DEVOLY sy SATANA ary NY HELO

1. lals ( 07/11/2011 14:30)
Miarahaba antsika rehetra

Mbola hamafisiko eto ihany ny fisian'ny devoly sy satana ary ny helo.

hoy ny ao amin'ny APOKALYPSY 20: 10 "Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro aman-alina mandrakizay mandrakizay ireo."

Ireo notsipihiko rehetra ireo no manamarina izany.
Tsy haiko indray raha mbola misy heviny hafa ireo @ namana sasany izay tsy mino izany na ahoana?
novalian'i Hinagasy ny 22/11/2011 06:26
2. rijadolly ( 07/11/2011 15:53)
ny Hanamafisiko mba tsy hivoaka ilay loha hevitra ny resaka dia ny eo amain'ilay hoe mino: Mino ny fisian'ny helo sy ny devoly no tiana hambara eto fa tsy mino manompo ny devoly akory.
3. Miharena ( 07/11/2011 19:56)
Tsy inoana ny fisian'ny Devoly. Ny finoana dia Andriamanitra. Ny hevitra sy fahadisoana dia tsy avy amin'Andriamanitra fa avy amin'ny olombelona manana saina mieritreritra.

Tsy misy zavatra azo tsaraina raha tsy ny olombelona ihany no manakilazy azy hoe ratsy na tsara. Ireo dia vokatry ny saina avokoa. Na io resaka voalaza ao amin'ny Apolkalypsy io aza dia vokatry ny saina avokoa ary mampametra-panontaniana hoe : fikasana marina ve izy io sa inona?

Raha ny fahafantarako an'Andriamanitra dia tsy hanao io zavatra io velively IZY. Ny an'ny Katolika no misy heviny mazava kokoa, dia ny filazana ny afo fandiovana fa tsy fampijaliana mandrakizay.

Toy ny mandro tena izay mamorona afo hamonoana ny hafa satria tena iray ihany ao amin'ny Ray na ratsy na tsara (izay relatif ihany arakaraka ny fandrafetan-tsain'ny tsirairay).

Noho izany, ao anatin'ny fihevitra dia tsy misy fahamarinana azo antoka. Fa ny marina dia izay mandrafitra ny fanahy MAZAVA izay mipaka amin'ny fiheverana.
4. rijadolly ( 07/11/2011 23:44)
Hoy i Miharena:

Tsy inoana ny fisian'ny Devoly. Ny finoana dia Andriamanitra. Ny hevitra sy fahadisoana dia tsy avy amin'Andriamanitra fa avy amin'ny olombelona manana saina mieritreritra.

Tsy misy idiran'ilay loha hevitra hatreto aloha.
Miharena:

Tsy misy zavatra azo tsaraina raha tsy ny olombelona ihany no manakilazy azy hoe ratsy na tsara.

Izany hoe Jesoa Kristy izany tsy mahalala ny atao hoe ratsy sy ny tsy mety fa mety daholo Aminy na ny ratsy aza?
Miharena:

Ireo dia vokatry ny saina avokoa.

Ny saiko sy ny sain'ny Jesoa Kristy izany no nampisy ny helo sy ny satana?
Miharena:

Na io resaka voalaza ao amin'ny Apolkalypsy io aza dia vokatry ny saina avokoa ary mampametra-panontaniana hoe : fikasana marina ve izy io sa inona?

Izay ilay efa napetrako tery alha hoe tsy mino manompo fa mino ny fisiany. HS raha vao izay.
Dia izay boky nianaran'sze ihany izany no avy amin'Jesoa Kristy sy ny Fanahy Masina fa ny APOKALYPSY noforonin'ny saina?
Miharena:

Raha ny fahafantarako an'Andriamanitra dia tsy hanao io zavatra io velively IZY. Ny an'ny Katolika no misy heviny mazava kokoa, dia ny filazana ny afo fandiovana fa tsy fampijaliana mandrakizay.

Dia aza afangaro amin'ny afo fanaovan-jiro ihany koa Miharena a! sy ny afo nandorona didikazo manitra ary ny afo nadorona ny fanatitra ho an'Andriamanitra. Saika adinoko ilay afo nandrahoana sakafo. Dia ilay nandorona sigara koa.

Miharena:

Toy ny mandro tena izay mamorona afo hamonoana ny hafa satria tena iray ihany ao amin'ny Ray na ratsy na tsara (izay relatif ihany arakaraka ny fandrafetan-tsain'ny tsirairay).

