Fiangonana SHINE kianja Alarobia ny Sabotsy 29-10-2011 lasa teo

1. didi10 ( 01/11/2011 19:38)
Miarahaba ny namana rehetra!

Tontosa ny sabotsy lasa teo teny amin'ny kianja Alarobia ny fivoriam-bavaka nataon'ny fiangonana SHINE notarihin'ny Pastera Patrick izay niantsoana ny vahoaka an'Antananarivo sy ny manodidina.

Lohahevitra 3 no noentina tao ka ny tapany maraina (izay natrehako) dia FITAHIANA, ny hariva kosa dia FANASITRANANA sy FAHAGAGANA.

Marihina moa fa tsy mpivavaka ato amin'ity Fiangonana ity ny tenako fa noho ny andro Sabata dia nanohina ny antso ny tena.

Rehefa tafaraka nivavaka tamin'i Yves tao amin'ny mampiely baiboly aho indray alina dia nilaza izy fa rehefa misy fivoriam-bavaka toy itony dia ny "présence" aloha no mila tsapaina voalohany; ka eto dia sahiko no mijoro fa tena nisy tokoa ny "présence" tao Alarobia tamin'io andro io.
FITAHIANA
vakiteny 2 no nentin'ny mpitandrina hanazavana ny atao hoe fitahiana dia ny:
Jeremia 17;7-8
7 Hotahina izay olona matoky an’i Jehovah, dia izay manana an’i Jehovah ho tokiny. 8 Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, Izay mamaka eo anilan’ny rano mandeha;
Ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro, Sady ho maitso ny raviny, Ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro, Fa tsy hitsahatra ny famoany.

sy ny
Ezek 36; 24-30
Fa halaiko avy any amin’ny jentilisa hianareo ary hangoniko avy any amin’ny tany rehetra ka ho entiko ho any amin’ny taninareo. 25 Dia hofafazako rano madio hianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo. 26 Ary homeko fo vaovao hianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin’ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo hianareo. 27 Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. 28 Ary honina any amin’ny tany izay nomeko ny razanareo hianareo, ka ho oloko hianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo. 29 Ary hovonjeko ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra hianareo, ary hantsoiko sy hataoko vokatra ny vary, ary tsy hanaterako mosary intsony hianareo; 30 ary hataoko vokatra koa ny voankazo sy ny vokatry ny saha, mba tsy ho voalatsan’ny jentilisa amin’ny mosary intsony hianareo.


Ny fahatokiana an'Andriamanitra noho izany no lakilen'ny fitahiana, araka ity vakitenin'i Jeremia ity ary tena nahay nandresy lahatra tokoa ny Pasitera, na ho an'ny asa lazaina fa madinika na amin'ny asa lazaina fa ambony karazana dia mitovy ihany ny fanalahidiny; tsy maintsy havahan'Andriamanitra hoy izy ny olona matoky Azy sy ny tsy matoky azy ary "lainga izany kodiaran-tsarety izany ny fiainana" fa izay manana an'i Jesosy dia miakatra, miakatra, miakatra hatrany.
Ny indro kely anefa rehefa nanazava ilay tenin'Andriamanitra tao amin'ny Ezekiela ny Pasitera dia nohazavainy tsara ny amin'ny fanahy vaovao omena ny olona noesorina tao anatin'ny jentilisa saingy maika loatra izy ho tonga any amin'ny fanazavana ny fitahiana (vokatra vary, foana ny mosary and 28-30) ka nosafosafoiny fotsiny ilay lojika napetrak'Andriamanitra ao amin'ny And 27: Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy.
, nosafosafoiny hoy aho satria notsoriny tamin'ny hoe rehefa mandray ny fanahy masina dia manao ny tsara, fotsiny io andininy io.

Mazava be eto ny dingana tsy maintsy arahin'ny kristianina raha te hahazo ny fitahiana izy, dia ny fialana ao amin'ny jentilisa, finoana an'Andriamanitra sy fibebahana noho ny fahotana(And 24), avy eo fanadiovana amin'ny rano (Batisa)(And 25), avy eo fandraisana ny fanahy masina (And 26) izay mahatonga ny olona hahay hitandrina ny didiNY sy ny fitsipiNY izany tokony nohazavaina bebe kokoa (and 27), izay vao fitahiana (And 28-30)

