Fanampiana havambady! moa v DROIT sa FAVEUR omena ny fanampiana?

1. kamongo ( 12/10/2011 18:14)
Faly miarahaba ny namana rehetra!

Mba misy zavatra tena tsy azoko amin ity fanambadiana ity.
1). Ny havambady rehefa zatra tolorapotsiny dia mieritreritra oe droit-ndry zareo lé omena fôna. Ka tsy haiko na ny tenako no ratsy loha, fa tena hôtra tsy ho vitako intsony ny miaramiaina @ vadiko fa hôtra ny havany fôna no mi préoccuper be azy noho ny tokantranonay. Manana eritreritra ny hisaraka @ny mihintsy aho satria hitako manao fandehambitsika voire méme manao marche arrière noho ny adidy ataonay @ fianakaviany. ka zay no anontaniako oe DROIT vé ny fanampiana sa FAVEUR?
2) Ny havambady (ny havan'ny lehilahy) vé dia tsy maintsy ampiana bebe kokoa noho ny an'ny vehivavy?

MISAOTRA ANAREO MIALOHA @ SOSONKEVITRA
2. mbaliana ( 12/10/2011 19:46)

kamongo:

anga moa misy an'izany sa nareo 2 tsy mba mifampiresaka... aiza moa no ahalalanao ny ao antsainy sy ny hahlalany ny ao an-tsainao raha tsy miresaka nareo
3. jesuisla ( 19/01/2012 17:15)
ny zavatra rehetra d misy lafi-ratsiny. Tsy hoe misy anefa ny lafi-ratsiny fa ny tsy fahaizana mifehy azy no misy olana. Ilaina ny alina, ilaina ny orana, sns. Tsy azo atao ny miataka b loatra @ havam-bady. Indrindra indrindra fa kamboty na vitsy an'isa ny havambady. Indraindray mety lay vady no mampiasa ireo havany hitsarany anao, na hamefeny anao tsy hibolila, na hamatorany anao tsy hietsika. Io farany io no tena ratsy, satria manafina zavatr ratsy lay vady. Sahia fotsiny miteny, hazavao sy tsory ny marina. tokony aminao ny havan'ny vadinao no mangataka f ts @ havany.
Tokatranonareo 2 io, ts hidiran' ray amandrenareo 2, na ny havanareo 2. Tiavo ny havambady. Satria misy toetra iraisana, na itoviana ny mpihana. Sao tsy ho zakan' vadinao ny ataonao ka hivadika zavatra hafa.
4. deloin ( 06/12/2012 08:47)
salama!
manahirana io resaka havambady io fa matoa ny ntaolo nanafatra dia tena efa nisy hatry ny ela izy io, ny "mazakà havam-bady", ny oe ra "ra tiana n vady, ny rafozana no tsinjovimandeha",fa ny olana dia ilay vady mihintsy no toa tsy mety tonga saina amin'ny ataon'ny havany sy ny efa hatao amin'ny havany, le havambady anie mieritreritra fa tokony ho azy daholo ko ze anao e, zay no mahagaga, olana iraisan'ny vehivavy io fa ny solution azo omena, aleo mandeha lavitra ny havambady, ts mifanerasera loatra, mifindra any amin'ny toerana mety mananosarotra amindry zareo, zay ry vehivavy, enao ts alainy noho ny azy izany resaka le oe tiako enao tiako enao, ny havanao nefa mitampifipify ref tonga ao atrano fa iz manjaka tanteraka

5. nainarazafy ( 14/12/2012 12:07)
salama daholo
marina tokoa fa "raha tiana ny vady, dia ny rafozana no tsinjovi-mandeha" izany dia na ho an'i lahy na ho an'ny vavy satria na eo @ lalàna aza dia adidin'ny zanaka no miahy ny ray aman-dreny ary toy izany koa raha sendra "sahirana" ny zanaka dia adidin'ny Ray aman-dreny no manampy azy ireo. FA KOSA tsy misy izany eo @ mpiraitampoa ( pas d'obligation entre collatéraux). Na eo aza anefa izany tsarovy fa voalaza hoe " AZA MAMIHINA NY TANANAO... RAHA MISY AZONAO ATAO IHANY" . Ireo havam-bady kosa etsy andaniny tokony hitsara-tena fa tsy "hanelingelina ny tokatranon'ny rahalahiny na ny anabaviny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1264