Efa fantatray fa ny hevitry se dia samy ao anaty valan'Andriamanitra ihanykoa na dia ny satana sy devoly aza
Miharena:

Noho izany, ao anatin'ny fihevitra dia tsy misy fahamarinana azo antoka. Fa ny marina dia izay mandrafitra ny fanahy MAZAVA izay mipaka amin'ny fiheverana.

Hevitrao izany fa tsy fihevitr'Andriamanitra sy Jesoa Kristy velively. Ka rarina raha tsarainao ohatr'izao ny fihevitry ny olona.
Tandremo fa misy ny fanahy mpamitaka, tsy izaho no niteny an'io an!
5. Miharena ( 08/11/2011 04:28)

Miharena
Noho izany, ao anatin'ny fihevitra dia tsy misy fahamarinana azo antoka. Fa ny marina dia izay mandrafitra ny fanahy MAZAVA izay mipaka amin'ny fiheverana.
Rijadolly
Hevitrao izany fa tsy fihevitr'Andriamanitra sy Jesoa Kristy velively. Ka rarina raha tsarainao ohatr'izao ny fihevitry ny olona.
Tandremo fa misy ny fanahy mpamitaka, tsy izaho no niteny an'io an!

Asakasak'izay mety hofitahin'ny fanahy mpamitaka. Raha hitanao fa mitombina ny hevitro dia azonao raisina. Raha hitanao fa tsy mety mihitsy fa aleo misy ihany ny ratsy sy ny tsara mba hiavaka tsara nefa heverinao fa handrebireby anao mandrakariva izay lazainao fa ratsy, ary fanafihana avy any ivelany (Devoly) izy io dia tazony ihany koa izay. Izaho tsy mitsara ny fihevitry ny olona fa mandini-tena dia mahatsapa fa misy fihevitra diso sy tsy mitombina voangona noho ny fijerena ny fihevitra ataon'ny olona ary miezaka miaina ao anatin"iny olona iny ary mahatsapa fa lasa miaina anaty haizina ilay olona raha mitana ny heviny hatrany. Dia izay no izaràna ny tetika mahomby hialàny amin'ny fihevi-diso mampaosaosa azy..

Asa aloha na azon'i Rijadolly tsara ny resaka ataoko hoe mitodika anaty fa tsy ivelany rehefa mandinika ny Tenin'Andriamanitra. Ilay hevitro dia fandinihan-tena mijery izay mivilana ao anaty, ny faharatsian'ny maso mijery ny hafa, ny faharatsian'ny fo feno fiavonavonana noho ny tsy fahalalàna ny MAZAVA sy ny fipoiraNY, fa tsy ny fanolahana ireo rehetra ireo ho avy amin'i Satana sy ny Devoly.

Dia ho afaka tsara hanala ilay andry be eo anoloan'ny masontsika isika alohan'ny hanalàna ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahintsika (Tetika iray nampianarin'i Krsity io).

Ireo teny manan-danja ao anaty Baiboly no atao lalim-paka mandrafitra ny ao anaty dia miaina ny mazava amin"izay. Ny fahitana haizina etsy sys eroa dia mora foanana amin'ny fahazavan'ny tena.

Miharena
Tsy misy zavatra azo tsaraina raha tsy ny olombelona ihany no manakilazy azy hoe ratsy na tsara.
Rijadolly
Izany hoe Jesoa Kristy izany tsy mahalala ny atao hoe ratsy sy ny tsy mety fa mety daholo Aminy na ny ratsy aza?

Tsy milaza an'i Kristy io fehezanteny io fa ny olombelona. I Kristy dia miaina amin'ny MAZAVA ka tsy mahazo Azy izay haizina (fisainan-diso) fa levona avy hatrany. Mahitsy sy Marina IZY ary tsy mitsara satria mpamantatra ny voa sy ny fo. Hainy ny manitsy anao ao anaty rehefa fantatrao fa manao izany IZY.
6. kotobelouh ( 08/11/2011 05:33)
"tena iray ihany ao amin'ny Ray na ratsy na tsara"

Tsara Andriamanitra sady Mpanao ny tsara. Misy ny devoly, ny teknikany, tsy hinoan'ny olona ny fisiany. Misy zavatr tsy ho voazavanao @ resak science sy psyco mints eto ambany masoandro. Ka dia az b famaritr loatra sao ho nenina any am-parany any e!
7. Miharena ( 08/11/2011 16:37)
Miarahaba an'i Kotobelouh.