Voaporofo eto fa ohatra iray amin'ilay antsoiko hoe: "Eglise de Charme"(jereo lohahevitra taloha) ihany ity fiangonana ity satria manambitamby ny olona handray an'i Jesosy izy ary mampanantena fitahiana sy fahasoavana eo amin'ny fiainanany saingy tsy mampianatra ny "condition" tadiavin'Andriamanitra amin'ny Kristianina dia ny fanarahana ny didiny izany. Fantaro fa raha vao miresaka Didy dia tsy maintsy miresaka heloka sy fanamelohana fa tsy resaka valisoa ihany. Araka ny efa nohazavaiko tatsy ambadika dia andrakandrana foana no handraisan'ny olona an'i Jesosy amin'ny fiangonana toy itony sao dia mba hanome fitahiana tokoa Izy, fa rehefa tsy tonga ilay fitahiana nampanantenaina satria tsy mitandrina ny didy izy dia miteraka fahadisoam-panantenana izany ka mampihemotra azy amin'ny Finoana;

Ny mbola hanamafisako ny teniko dia zava-niseho tao aorian'ny toriteny, nasaina nitsangana ny olona izay vonona fa handray an'i Jesosy eo amin'ny fiainany. Maro tokoa ny nitsangana satria resy lahatra tamin'ny toriteny sy ny fampanantenana natao taminy (hahazo fitahiana, harena, tsy misy mosary ...), natao ny hira fanoloran-tena "atolotro anao Andriamanitra ô, atolotro ny tenako rehetra...", tena tsara be sady nampihetsi-po tokoa saingy rehefa vita ny hira dia tonga dia vavaka fanoloran-tena, fa tsy nisy ny VAVAKA FIBEBAHANA, amiko aloha dia "Erreur" be io satria tsy tafita any amin'ny olona ny fototry ny maha-kristianina raha tsy mibebaka aloha izy ary mangataka ny fanadiovana ny fahotana amin'ny ran'i Jesosy Kristy maty voahombo teo amin'ny hazo fijaliana noho ny fahotantsika vao manolo-tena ho an'Andriamanitra. Dia olom-baovao ao amin'i Kirsty izany ireny olona ireny saingy mibaby ny fahotany hatrany amin'ny fitsaran'Andriamanitra, tsy fantany ny dikan'ny hoe fahotana sy fibebahana ary ny tena mampalahelo dia entin'ny olona hiafenana amin'ny ratsy ataony (facade) fotsiny ny hoe "mpivavaka be" satria tsy nasaina nibebaka izy fa tonga dia nolazaina fa efa manana an'i Jesosy eo amin'ny ny fiainany.

Nomena taratasy kely avy hatrany moa ireny olona nitsangana ireny ka natao tao ny anarana sy N°tél fa ahafahana mifanerasera aminy dia noatatazana ny rakitra avy eo.
novalian'i Ranyah ny 29/08/2012 21:26
2. fijo ( 01/11/2011 22:59)
izany hoe nitombo indray ny sekta malagasy.alefa ampitomboy foana fa mba hanao ny ahy koa aho ka
3. rijadolly ( 02/11/2011 02:27)
Mazava be ilay fanamarihan'Didifolo, na izaho aza eto dia naharay lesona tsara eo amin' étape fitoriana ny hafa ny Filazantsara. Misaotra betsaka.

Zoky Fijo>>>>> hihihihih! ts niova marina se zany an! fa saingy mbola tsy nahatafatsangana ilay atoko hatramin'izao. Inona moa ilay atoko izay fa tsy tadidiko intsony. psikfijo moa? hahaha tsy tadidiko intsony ilay izy marina.
4. Miharena ( 02/11/2011 06:07)
Raha izaho aloha dia te-hiresaka ihany hoe mba farito tsara ilay teny hoe fibebahana. Ilay vavaka fibebahana sy ilay hoe fanoloran-tena. Iza no mitombina amin'ireo, satria amiko ny fanoloran-tena no mahasarona ny zava-drehetra.


Didi10:

Fantaro fa raha vao miresaka Didy dia tsy maintsy miresaka heloka sy fanamelohana fa tsy resaka valisoa ihany.


Ny heloka na fahadisoana dia ekena fa ny fanamelohana no misy tsy lojika mihitsy raha toa ka manaraka tsara ny momba ny fanahy isika. Iza no mpanameloka ary inona no tanjony raha io no ataony lahasany? Mitondra fitomboana sy fihatsaràna ve izany ?

Mazava moa ny resak'i Pasitera amin'ny fandraisana ny Fanahy Masina ary ny fahazoana ity fehezanteny manaraka ity dia tsy itovizako amin'i Didi10 mihitsy;

Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy.


