Iza avy ianareo mpino Miharenianina?
21. Miharena
(
20/11/2011 05:53)
Avy amin''Andriamanitra izao rehetra izao no nampianarina ahy hatrizay. Ny fihatahako amin'io fiheverana io dia mazava fa manalavitra ahy AZY, na ny marina kokoa mampitombo ny famonosako ny HAZAVANY ao anatiko amin'ny alalan'ny fiheveran-diso maro momba AZY. Ka na izaho na ianao na ny biby sy zavamaniry na ny tany na ny rano sy ny kintana marobe dia avy AMINY ary tenaNY ka isany aho sy ianao io.
Mamiratra ao amiko ny HERINY rehefa fantatro izay ary zaraiko ho an'ny namana mitsilopy noho ny fifonosany.
Ny mitafy an'i Kristy dia mitafy HAZAVANA sady mitombo hazavana avy ao anaty ary mamoaka izany manerana ny manodidina.

22. rijadolly
(
20/11/2011 07:04)
Miharena:

Ny 99% io teninao io Miharena dia iraisan'izay efa nandray an' Kristy daholo.
Ny zavatra tsy voalazan'se ao fa anisany noforonin'Andriamanitra satria tsy inoan'se ny fisiany dia i satana devoly fanahy ratsy. E! e! e!, azamaika hamaly se handiso izay lazaiko. sady efa ny tsifotra be ery.hihihihihi!
Manantsafidy ny rehetra indrindra isika olombelona. araka ny voalaza izay mety tsy hinoanao dia niady hitovy filaharana amin'Andriamanitra i satana. Izany hoe nisy fanoherana ny Fanajakan'Andriamanitra izany tao. Eo no mipetraka ny fanotaniako izay efa nalefako eto foana. Fa maninona isika olombelona no avela sy mbola test-na eto amin'ity tany fahoriana ity? Eny fa na dia i Miaharena milaza tena fa efa ok! aza. Dia mety hiteny se hoe: ka hanala ilay sain-dratsy ao antsaina anie. Dia hoy indray aho hoe : ary ireo efa lasa (maty) nefa tsy tafala tao an-tsainy io lazainao sain-dratsy io? dia azoko antoka ny valitenin'se hoe: handalo fanadiovana lehibe izy any ary ho afaka amin'izay. Dia averiko any an-doharano ny fanotaniako, Manino no mandany andro miandry fotoana elabe (amintsika) i Andriamanitra. Izay no nahatonga ahy anan-kevitra hoe Hamono-tena aho dia efa vita ny fahoriako sy ny test-ko fa avy dia avotra aho satria sur ny zavatra torian'i Miharena ahy. Satria izaho araka ilay loha hevitra hoe Miharenianina.
23. Miharena
(
20/11/2011 11:23)
Ny zavatra tsy voalazan'se ao fa anisany noforonin'Andriamanitra satria tsy inoan'se ny fisiany dia i satana devoly fanahy ratsy.
Satana tsy mbola nolazaiko hatrizay hoe tsy misy fa ny asany nolovain'ny olona no tafaroboka ao an-tsain'ny olona ka hitenenan'ny olona hatrany hoe misy devoly i ranona. Efa nohazavaina tao amin'ny resak'i Kritsy sy ny Fariseo moa izy io ary ataoko fa mazava be ny filazana ny momba ny foto-pisainany.
Dia hoy indray aho hoe : ary ireo efa lasa (maty) nefa tsy tafala tao an-tsainy io lazainao sain-dratsy io? dia azoko antoka ny valitenin'se hoe: handalo fanadiovana lehibe izy any ary ho afaka amin'izay. Dia averiko any an-doharano ny fanotaniako, Manino no mandany andro miandry fotoana elabe (amintsika) i Andriamanitra. Izay no nahatonga ahy anan-kevitra hoe Hamono-tena aho dia efa vita ny fahoriako sy ny test-ko fa avy dia avotra aho satria sur ny zavatra torian'i Miharena ahy. Satria izaho araka ilay loha hevitra hoe Miharenianina.
Eto moa dia mbola tsy azonao mihitsy ny tiana lazaina matoa mivoitra indray ireo fanontaniana ireo. Tsy ara-nofo ny ara-panahy. Tsy ara-tsaina ny ara-panahy. Ny fanahy dia fanahy fa tsy saina ka rehefa mody mandry dia mazava fa tsy misy saina intsony fa ny fanahy sisa no velona ary mazava fa hahiratra arak'izay ny olona iray ao amin'ny tontolo ara-panahy. Ny fahazoana izany dieny eto an-tany no tanjon'i Kristy amin'ny teny hoe ; miaina eto amin'izao tontolo izao ianareo nefa tsy zanak'izao tontolo izao. Midika hoe tsy nofo ianareo fa fanahy avy any ambony no nanorontoronana anareo.
24. rijadolly
(
20/11/2011 12:00)
Hoy i Miharena:
Satana tsy mbola nolazaiko hatrizay hoe tsy misy fa ny asany nolovain'ny olona no tafaroboka ao an-tsain'ny olona ka hitenenan'ny olona hatrany hoe misy devoly i ranona. Efa nohazavaina tao amin'ny resak'i Kritsy sy ny Fariseo moa izy io ary ataoko fa mazava be ny filazana ny momba ny foto-pisainany.
Ekeko ary fa diso fandray aho; hay moa ka niteny Miharena hoe misy satana fa za koa no tsy namaky tsara.
Fantatry miharena ve ny tanjon'io satana io? Raha ny fahalalako azy dia manana ny anjeliny izay 1/3 ny Anjely izy io. Mahafantatra ny fomba fiasan'Andriamanitra izy, ary maniry ny hitondra ny Fanjakana ho eo an-tanany. Fantatro fa tsy miala izay noteneninao ianao hoe ho voavonjy koa io satana io. Aiza ho aiza ny ny fahamarina izay lazaiko izay raha hilaza ny fihevitrao aho?
25. Miharena
(
25/11/2011 08:21)

