TENA MISY ANDRIAMANITRA, MATAHORA AZY, OMEO VONINAHITRA IZY MIBEBAHA DAHOLO ARY ANDEHA HANAO NY SITRAPONY REHETRA

1. RBNIR ( 15/11/2011 10:58)
Faly miarahaba ny namana rehetra,

Mety ho kristianinana ianao, mety ho hafa finoana koa (silamo, boudhiste, hindouiste sns.....), mety koa olona tsy mino izay mety ho Andriamanitra mihitsy aza ianao,

Ho an-tsika rehetra izao hafatra izao.

« Mangataha famantarana amin'i Jehovah Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin'ny lalina ambany, na ho avy amin'ny avo ambony. » (Isaia 7:11)
« Fa hoy Ahaza: Tsy hangataka aho, fa tsy haka fanahy an'i Jehovah » (Isaia 7:12)
« Dia hoy Isaia: Mihainoa ary, ny taranak'i Davida: Ataonareo ho zavatra kely foana moa ny hanasatra ny olona, No dia hanasatra an'Andriamanitro koa ianareo ? » (Isaia 7:13)
« Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan'anaka ny virijina* ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela**. [*Na: zazavavy][**Na: Imanoela = Amintsika Andriamanitra] » (Isaia 7:14)
Arak'io Teny eo ambony eo io dia efa nilaza tamin'ny olona Jehovah Andriamanitra mba hangataka famantarana saingy tsy sahy nangataka ny olona satria natahotra ny haka fanahy Azy ka dia Izy Andriamanitra no nanome famantarana ho an'ny olona dia tsy hinona fa ny hananan'ny virijina anaka ka hiteraka zazalahy izy.

Tanteraka ny fanomezana io famantarana taty aoriana :
« Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany* hoe: » (Matio 1:22)
« Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela (Isa. 7. 14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra. » (Matio 1:23)
« ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy*; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany. » (Matio 1:21)

Jesosy no ilay famantarana lehibe nampanantenain'Andriamanitra fahiny. Maro ireo Asa lehibe nataony tamin'ny fandalovany teto an-tany ary voarakitra ao anatin'ny Baiboly Masina ireo Asa lehibe ireo ankehitriny.

Ny tanjon'Andriamanitra tamin'ny nanaovan'i Jesosy ireo Asa lehibe rehetra ireo dia tokana ihany : « Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin'ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny. » (Matio 11:21)
« Lozanao, ry Korazina! lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho nibebaka ela izy ka nitafy lamba fisaonana sy nipetraka amin'ny lavenona. » (Lioka 10:13)
Vavolombelona 2 eto no namerina io teny io ny iray dia ny aposton'i Jesosy natao hoe Matio ary ny iray hafa kosa dia ny apostoliny iray ihany koa natao hoe Lioka.

Ny tanjona tamin'ireny famantarana ireny araka io Teny io dia ny MBA HIBEBAHAN'NY OLONA : ny mba haneken'ny olona rehetra fa kay misy tokoa Andriamanitra ka tokony hatahorana sy hotanterahina ny SITRAPONY REHETRA.


2. RBNIR ( 15/11/2011 11:21)
Tohiny...
Tena tian'i Jehovah Andriamanitra tokoa mantsy isika rehetra ka izay no nanirahany an'io Zanany io tety an-tany. « Fa toy izao no nitiavan' Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanani-lahy Tokana , mba tsy ho very izay rehetra mino Azy , fa hanana fiainana mandrakizay » (Jaona 3:16)

Tsy manavaka io fa na iza na iza mino an'i Jesosy dia hanana fiainana mandrak'izay.

Nataon'Andriamanitra ho lasa "universelle" na koa hoe manerantany ary ho fantatr'i ny taranaka rehetra nifandimby taty aoriana ny tantaran'i JESOSY ary lasa taona 0 mihitsy ny taona izay novinavinain'ny olona ho taona nahaterahany.