Amiko io dia midika fa miaina ao anaty Andriamanitra na ny marimarina kokoa hitan'ny olombelona IZY ao anatiny ary miaina manaraka lay Fahazavany ny olona ary lasa manam-pitiavana izy noho izany.

Ka sao dia heverina fa ivelany io dia atao hoe fifadiana karazan-kanina, na fanarahana andro fitokanana hivavaka sns...


.
5. didi10 ( 02/11/2011 07:55)

fijo:

izany hoe nitombo indray ny sekta malagasy.alefa ampitomboy foana fa mba hanao ny ahy koa aho ka


Miarahaba ny namana rehetra!

Mihazakaza be mihitsy ny famoronana Fiangonana aty Madagasikara, nefa rehefa dinihina akaiky dia Eglise business no betsaka nefa mbola be lavitra noho izany koa anefa ny fitomboan'ny bar, casino, loterie, salle de massage bodybody sns...

Efa miha akaiky tokoa ny farany ka mahereza mivavaka daholoe e!
6. RBNIR ( 02/11/2011 08:26)
fijo:

izany hoe nitombo indray ny sekta malagasy.alefa ampitomboy foana fa mba hanao ny ahy koa aho ka


Faly miarahaba namana Fijo,

Elaela izy izany namana, dia tena faly mifanerasera aminareo indray e,
Aza miditra amin'izany hanangana fiangonana fahatany zany namana fa tsarovy ny hafatry ny Tompo : « Ary hoy izy taminy: Aza mitondra zavatra ho amin'ny alehanareo, na tehina, na kitapom-batsy, na mofo, na vola, ary aza misy mitondra akanjo roa. » (Lioka 9:3)
« Aza mitondra kitapom-bola, na kitapom-batsy, na kapa; ary aza miarahaba olona akory eny an-dalana. » (Lioka 10:4). (Tsy fitadiavam-bola na harena ny fitoriana ny filazan-tsara).
Ny antony nananganana na hananganan'i Jesosy Tompo fiangonana dia antony tokana ihany namana : hamonjy ny fanahin'ny olona mba hananan'ny olona rehetra fiainana mandrak'izay. Izay ihany fa tsy misy antony hafa mihitsy . Na ny mpitarika na ny tarihina dia samy ho voafitaka avokoa raha vao mivoaka amin'io ny tanjona. Loka tokana no nampanantenaina dia ny FIAINANA MANDRAK IZAY. Ny ankoatran'izay tsy mila angatahina akory fa "cadeau" "dia hanampy ho anareo izany rehetra izany".
"Ny voany no hahafantarana azy ry namana".

Samy ho tahin'ny Tompo daholo indray.




7. niryna ( 02/11/2011 15:56)
didi10> misaotra anao nizara.
raha mikasika ny hoe fibebahana indray aloha no asianteny dia tsy nahalala aloha aho raha nizara ny teny tamin'ireo olona ireo izy hoe isika rehetra dia mila mibebaka fa io no efitra manasaraka antsika amin'Atra.Mety efa lava ny toroteny dia mety adinony ilay izy na tsy niteny mihitsy izy.Atra irery ihany koa anefa no mahalala ny ao am-pon'ny olona ka rehefa niantso Izy ka andray azy ilay olona dia ho tonga ho azy ny fotoana hivavahany any an-trano ary dia hibebaka sy angataka famelankeloka Aminy izy.

Ny nahavariana anay fotsiny dia tamin'izy niantso ny olona dia hoy izy " tongava maro fa hiresaka fanambinana sy resaka ara-bola ..azoko antoka fa manomboka amin'io dia hiainga amin'ny fiainana vaovao mihitsy hianao. Ny hariva indray hoy izy dia hisy fivavahana , hisy tenin'Atra izay zaraina aminao ary azonay antoka fa tsy maintsy misy zavatra mitranga amin'ny fiainanao - fahagagana sy fanasitranana ary azonay antoka fa hanova tanteraka ny fiainanao,tongava maro fa hiova tanteraka ny fiainanao - azonay antoka fa hiova tanteraka ny fiainanao [/u] "

http://blip.tv/tv-plus-madagascar/vaovao-du-28-oktobra-2011-5686276
eo amin'ny 26:00 eo no manomboka raha tsy te hijery ny vaovao eo aloha hianao
8. Miharena ( 02/11/2011 16:02)
Tsy ny fitsikerana fiangonana no tokony hatao fa ny fandraisana izay soa zaraina na iza izy na iza atosiky ny finoana hizara. Eny na i Fijo izay milaza fa tsy mino aza rehefa mizara dia raisina.
9. didi10 ( 03/11/2011 08:05)
Miarahaba ny namana rehetra!