Misy zavatr tsy ho voazavanao @ resak science sy psyco mints eto ambany masoandro. Ka dia az b famaritr loatra sao ho nenina any am-parany any e

Marina ny resakao amin'ny zavatra tsy voazavan'ny science sy ny psyco. fa eo amin'ny resaka be famaritra indray aho no te-hilaza hoe tsy any loatra angamba ny fiantefan'ny resaka raha milaza fa tsy manana asa intsony izay voafetra rehefa tonga ny fahatanterahana ao amin'Andriamanitra.

Ny fisainana fa hisy loza hanjo mandrakariva dia isan'ny fampihorohoroana tokony ho efa ialàna rehefa manana ny MAZAVA.
8. LazaDaddy ( 08/11/2011 21:57)
Miharena:
Tsy inoana ny fisian'ny Devoly

Araka ny finoanao izany dia tsy misy ny devoly. Finoanao izay ary tsy noterena ianao nisafidy izay finoanao izay.

JesoaKristy:
Misy ny devoly

Ny mpino Kristianina kosa dia manara-dia an'i Kristy sy mino ny fampianarany. Hoy i Kristy hoe misy ny devoly dia izay mino Azy dia mino ny Teniny fa misy ny devoly.

Fehiny:
Ny mpino Kristianina dia mino ny tenin'i Kristy fa misy ny devoly
Ny mpino Miharenianina dia mino ny tenin'i Miharena fa tsy misy ny devoly
9. Miharena ( 09/11/2011 03:19)
Tsy Mihareniana fa miainga eto amin'ity teny ity ny fanehoan-kevitro eto ary inoako famahazava zavatra be dia be io teny io entina miady amin'ny tsy fahalalàna mahazo vahana momba ny devoly.

La conversation en arriva au point où l’un de nous
demanda où se trouvait l’enfer et que signifiait le diable.
Jésus réagit rapidement et dit : L’enfer et le diable n’ont pas
de demeure en dehors de la pensée mortelle de l’homme.
Tous deux se trouvent exactement à l’endroit où l’homme les
place. Instruits maintenant comme vous l’étes, pouvez-vous
trouver à l’un ou à l’autre une position géographique en
quelque point de la terre ? Si le ciel est tout et entoure tout,
trouverait-on dans l’éther une place pour l’enfer ou le
diable ? Si Dieu régit tout et est tout, où y a-t-il place pour
l’un d’eux dans le plan parfait de Dieu ?

10. lals ( 09/11/2011 06:17)
Miarahaba ny namana rehetra

Hitantsika tsara fa namaky Baiboly hatramin'ny farany ianao Miharena manomboka amin'ny Genesisy ka hatramin'ny Apokalypsy.

D hoy ianao hoe:
- Vokatry ny saina avokoa ny resaka voalaza ao amin'ny Apokalypsy.
Ny teniko aminao ary dia ity : BAIBOLY = TENIN'ANDRIAMANITRA, izany hoe Andriamanitra no miteny ao anaty Baiboly. Manaiky an'io ve Miharena?

Raha ENY ny valiny: Nahoana no voizinao ny hoe : "Mba ho iray ao amin'ny RAY ihany izy rehetra", dia lazainao io fa tenin'Andriamanitra; nefa ny tenin'ny Soratra Masina ao amin'ny Apokalypsy lazainao fa noforonin'ny saina?
Satria ve tsy metimety aminao sy ny sainao ary ny eritreritrao araka ny voalazan'ny namana sasany ilay Teny, dia hoe noforonin'ny saina?

Raha TSIA indray ny valiny : dia marina daholo ny voalazanao rehetra dia izay no tsy mampitovy hevitra antsika. Dia hoy aho hoe: Tsy Fanahy Masina mihitsy no niasa ao amintsika raha izany no fipetrany satria izay voalazan'ny Baiboly dia lazainao fa noforonin'ny saina avokoa toy ny boky hafa rehetra vakianao ihany io.

Miharena:

Raha ny fahafantarako an'Andriamanitra dia tsy hanao io zavatra io velively IZY. Ny an'ny Katolika no misy heviny mazava kokoa, dia ny filazana ny afo fandiovana fa tsy fampijaliana mandrakizay.