Inona moa izany finoana takiana amin-tsika izany ? « Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita. » (Hebreo 11:1)

... Fanehoana ny zavatra tsy hita hoy ny teny. Izao avy izany zavatra tsy hita haseho amin'ny finoana izany : Paradisa sy helo araka ny nambaran'i Jesosy :
« Nisy lehilahy manan-karena anankiray niakanjo volomparasy sy rongony fotsy madinika sady nanaram-po fatratra isan'andro tamin'ny fahafinaretana. » (Lioka 16:19)
« Ary nisy olo-malahelo ferena anankiray atao hoe Lazarosy napetraka teo anilan'ny vavahadiny; » (Lioka 16:20)
« ary naniry mba hihinana izay latsaka avy tamin'ny latabatr'ilay manan-karena izy, fa ny alika kosa no avy* ka nilelaka ny feriny.[*Na: ary ny alika koa dia avy] » (Lioka 16:21)
« Ary maty ilay malahelo, dia nentin'ny anjely ho any an-tratran'i Abrahama; ary maty koa ilay manan-karena, dia nalevina; » (Lioka 16:22)
« ary raha nijaly tao amin'ny fiainan-tsi-hita* izy ka niandrandra, dia nahita an'i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany.[*Gr. Hadesy] » (Lioka 16:23)
« Ary izy niantso ka nanao hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko, ka iraho Lazarosy mba hanoboka ny tendron'ny rantsan-tanany amin'ny rano mba hampangatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin'ity lelafo ity. » (Lioka 16:24)
« Fa hoy Abrahama: Anaka, tsarovy fa ianao efa nahazo ny zava-tsoanao tamin'ny andro niainanao, ary Lazarosy kosa ny zava-dratsy; fa ankehitriny izy no ampifalinay . ary ianao kosa no fadiranovana. » (Lioka 16:25)
« Ary mihoatra noho izany rehetra izany, misy tevana makadiry ajadona ao anelanelantsika, mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te-hiala ety, ary ny ho afa-mita hankety aminay izay eny. » (Lioka 16:26)

Misy tontolo 2 tsy hita maso ankoatran'izao fiainana izao , ny iray fiadanana sy fahasambarana, ny iray kosa dia tontolon'ny fijaliana tsy misy toy izany.
Ny finoana arak'izany dia ny finoana ny fisian'ireo tontolo 2 tsy hita maso ireo.








3. RBNIR ( 15/11/2011 11:26)
Tohiny......
Izao no hafatra napetrak'i Jesosy : « Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Matio 7:21)

Voakasik'io Teny io avokoa na kristianina, na hafa finoana eny fa na dia ireo izy tsy mba mino ny fisian'izany Andriamanitra izany mihitsy aza.

Tena misy Jehovah Andriamanitra ry namana isany ary Jesosy no efa natolony ho famantarana ho an'izao tontolo izao. MATAHORA AZY, OMEO VONINAHITRA IZY ARY ATAOVY NY SITRAPONY REHETRA.

Mianara ny Sitrapony ary ATAOVY (TSY MAHASOA NY MAHAFANTATRA FOTSINY FA NY MANANTANTERAKA NO ILAINY): manoro hevitra anao aho télé Jery isa-maraina amin'ny 5ora ka hatramin'ny 6ora.

Samy ho tahin'i Jesosy Tompon-tsika anie isika rehetra.
4. LazaDaddy ( 15/11/2011 11:28)
Amena
5. RBNIR ( 15/11/2011 11:55)
azafady, fandaharana Vitao ny Asan'ny Fahamarinana no anaran'ilay fandaharana ao amin'ny télé Jery isa-maraina amin'ny 5ora ka hatramin'ny 6 ora.

Samy ho tahin'ny Tompo namana
6. Miharena ( 15/11/2011 14:14)
RBNIR:

Misy tontolo 2 tsy hita maso ankoatran'izao fiainana izao , ny iray fiadanana sy fahasambarana, ny iray kosa dia tontolon'ny fijaliana tsy misy toy izany.
Ny finoana arak'izany dia ny finoana ny fisian'ireo tontolo 2 tsy hita maso ireo.

Tsy azo lazaina ve fa efa iainana amin'izao fotoana izao ireo lazainao ireo? Misy ny manana sy manana afitsoka ary misy ireo mahantra sy fadiranovana. Raha ny tantaran'i Lazarozy izany dia hitsimbadika fotsiny ny rasa rehefa tonga ny fodiamandrin'ny tsirairay niara-monina ao amin'io tontolo tsy hita maso voatana hatrany io araka ny finoana ambara eto ve?