Namana Niryna!

Misy karazany 2 ny mpitory teny,
- Ny voalohany dia ireo mandeha eny amoron-dalana sy eny an-tany malalaka izay miantsoantso mafy hoe: Mibebaha fa efa akaiky ny farany; ireo ilay andalovan'ny olona fotsiny ary odiany fanina
- Ny faharoa dia ireo mampiasa ny haino aman-jery ary manambitamby ny olona hanantona an'Andriamanitra raha te hahazo fanambinana.

iretsy voalohany dia tsy mitaky na inona na inona aminao afatsy ny fiverenanao amin'Andriamanitra amin'ny fibebahana;
Iretsy faharoa kosa dia mahita toko sy andininy maro mba hamporisihina anao hanao rakitra betsaka ho vidin'ny fanambinana anao. Tsy hiantso anao hibebaka dia ny any amboalohany mihitsy izy fa izay ilainao ety an-tany no ampanantenainy anao raha miaraka amin'i Jesosy ianao.

Fehiny: Lojika be raha tsy nanao vavaka fibebahana ny Pastera tamin'io fotoana io satria tafiditra ao amin'ilay karazany faharoa izy



10. niryna ( 05/11/2011 17:02)
didi10:

Miarahaba ny namana rehetra!

Namana Niryna!

Misy karazany 2 ny mpitory teny,
- Ny voalohany dia ireo mandeha eny amoron-dalana sy eny an-tany malalaka izay miantsoantso mafy hoe: Mibebaha fa efa akaiky ny farany; ireo ilay andalovan'ny olona fotsiny ary odiany fanina
- Ny faharoa dia ireo mampiasa ny haino aman-jery ary manambitamby ny olona hanantona an'Andriamanitra raha te hahazo fanambinana.

iretsy voalohany dia tsy mitaky na inona na inona aminao afatsy ny fiverenanao amin'Andriamanitra amin'ny fibebahana;
Iretsy faharoa kosa dia mahita toko sy andininy maro mba hamporisihina anao hanao rakitra betsaka ho vidin'ny fanambinana anao. Tsy hiantso anao hibebaka dia ny any amboalohany mihitsy izy fa izay ilainao ety an-tany no ampanantenainy anao raha miaraka amin'i Jesosy ianao.

Fehiny: Lojika be raha tsy nanao vavaka fibebahana ny Pastera tamin'io fotoana io satria tafiditra ao amin'ilay karazany faharoa izy

Tsy fantatro aloha na kilasina iza izy na iza satria tsy anjarako no mitsara izany ,ilay fanantenana be navandravandrany no tena nahavaka ahy.Ahita fahagaga be hianao,hiova tanteraka ny fiainanao sns..Raha amin'izao fiainana mafy be izao no aderadera fa izay rehetra manatona an'Atra dia ahita fahagagana be( izany anie mahatonga ny olona hiroboka tokoa e kanefa jereny avy eo ny fiainany mbola mikorosofahana,tsy mihinankanina ,mijaly ihany) dia vao maika ny olona mety hanopa an'Atra na anome tsiny an'Atra mihitsy e -niandry ilay mana avy any an-danitra izy kanefa tsy tonga akory ilay nolazain'ilay olona hoe hisy izao sy izao...

