Maty alarobia tokoa ve i Jesosy avy any nazareta???

21. rijadolly ( 26/10/2011 15:03)
rijadolly:

Alohany amaliko mba tsy aha HS ahy aloha dia mbola miandry valiny avy any amin' Maranatha aho, hoe ity fanontaniako ity ve no tena antony nametrahana ilay loha hevitra(mahavoavonjy na maha very): mety tsy ho voavonjy ve ny milaza hoe Zoma ny nahafatezan'Kristy na hoe Alarobia ny nahafatesaNY?


Inoako fa resaka daty izany na ny marimarina kokoa dia ny andro nahafatesan'i Jesoa Kristy fa tsy hoe mahavonjy na tsy mahavonjy ny fanarahana na finoana io andro io. dia miandry ny fanazavana fotsiny izany aho eo amin'io fanamarinana ny andro nahafatesan'Kristy io
22. lals ( 26/10/2011 15:04)
Miarahaba antsika rehetra

Ady hevitra moa izy ity ka samy manana ny eritreriny ny tsirairay. Tsy hita izay maharatsy azy.

Miombon-kevitra amin'ny namana sasany aho ny amin'ilay hoe: tsy dia zava-dehibe loatra ny fitanisana andro sns ... fa fandaniam-potoana avokoa. Ny olana manko: isika olombelona izao no namorona ny andro hoe: andao atao Alahady na alatsinainy anio na rahampitso, izay araka ny voalazan'ny namana hafa hoe: tokony ho voalaza ao anaty baiboly izany sns ...

Fa ny manan-danja amintsika dia ny hoe: Maty hisolo ny fahotantsika izy ary nitsangana tamin'ny maty dia velona mandrakizay mandrakizay. Izay ihany: IZAY MINO SY ATAO BATISA NO HOVONJENA FA IZAY TSY METY MINO KOSA NO HOHELOHINA.

Zava-poana avokoa izao rehetra izao hoy ny Soratra Masina izay (tsy tadidiko hoe aiza moa no misy an'io).

Amiko, mbola averiko ihany fa lalana roa hatrany no iafarantsika olombelona (na any amin'ny fiainana mandrakizay na any amin'ny fahaverezana mandrakizay)
Manana safidy isika ka anjarantsika ny mieritreritra izay tokony alehantsika
23. ratsira ( 06/11/2012 14:08)
Miarahaba,
Tsy ny fironana aminĂ  daty no mahavoavonjy na tsia fa ny fiaikenao ny helokao eo anatrehan'i Jesoa ary indrindra ilay famelankeloka atolony.

fa na izany aza anefa dia indro andin-tsoratra masina izay milaza fa zoma Jesoa no maty (izay inoako fa ts hampiova ny finoanao*)

Jaona 19-31
31 Ary satria andro fiomanana ny andro, dia nangataka tamin'i Pilato ny Jiosy mba hotapahina ny ranjon'ireo, ary hesorina ny faty, mba tsy ho tratry ny andro Sabata eo amin'ny hazo fijaliana, satria andro lehibe izany Sabata izany.

NB: *Finoana = JESOA KRISTY (fa tsy FJKM na ApĂ´kalipsy na Advantista na anarapengonana hafa)
Mankasitraka
24. RBNIR ( 27/08/2019 14:42)
Hamaly ny fanontanianao hatarmin'izay....

Araho ity rohy ity

http://forum.serasera.org/forum/message/m5d64e75f4e163#m5d64e7fdd3490
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.364