Miala tsiny fa manao fanontaniana mety ataonareo hoe adaladala ihany aho saingy mila valiny matotra ireo fanontaniana mety hipoitra amin'ny filazana ny momba ireo tontolo roa iantefan'ny fanahy ireo. Ary koa mila matotra ny fanazavana ahafahan'ny tsirairay mahalala fa tsy ao amin'ny tontolo maizina no hivantanany na iainany dieny anio.
7. rijadolly ( 16/11/2011 03:23)
TENA MISY ANDRIAMANITRA, MATAHORA AZY, OMEO VONINAHITRA IZY MIBEBAHA DAHOLO ARY ANDEHA HANAO NY SITRAPONY REHETRA.

Mazava tsara ny hafatra, voaray RBNIR fa misaotra betsaka
8. RBNIR ( 16/11/2011 08:44)
Miharena:

Tsy azo lazaina ve fa efa iainana amin'izao fotoana izao ireo lazainao ireo? Misy ny manana sy manana afitsoka ary misy ireo mahantra sy fadiranovana. Raha ny tantaran'i Lazarozy izany dia hitsimbadika fotsiny ny rasa rehefa tonga ny fodiamandrin'ny tsirairay niara-monina ao amin'io tontolo tsy hita maso voatana hatrany io araka ny finoana ambara eto ve?

Faly miarahaba namana,
Raha araka ny Tenin'i Jesosy Tompo ao amin'ny bokin'i Lioka voatanisa ery ambony ery namana dia tsy fiadanana na fijaliana ara-nofo eto amin'izao tontolo izao no resahany fa fiadanana na fijalian'ny fanahin'ny olona iray rehefa maty izy. Ilay izy koa tsy hoe hitsimbadika araka iry filazanao iry, fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra ihany no hiditra amin'ny fiadanana. Ny mpanankarena afaka tsara manao ny sitrapon'Andriamanitra (I Joba no ohatra iray ao amin'ny Baiboly, ny mahantra koa dia afaka tsara mihitsy manao ny sitrapon'Andriamanitra (i lazarosy no ohatra iray ao amin'ny Baiboly). Diso ny fiheverana hoe rehefa manankarena dia ho very, diso ihany koa ny fiheverana hoe rehefa mahatra dia tsy maintsy avy dia hiadana. Izay manao ny Sitrapon'Andriamanitra ihany. Na inona na inona toeran'ny olona iray eo amin'ny fiaraha monina (manomboka amin'ny filoha ka hatramin'ny tsy manankialofana na SDF) dia afaka manao ny Sitrapon'Andriamanitra daholo ary samy tian'Andriamanitra hovonjena daholo. « [Ny amin'ny fivavahana ho an'ny olona rehetra, ary ny fitondran-tena sy ny fitafiana miendrika ny vehivavy Kristiana] Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an'ny olona rehetra, » (1 Timoty 2:1)
« ho an'ny mpanjaka mbamin'izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra. » (1 Timoty 2:2)
« Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, » (1 Timoty 2:3)
« Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin'ny fahalalana ny marina. » (1 Timoty 2:4).

Ho fampaherezana an-tsika rehetra :

Marina fa ety tokoa ny lalana ary tsy maintsy misy ihany koa ny fahoriana araka ny efa voasoratra fa saingy marina foana ihany koa ity Tenin'ny Tompo manaraka ity ry namana isany . « Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako. » (Matio 11:30). Vavolombelon'izany ny tenako sy ny ankohonako. Azo atao tsara ny manantanteraka ny sitrapon'Andriamanitra ary azo zakaina tsara ilay izy ry namana isany.
Ary izany mihitsy koa no mbola andefasako antso avo eto satria tena hanenina tokoa anie ry namana raha tsy mandroso isika e.

Mibebaha ry namana isany, na inona na inona sitrapon'Andriamanitra fantatrao dia tanteraho fa izay no antoka ahazoana ny fiainana mandrak'izay.

Samy ho tahin'ny Tompo namana


9. mirananirina ( 16/11/2011 09:39)
lava loatra
10. RBNIR ( 16/11/2011 09:40)

mirananirina:

lava loatra

Aza kivy fa famonjena
Samy ho tahin'ny Tompo
11. mirananirina ( 16/11/2011 09:46)

RBNIR:


mirananirina:

lava loatra

Aza kivy fa famonjena
Samy ho tahin'ny Tompo

merci
12. AndriambyII ( 16/11/2011 11:09)
Amen !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1303