Asa aloha fa izay no tena nahavariana anay fa mbola tsy naheno aho pasitera nitoriteny toa izany e. Satria ara-panahy no tena resahina sy andresena lahatra ny olona fa tsy ara-nofo izay tsy hivandravandra izany eo noho eo
Ny pasitera henoko dia: Mizara ny tenin'Atra no nataony, manasitrana ary manao asa fampaherezana(tsy midika akory izany hoe ho sitrana avokoa ilay olona raha ara-batana fa ny ara-panahy kosa dia izay rehetra mandray azy amin'io fotoana io dia ho voavonjy tokoa) mampianatra ny olona hino sy anankimpo amin'Atra no zarainy ary avy eo manome fanantenana fa izay rehetra miantso ny anarany dia ho voavonjy tokoa raha mino ny famonjeny( mbola sarotra tanterahana aza io fa miankina ilay finoana kely toy voatsiperifery ao anatinao ao).Avy eo izy mbola manamafy fa raha mandalo fisedrana hianao dia ny mivavaka Aminy hatrany no ataovy fa aza kivy( io no tiako tenenina . Mivoaka ny fiangonana hianao dia hianao ihany iny fa tsy olon-kafa ,nahazo vatsim-panahy hianao mba hoentina miatrika ny herinandro iny indray .sns (fampanantenana no teneniny fa tsy fanomezatoky hiova tanteraka ny fiainanao iray manontolo satria hianao ihany tokoa no hianao)
Tsy hoe nino an'Atra akory hianao dia hiova tanteraka ny fiainanao /isika ary eo noho eo ilay izy,tsia diso tanteraka izany fa mbola hisedra zavatra maro tokoa aza isika.Izay ilay milanja ny hazofijalian'i kristy ary samy manana ny hazofijaliana avokoa isika rehetra fa tsy hoe vita hatreo rehefa nanatrika ilay fivavahana nolazain'ilay pasitera teo iny .Ny nahazo Azy no mbola ahazo antsika ihany koa saingy vao maika manamafy ny finoantsika ny zavatra mitranga amin'ny fiainantsika .Izy ilay izy amiko fa avereno aty amiko ny teniko raha diso izany.
11. Ranyah ( 29/08/2012 21:26)
Eglise de charme & mampanantena fitahiana

Premièrement, Andriamanitra mihitsy no te hitahy anao ( raha tsy izany koa Atra tsy ny -promettre fitahiana) kanefa toa isika toriana Fitahiana indray no mi-critique église mitory fitahiana => sa iza no andrasana hitory Fitahiana. Eny @ izao tontolo izao any @ Lotterie malagasy no inoanao hampanakarena ve sanatria ?????

Manambitamby olona hivavaka fa avy eo mitory teny manangona vola etc…

Tadidio fa mitombona foana ny Loi n'y famafazana sy finjinjana eto an-tany.

Afaka manome kely foana ianao de hitanao ( enao mamaky à io ) ny vokany fa aza mba mi-critique olona manao rakitra betsaka ( satria koa io olona manao rakitra be io tsy adala akory fa mahita vokatra izy matoa manaraka an'io) Ny olona tsy adala raha manao rakitra betsaka , na tsy misy andaniana vola , na nanao fanafody pasteur ka nanome tampoka le olona,

=> experience io, andranno ka izahao fa tsara Jehovah, ka raha miteny Izy hoe ze mamafy kely kely no jinjainy fa zay mamajy betsaka de hijinja betsaka, maninon no tsy testena Andriamanitra raha mandainga na tsia fa tsy ny Pasteur no critique-na.

Karazany faharoa Pasteur Patrick hoy Nyrina.

Au cas où tsy tan ianao, nampanolotena Pasteur et mila azonao fa tsy misy fitahiana possible koa raha tsy fanolorantena aloa. Tsy mitahy ny tsy zanany Atra.

de ce fait, si on est d'accord tous fa mitahy Andriamanitra, aiza ary le porofony e… ?? mila toriana amin'olona ny fitahian'Atra fa otrany manamavo an'Atra ihany raha ny Kristiana indray no mahantra ( milaza fa manan'Atra nefa mavomavo fiainana ka latsain'ny Jentilisa ) nefa voasoratra hoe "Tsy handre ny latsan'ny Jentilisa intsony ianao /// Rovina io ??? APRÈS ny fanolorantenany.
=> mila toriana izany ny fitahian'Atra après fanolorantenany.

Olona tsy mahatanty toriteny momba ny vola indrindra fa ny hoe "manaova rakitra betsaka an'Atra" ( zay moyen direct andikana anile oe zay mamafy kely mijinja kely….) no tena mararim-bola.

=> Tsotra aminy ny mividy pizza 50 000 any am gastro fa sarotra ho azy ny manao rakitra 50 000 ( satria be loatra hono izany) nefa na ny 50 000 ananany aza tsy teny an-tanany raha tsy Jehovah no nanome hany ka ambimbola TSY ILAINA no atao rakitra. ( tsy ny tsara indrindra no omeny ny Ray izay tia azy)

Nampanantena Atra fitahiana fa misy principe arahana, anjaranao ny hanaraka na tsia, na hamafy be ianao ou non, jerevo hoe aiza ianao izao e, fa ne considérez jamais fa adala izay mamafy be, mahita vokany izy matoa mamafy fa izahay tsy vendrana akory ka malafy nefa tsy mahita vokatra.








© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2389