HAJAO NY LOHAHEVITRY NY NAMANA TSIRAIRAY AVY RY NAMANA ISANY

1. RBNIR ( 12/10/2011 09:01)
« ........ ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin'ny anton'ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanajana, » (1 Petera 3:15).
Faly miarahaba namana isany, tato ato dia tsy voahaja intsony ny lohahevitra zaraina ka mba manentanana an-tsika tsirairay avy ao mba hiverina hanaja izany ka tsy hivoaka lavitra ny lohahevitra raha azo atao.
Hoy tokoa mantsy ny teny hoe "nefa amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanajana"

Samy ho tahin'ny Tompo namana isany
novalian'i Trevino12 ny 17/07/2025 04:43
2. Miharena ( 12/10/2011 13:28)
Miala tisny tokoa aloha RBNIR fa mety misy tsy mifanaraka amin'ny niheverana ahatongavana ny loha-hevitra nosokafana indraindray. Saingy y hevitra moa tera-bary ka samy manana ny heviny ny olona tsirairay eo amin'ny lohahevitra iray ary hite eny ihany hoe mivily tanteraka ny resaka sasany saingy anjarantsika mpitari-kevitra no mamerina na manamarika izay mivilana ao amin'ny hevitra aposaky ny hafa amin'ny loha-hevitsika.

Ny zavatra tsapako koa dia indraindray isika tia manatsofoka hevitra mba ho eken'ny olon-drehetra. Nefa ny olona samy malalaka amin'ny safidiny avy. Ka tokony tsy hatao manafintohina izay maharesy lahatra ny tsirairay fa ny azo atao dia ny mizara fotsiny izay mba azon'ny tena dia izay. Hafa indray raha toa ka fanontaniana no asetry antsika. Raha izay dia tokony hamaly tsara isika araka ny fahalalantsika azy fa tsy tsara mihantona eo ny lohahevitra tsy mifarana tsara.
3. RBNIR ( 12/10/2011 13:30)

Miharena:

Tsisy tsiny namana fa efa "rano raraka ireny a" amin'ny manaraka no hotandreman-tsika e : sa tsy izany??

Samy ho tahin'ny Tompo namana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0402