mahagaga mihintsy

1. made21 ( 17/11/2011 15:14)
Maro ny MALAGASY manaja ny fihavanana, ny fiaraha-monina! fa nahoana re aty am-pita no tsy miraharaha ny sasany? tsisy intsony ny fisaisankina?
novalian'i made21 ny 23/01/2012 13:14
2. danbal ( 21/01/2012 08:05)
Tsy any @misy anao irery no manao an'io ny gasy, fa aty @misy ahy koa de hotran'io tsisy hafa. Ny zavatra mba tsikaritro zany de zao, tsika gasy rehefa aty ivelan'i M/car de hotran'ny miseho milay zany daolo, miavona, na mba mifanantona ihany fa mifampitsikera rehefa avy eo. De eo ko le oe inona le asa atao, raha vao asa somary hafahafa de efa hafa ko ny fijerin-dragasy anao.Aty @ misy ahy aty aloha de hotrizany mihintsy, rehefa misy ny fahoriana de mba tafavory eo daholo ihany ragasy, fa vao mivoaka eo de mifampifosa, ka za ry Made21 de aleoko tsy mifangaroharo fa manahirana.Fiainana an-tany lavitra aty na milamina aza enao, ny olona no manakorontana azy de aleo mipirina, fa sarotra e. Bye
3. jesuisla ( 22/01/2012 11:51)
tsy i mada no mahantra, ary tsy ny firenena no mahantra, fa ny fotopisainan' gasy sasany no tena vato misakana sy mampahantra ny firenena.

moa misy mahavita tena v? andriamanitra aza nahatsapa fa tokony hisy olona hafa

noho ny fahantran' toetsaina d tia manambany ny hafa, tsy miraharaha, manao tsinotsinona,....

ohatra, inona ny anao? Hoy lay mpiasa birao gasy. mbola tsy namaly akory i balita d hoy izy, rahapitso ianao miverina. D nivoaka nanao veloma i balita
ny ampitso, zah tompoko lay olon omaly,.....Tsy tadidiko zany, f inona no tadiavinao.sady mitrerona ihany lay mpiasa birao
tsizany tompoko fa saika.......mbola tsy vita ny tenin' balita d hoy lay mpiasa, 350mill no manao sonia
tsy hanao sonia ange tompoko, fa haka lay taratasy
hay, 750 mille zany àry, hoy lay mpiasa
tsisy afa tsy 650 aty tompoko. Hoeto aty d rahriva ianao miverina maka ny taratasinao

hay lay mpiasa olona interime (mpisolo toerana vonjimaika, f narary ny tompontoerana)

tsy mahay mifanaja ny gasy

ny tena atahorako d lay rangah mamo mipetraka eo akaikiko, ao anaty bus.inona no ho ataon' lay receveur raha mandoa aty @ ankanjoko io olona io? f zah manao fotoana @ sipa tena milay b

inona no ho ataon' lay receveur f ny zanaky ny ao ambadika d mandeha bus fona. bus vaky fitaratra eo @ varavarakely. Raha toa ka maratra io zaza avy nianatra io?

Zah aloha d miala é! f tsy misy hitako zany

mody tsy mijanona lay police mitondra moto, fa eo ampovoan'ny arab ny zanandrahalahiny no simba ny firany.

f nahoana kay lay police mamo no mitabatabe? satria tsy afaka ny hitabataba izy raha toa ka tsy mamo é.

hanao police mihintsy aho ry dada a! fa nahaona letsy? dahalo tsy azo saborina hono reny police reny. vao misambotra azy ianao, d ianao ndray no tifiriny @ iny basy iny.

tony zao lay gasy tsy mahay n'ininona tonga aty gagoa.tsy mitovy aminay hivoka profesiora mihintsy itony é. iza koa no hiarahaba sy hiresaka @io. sao d ataon' namako hoe, mba tena mahantra b mihintsy ny pokona any aminareo an. odiko tsy fantatra, @zay aho hita fa tsy mitovy aminy. sady betsaka koa ny hafa firenena no mitovitovy @ gasy, d tsy fantatra hoe gasy aho

aleo mifanampy, mifanavotra, mifanohana, miaraka, miray hina, fa ndrao sao lavo ianao, ka ny alika ndray no hanantona sy hanoroka anao. F heveriny fa alika namany ianao.

4. made21 ( 23/01/2012 13:14)
misaotra nareo ee @ torohevitre..
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9251