fanjakana no miantoka ny rehetra. Ny assurances tsy miandraikitra aretina nanomboka tany amin'ny tany hafa.
Ny fiangonana antonina voalohany, ny mpitandrina.


Misaotra indrindra amin'ny toro hevitra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.5145