Misaotra an'i Rijadolly fa manomboka mahazo izay lazaina izy.
Tsy manana tanjona i Satana fa mamadika ny fahamarinana no nataony nandrintra ny fotoana ela izay nanjakany teto amin'izao tontolo izao. Ny fahatongavan'i Kristy no manitsy ny zava-drehetra ary tsy hanana anjara famadihana atao intsony Satana fa hanaraka ho azy izay marina. Izay no fanadiovana ary io fanadiovana io dia mifandraika hatrany amin'ny fanalàna ny olona tsy hanota intsony na ny marimarina kokoa tsy hanaraka ilay fitaizan'i Satana.
Tsara ho fantatra fa miara-miasa Andriamanitra sy i Satana ao anaty Baiboly. Ohatra ny momba an'i Joba sy ny fakam-panahy nahazo an'i Kristy. Raha tsy izay no izy dia tsy voasedra izay hery tian'Andriamanitra hoporofoina fa mitoetra mandrakizay ao anatin"ny olombelona amin'ny maha-sombin"aiNY azy avy.
Ao amin'ny Genesisy moa dia mazava ny fitaka momba ny voankazo fahalalàna ny ratsy sy ny tsara. Ilay fitaka dia hoe mahalala ny ratsy sy ny tsara izay tsy eo amin'Andriamanitra velively satria tsy nataoNY miavaka izany fa tsara avokoa izay rehetra noforoniNY. Niova ny masom-panahin'ny olona taorian'io fitaka io ary ny fanitsiana izany dia mafy ihany satria nanjary niteraka ireo didy maro tsy azo dikaina noho ny fitondran-tena tiana ahitsy.
Lova avy amin'i Satana avokoa ireo ota rehetra mahazo ny olona ary miorina ao an-tsaina mihitsy ilay ota miteraka ireo fitondran-tena sy finoana diso maro isan-karazany. Io no hazavaina tsara ary ezahana esorina ho amin'ny fanadiovana. Ny maha IRAY izao rehetra izao no zaraina amin'ny olombelona hahazoana ilay tanjon'i Kristy ary ataoko fa tsy ho voataka amin'izany Satana any am-para, na dieny izao aza.
Ny fitaka iray ihany koa dia ny fiampangana, izany hoe manome tsiny noho ny ota efa natao fa tsy mibanjina ny ankehitrny hanarenana ny ho avy. Toy ny olona mibaby korontan-javatra eny aminy mandrakariva eo imason'ny mpiampanga ny olona tsirairay eto. Dia miverina any amin'ny resaka devoly ao an-tsaina indray eto isika ka nahatonga ny Fariseo hilaza fa misy demonia hatramin'i Kristy.
Ireo toetra ireo no ezahan'i Kristy hazavaina hiala amin'ny olona ary efa resiNY efa ela Satana ny amin'izay lafiny izay ka tsy manana anjara fitaka hatao intsony raha ny tena marina fa manaraka izay fahefan'Andriamanira sisa.
26. rijadolly
(
26/11/2011 04:42)
Hoy i Miharena:
Misaotra an'i Rijadolly fa manomboka mahazo izay lazaina izy.
Tandremo indray sao lazain'se manisy sira kely indray aho a! fa ity no tsy voamarik'ise,
Rijadolly:
Aiza ho aiza ny ny fahamarina izay lazaiko izay raha hilaza ny fihevitrao aho?
27. niryna
(
26/11/2011 16:53)
LazaDaddy:an!
Efa fantapantatra daholo ihany ireo mpino Kristianina eto amin'ny sehatry ny serasera, mino ny tenin'i Kristy fa misy ny devoly sy ny helo.
Mba iza avy kosa ary ianareo mpino Miharenianina, izay mino ny teny sy fampianaran'i Miharena fa tsy misy ny devoly sy ny helo?
Maninona ry Laza raha tsy tonga dia mba ampianarina na zaraina izay mba fantampatatrao fa marina izy (satria samy manana ny indro kely avokoa ny fiangonana rehetra fa tsy misy iray marina na milaza ny azy ho marina aza-raha tsy izany tsy nisaratsaraka hatramin'izao) dia azy irery no mitsakotsako an'iny