Dia miteniteny foana izany io Apokalypsy io manao hoe: hampijaliana mandrakizay mandrakizay ireo. sa misy heviny hafa io aminao?
11. Miharena ( 09/11/2011 08:10)
Lals:

D hoy ianao hoe:
- Vokatry ny saina avokoa ny resaka voalaza ao amin'ny Apokalypsy.
Ny teniko aminao ary dia ity : BAIBOLY = TENIN'ANDRIAMANITRA, izany hoe Andriamanitra no miteny ao anaty Baiboly. Manaiky an'io ve Miharena?
..... izay voalazan'ny Baiboly dia lazainao fa noforonin'ny saina avokoa toy ny boky hafa rehetra vakianao ihany io.

Tsy nilaza mihitsy aho hoe vokatry ny saina izay voalaza ao amin'ny Apokalypsy sy ny Baiboly manontolo. Fitsaranao nipoitra tampoka avy any an'anonanona any izany angamba satria mihevitra ianao fa miteny izany izay olona milaza fa mitana izay nambaran'i Kristy (tsy noforonin'ny saiko) taty aoriana ka tsy hitanao ao anaty Baiboly.

Ny saina misokatra sy ny fo misokatra no ahazoana izay ambara aty aoriana ary manazava kokoa izay voalaza ao anaty Baiboly izany. IZY izay miteny no mahalala izay tiaNY hampitaina ary manazava izay efa noteneniNY taloha koa. Mampahitsy kokoa ny fomba fiheverna ny momba ny zava-nitranga sy ny ho avy ny ambaraNY aty aoriana.

12. kotobelouh ( 09/11/2011 08:11)

Miharena:

Tsy Mihareniana fa miainga eto amin'ity teny ity ny fanehoan-kevitro eto ary inoako famahazava zavatra be dia be io teny io entina miady amin'ny tsy fahalalàna mahazo vahana momba ny devoly.

La conversation en arriva au point où l’un de nous
demanda où se trouvait l’enfer et que signifiait le diable.
Jésus réagit rapidement et dit : L’enfer et le diable n’ont pas
de demeure en dehors de la pensée mortelle de l’homme.
Tous deux se trouvent exactement à l’endroit où l’homme les
place. Instruits maintenant comme vous l’étes, pouvez-vous
trouver à l’un ou à l’autre une position géographique en
quelque point de la terre ? Si le ciel est tout et entoure tout,
trouverait-on dans l’éther une place pour l’enfer ou le
diable ? Si Dieu régit tout et est tout, où y a-t-il place pour
l’un d’eux dans le plan parfait de Dieu ?

Bjr Miharena

Hono, oa, inona moa le zavatra noroahin'ni JK t@ lay lehilay in de nangatak le zavtr oe alefa any @ kisoa?
13. lals ( 09/11/2011 08:24)
miharena:

Tsy nilaza mihitsy aho hoe vokatry ny saina izay voalaza ao amin'ny Apokalypsy sy ny Baiboly manontolo. Fitsaranao nipoitra tampoka avy any an'anonanona any izany angamba satria mihevitra ianao fa miteny izany izay olona milaza fa mitana izay nambaran'i Kristy (tsy noforonin'ny saiko) taty aoriana ka tsy hitanao ao anaty Baiboly.

F'angaha moa tsy izay ilay tianao tenenina? Za zany no tsy mahazo resaka raha azoko tsara.

Ka hoy ange Miharena tery ambony tery hoe:

Na io resaka voalaza ao amin'ny Apolkalypsy io aza dia vokatry ny saina avokoa ary mampametra-panontaniana hoe : fikasana marina ve izy io sa inona?

Fa inona no dikan'io? mba hazavao kely fa tsy azoko.
14. kotobelouh ( 09/11/2011 08:48)

Miharena:

Miarahaba an'i Kotobelouh.

Misy zavatr tsy ho voazavanao @ resak science sy psyco mints eto ambany masoandro. Ka dia az b famaritr loatra sao ho nenina any am-parany any e

Marina ny resakao amin'ny zavatra tsy voazavan'ny science sy ny psyco. fa eo amin'ny resaka be famaritra indray aho no te-hilaza hoe tsy any loatra angamba ny fiantefan'ny resaka raha milaza fa tsy manana asa intsony izay voafetra rehefa tonga ny fahatanterahana ao amin'Andriamanitra.

Ny fisainana fa hisy loza hanjo mandrakariva dia isan'ny fampihorohoroana tokony ho efa ialàna rehefa manana ny MAZAVA.

Ianao ve efa nahita olona demoniaka? zany hoe olana ts tompon'ny tenany refa injay fa tononina eo anoloany ny anaran'i Jesoa Kristy? Efa nahita ireny ve Miharena? Efa nahita oloan misy tromba? Misotro toaka tokoa reny olona ireny nefa toa tsy mety mamo. Ny fanontaniako aminao àry dia reto:

1-Maninona nny demoniak no mirongatra @ fahenoana ny anaran'i JK?
2-Manino ny olona misy tromba no tsy mety mamo, nankaiza le toak be dia be nosotroiny? sa misy tyuau haf eo @ vavny tonga de mankany mankany?

Santionany @ zvtr nolazaiko fa tsy ho voazavanao @ science sy pscyco anao reo! satria ny resaka saina moa v tsy resaka psyco? tsy aiko aloha eh!

Hafatra: mizotra amin'ny lalan-diso be ianao ka miverena malaky
15. Miharena ( 09/11/2011 08:50)

Citation
Na io resaka voalaza ao amin'ny Apolkalypsy io aza dia vokatry ny saina avokoa ary mampametra-panontaniana hoe : fikasana marina ve izy io sa inona?

Fa inona no dikan'io? mba hazavao kely fa tsy azoko.

Mila fanazavana bebe kokoa marina izy ity ry namana fa tsy mahalaza izay tiana hotenenina ny teny fohy.

Vokatry ny fahadisoam-piheverana (saina) no nampisy ny devoly, Dragona, mpaminany sandoka izay haharihary ny fanafoanana azy rehefa tonga ny fahafenoan'ny Marina sy ny Mazava. Izay no tiana tenenina amin'io resako io. Mila mahay manavaka izay fikorontanana misy ao anaty Baiboly ao ary mila mahalala fa vokatry ny fiheveran-diso avokoa no mampipoitra ireo rehetra ireo.

Ireo no norodanina tao amin'ny Apokalypsy.

Dia rehefa avy mamaky izany faharodanana izany dia milaza hoe Aleloia ! dia mitozo amin'ny fisainam-baovao ao amin'i Kristy, dia fiadanan-tsaina sy fiadanam-po. Fa tsy miverina indray any amin'ny tantara sy ny faminaniana hoe rahoviana izany no hitranga satria efa naseho efa ela ho an'izay nampahalalaina.

Miaina amin'ny finoana sy fanantenana ary fitiavana amin'izay fotoana izay fa tsy variana miherikerika etsy sy eroa, mitodika any aoriana toy ny vadin'i Lota dia mivadika ho vongan-tsira na lasa manana saina miverimberina sy mitanisa zava-poana.
16. Miharena ( 09/11/2011 15:19)
Kotobelouh:

Ianao ve efa nahita olona demoniaka? zany hoe olana ts tompon'ny tenany refa injay fa tononina eo anoloany ny anaran'i Jesoa Kristy? Efa nahita ireny ve Miharena? Efa nahita oloan misy tromba? Misotro toaka tokoa reny olona ireny nefa toa tsy mety mamo. Ny fanontaniako aminao àry dia reto:

1-Maninona nny demoniak no mirongatra @ fahenoana ny anaran'i JK?
2-Manino ny olona misy tromba no tsy mety mamo, nankaiza le toak be dia be nosotroiny? sa misy tyuau haf eo @ vavny tonga de mankany mankany?

Santionany @ zvtr nolazaiko fa tsy ho voazavanao @ science sy pscyco anao reo! satria ny resaka saina moa v tsy resaka psyco? tsy aiko aloha eh!

Hafatra: mizotra amin'ny lalan-diso be ianao ka miverena malaky

Efa nahita olona tsy tompon'ny tenany aho ary manaiky fa manana asa ny anaran'i Jesosy amin'izany. Fa tsy manafoana izay filazan'i Jesosy koa izany hoe tao anatin'ny sain'ilay olona no nahatonga azy ho tsy tompon'ny tenany. Rehefa tena anontanianao tsara ireny olona ireny dia mety tsy hilaza aminao mihitsy hoe tadidiko tsara izay nataoko teo fa mety ho menatra izy.
Misy firongatana anaty goavana no hiheverana fa tsy tompon'ny tenany ny olona iray. Azo antoka fa ireo hery mifandripatra nokoloiny ao aminy no mirongatra dia tsy zakan'ny tenany.

Raha ilay tromba misotro tsy mamo indray dia fiantsoana fanahy io. Izay miantso dia tongavany. Izany tqy manafoana ny fitenin'i Krsity amin'ny ohatra raisiko hoe : Ny olombelona no mametraka ny toerana hipoiran'ny devoly izay ao an-tsainy ihany.

Misy mécanisme ifandraisan'ny sain'ny olombelona feno ireny spiritisme ireny. Efa nanandrana ireny tokoa ny tena matoa milaza.

Ny amin'ny hafatra ataonao, ny mitady fahitsiana angaha moa lalan-diso? aoka angamba faritanao tsara ilay lala-marina sy lalan-diso lazainao fa mifanipaka andehanako.
17. rijadolly ( 09/11/2011 17:30)
Hoy i Miharena:

Efa nahita olona tsy tompon'ny tenany aho ary manaiky fa manana asa ny anaran'i Jesosy amin'izany.

inona no atao amin'izany asa izany Miharena? Mila valiny
Miharena:

Fa tsy manafoana izay filazan'i Jesosy koa izany hoe tao anatin'ny sain'ilay olona no nahatonga azy ho tsy tompon'ny tenany.

Aiza ao anaty Baiboly miharena no manambara io hevitra io? fa tena vizana be aho mitady, tiako mba jerena mantsy ny continu-ny, mba hangatahana amin'Fanahy Masina hanazava Azy. Ohatry ny efa nomen'se izy izay fa tsy voajeroko tamin'izay dia hadinoko avy eo.
Miharena:

Raha ilay tromba misotro tsy mamo indray dia fiantsoana fanahy io. Izay miantso dia tongavany.

Mahafinaritra Miharena fa mino(tsy manompo)ny fisian'ny fanahy hafa ivelany se eto.
18. Miharena ( 09/11/2011 18:54)
Rijadolly:

Aiza ao anaty Baiboly miharena no manambara io hevitra io? fa tena vizana be aho mitady, tiako mba jerena mantsy ny continu-ny, mba hangatahana amin'Fanahy Masina hanazava Azy. Ohatry ny efa nomen'se izy izay fa tsy voajeroko tamin'izay dia hadinoko avy eo.

Ity santionany milaza fa ao an-tsaina ilay ratsy ary lalina kokoa aza satria avy ao am-po mihitsy

17 Tsy fantatrareo va fa izay rehetra miditra amin'ny vava dia mankao an-kibo ka avoaka ao amin'ny fivoahana?
18 Fa izay mivoaka avy amin'ny vava kosa dia avy amin'ny fo, ka izany no mahaloto ny olona.
19 Fa avy amin'ny fo no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny vonoan'olona, ny fakam-badin'olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy*;

Mba vakio tsara aloha ny Baiboly dia hitanao tsara ny lojikan'i kristy fa tsy hiteniteny foana mihitsy IZY ary fantatra tsara rehefa miteny aty afara. Tsy mamorona aho fa milaza izay tsapako fa marina amin'ireo boky rehetra vakiana aty aoriana.
19. lals ( 11/11/2011 07:06)

Dia io Tenin'i Kristy io ve no manambara fa tsy misy ny devoly sy ny helo?

Mbola averiko ihany: "Izay mino sy atao batisa no hovonjena fa izay tsy mety mino kosa no hohelohina (ho-HELO-hina)"
Raha ohatra ka samy hovonjena daholo na ny mino na tsy mino, dia aleo tonga dia manara-dia an'ireny mpamono tena ireny fa izany no vahaolana farany haingana indrindra. Fa tsy hijanona eto amin'ity tany miha-sarotra sy mijaly andro aman'alina ity. Fidiny ho an'ireo olombelona mahantra angaha ny hiaina eto amin'ny tany feno fahoriana sy faharatsiana rehetra izao ity.

Ny tena olana anie ampifandraisin'i Miharena amin'ny boky aty aoriana ny voalazan'ny Baiboly dia fanina izy ary lasa izay mety aminy no ambarany sy voiziny ombieny ombieny. Miala tsiny amin'ny fitsarako an.

Mba hazavao aminay ary ny dikan'ilay Teny ao amin'ny Apokalypsy 20 tery ambony e, aza aolakolaka fa tonga dia ahitsio ny heviny.

20. Miharena ( 14/11/2011 15:55)

Mbola averiko ihany: "Izay mino sy atao batisa no hovonjena fa izay tsy mety mino kosa no hohelohina (ho-HELO-hina)"
Raha ohatra ka samy hovonjena daholo na ny mino na tsy mino, dia aleo tonga dia manara-dia an'ireny mpamono tena ireny fa izany no vahaolana farany haingana indrindra. Fa tsy
hijanona eto amin'ity tany miha-sarotra sy mijaly andro aman'alina ity. Fidiny ho an'ireo olombelona mahantra angaha ny hiaina eto amin'ny tany feno fahoriana sy faharatsiana rehetra izao ity.

Ny tena olana anie ampifandraisin'i Miharena amin'ny boky aty aoriana ny voalazan'ny Baiboly dia fanina izy ary lasa izay mety aminy no ambarany sy voiziny ombieny ombieny. Miala tsiny amin'ny fitsarako an.

Mba hazavao aminay ary ny dikan'ilay Teny ao amin'ny Apokalypsy 20 tery ambony e, aza aolakolaka fa tonga dia ahitsio ny heviny.

Misy lojikan-teny ao anaty Baiboly ary tokony arahina izay lojika izay araka ny vanim-potoana itenenana azy. Rehefa famonjena no hitanao ao dia raiso izay dia ho fantatrao fa efa misy ny fikasana hampanjaka ny MAZAVA.

Ny tantara dia naneho mazava fa novonoin'ny maizina ny MAZAVA dia i Kristy ary tsy nahafaty Azy ny Maizina. Ny tsy hampanan-kery ny Maizina anefa no mission nataon'i Kristy sy ataony hatramin'izao. Misy tantara miseho ao amin'ny Apokalypsy noho izany fikasana izany ary ny fikasana rehetra dia efa voasoratra hatrany amin'ny Genesisy.
Ny lojika dia ny fiposahan'ny mazava tanteraka na koa ny hoe fiverenana an-doharano ho tody amin'ny hoe tsy misy afa-tsy ny MAZAVA.

Ireo fahatsapana ara-nofo no itenenantsika fa ho tanteraka ny tantara momba ny fanaintainana mandrakizay voambara ao anaty Baiboly. Rehefa manana ny MAZAVA anefa dia tsy miaina amin'ny fahatsapana ara-nofo intsony. Misy zavatra esorina ao amin'ny saina mitady hamboly haizina io hatrany dia mahita ny MAZAVA ny olona ka izany no ilazan'i Kristy aty aorian'ny Apokalypsy fa ao an-tsain'ny olona ny Devoly sy ny afobe fa tsy misy. Io no MISSION FARANY entiNY ho an'ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka hahatanteraka ny TeniNY hoe : mba tsy hisy ho very na dia iray aza fa hanana ny fiainana mandrakizay.

Izay aloha ny fahafantarako AZY ary inoako fa asa hoe ahoana ny fahazoanareo Azy?

Ny an'i Lals manambara hoe tsy aleo mamono tena dia faharatsiana ao an-tsaina ihany izany satria tsy fantatrao velively hoe tamin'ny ora inona no niantsoana ny olona iray ao anatin'ny lavotrisany maro izay omen'Andriamanitra fanomezana mitovy aminao. Sao dia ianao no hiresaka avy eo hoe nahoana no voavonjy i Hitler ohatra fa izahay efa nivavaka elabe taminao mijaly toy izao??
Fiainana mandrakizay no resahana ary raisina amin'ny fotoam-piantsoana izany ho an'ny tsirairay. Tsy aferantsika ny mamantatra ny fotoanan'ny tsirairay fa an'Andriamanitra. Ny fantatsika dia fijery mitovy ny AZY ho an'ny tsirairay ary izay no fikasaNY. Izay fahatsorana izay no zaraina fa tsy handavaka ny momba ny amin'i Satana sy ny Devoly izay efa voambara fa efa nazera tsy hanan-kery intsony ka hisarika olona ho any aminy no tantaraina lalandava amin'ny taranaka fara aman-dimby. Manao tatatata lava tsy mampandroso ny manao izany ary mandray ny asan'ny mpiampanga izay efa tsy misy asany intsony amin'Andriamanitra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0779